Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2014
Mahatsiaro Ny Loza Nitranga Tamin'ny Lalao Baolina Kitra Tao Limà, 50 Taona Lasa Izay
Tamin'ny 24 May 1964, olona 300 no maty tao amin'ny Kianja Nasionaly tao Limà, maro ireo olona nitsoaka ny baomba mandatsa-dranomaso ary voahitsakitsaka satria nihidy ireo varavaran'ny kianja.
Tondradrano Any Serbia : Noraisin'ny Serba An-tànana Ny Famonjena Ireo Tra-Boina An'Aliny
Koa satria niaina tao anaty tondradrano nahatsiravina izay tsy fahita tao anatin'ny 120 taona i Serbia sy i Bosnia dia ny olon-tsotra sy ny fiarahamonim-pirenena no nitarika vonjy taitra sy fanampiana.
GV Face: Ny Vahoaka No Herin'ny Vonjitaitra Noho Ny Tondradrano Ao Serbia
Niresaka tamin' ireo namantsika any Serbia isika tamin'ity herinandro ity mikasika ny ezaka fifanampiana. Inona ary ny dingana manaraka ho an'ny mponina sy ny governemanta? Ary nahoana no mitebiteby ny amin'ny fandrahonana mahazo azy ny haino aman-jery sosialy?
Tranga Mampihoron-Koditra Noho ny Adi-tany Ao Andranondambo, Madagasikara
Nitatitra ny L'Express Mada fa potika ny tanànan'Andranondambo ao atsimon'i Madagasikara [fr] nandritra ny adim-pokonolona niainga tamin'ny adi-tany. Nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 mey, tsy nisy tafavoaka velona tamin'ny...
Enim-bolana Aty Aoriana, Manohy Mitaky Famonjena Sy Ny Rariny Ireo Niharam-boina Tamin'ny Tafio-drivotra Haiyan Tao Filipina
Enim-bolana taorian'ny tafio-drivotra mahery vaika namindra toerana ireo mponina an'arivony ao afovoan'i Filipina. Mbola manohy mitaky fanampiana sy ny rariny ireo nieren-doza. Mampihisatra ny fanampiana ny tsy fisian'ny drafitr'asa matipaika avy amin'ny governemanta.
Iray Volana Aty Aoriana, Mbola Tsy Tafarina Tamin'ny Fahasimbana Nateraky Ny Hovitrovitry Ny Tany Ny Shiliana
Iray volana taorian'ny horohorontany tao amin'ny faritra Tarapacà Avaratry Shily, faritra voa mafy indrindra. Maherin'ny 21000 ireo niharam-boina, mbola miandry vahaolana mivaingana avy amin'ny governemanta ny mponina.
GV Face: “Aziatika” Loatra Teo Ampivoahana? Ny Kolontsaina Sy Ny Faharendrehan'ny Ferry No Voatsiny
Manjaka tanteraka ny fitsarana an-tendrony raiki-tapisaka momba an'i Korea Atsimo ao amin'ny ankamaroan'ireo vaovao mikasika ilay sambo ferry nilentika ka nitarika fahafatesan'olona maherin'ny 200.