Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Janoary, 2009
Costa Rica: Nampihitsoka ny olom-pirenena sy ny mpitsidika ny Horohorontany 6.2
Nipaka tao am-pon'ny Costa Rica ny Horohoron-tany 6.2, izay nanana ivo-kotroka (epicentre) 35Km fotsiny tao Vara Blanca. Miala amin'ny renivohitry San Jose. Tao amin'ny lemaka afovoany, dia nahitana fahavakisana sy entana ravarava niparitaka eny amin'ny talatalana, na dia izany aza, dia ny toe-javatra manakaiky ny ivo-kotroka no tena lasibatra, tahaka izany koa ireo tendrombohitra an-dafin-toerana nianjera ary ireo fihotsahan'ny tany noho ny dibo-drano. Azo fantarina aloha ny mety iharan'ny loza, fa hatreto kosa dia 3 no voamarina fa maty.
Madagasikara: Rivodoza nandravarava nanome lalana ny tadiom-politika
Nivoaka ihany nony farany ny antontan'isan'ny fahapotehana nateraky ny rivodoza Fanele rehefa avy nandalo andro vitsivitsy teto Madagasikara. Nisidina tany amin'iray amin'ny faritra nandalovan'izany rivodoza izany ny filoha Ravalomanana hijery...
Palestina: “Zava-poana ny rehetra eto Gaza – ny fifohana rivotra, ny fihazakazahana, ny fanantenana”
Ato anatin'ity topimason'ny blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika ny antsipirihan'ny fanafihana ny toeram-pitsaboana Al Quds ao amin'ny faritry Tel al-Hawa any amin'ny tananan'i Gaza , avy amina Aostalianina...
Palestina : “Any Gaza, ny maty ihany no nahita ny fiafaran'ity ady ity”
Nahita ny fahalebiazan'ny fahapotehan'i Gaza ireo mponina taorian'ny 3 herinandro nanafihan'ny Israeliana ny tanàna, ary efa manomboka mamerina ny fiainany andavanandro tsikelikely. Ireo mpitoraka bilaogy sasantsasany no manahy ny amin'ny...
Madagasikara: Fahapotehina noho ny rivodoza Fanele sy Eric
Vao tsy ela akory izay dia noteren'ny rivomahery Eric sy ny rivodoza Fanele andaniny sy ankilany i Madagasikara. Manahy ny ho fiantraikan'ny loza voajanahary tahaka izao ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara...
Miditra an-tanety any atsimo andrefana ny rivodoza Fanele
Ny mpamaham-bolongana Pierre Maury no mahatsiaro ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara rehefa niditra an-tanety ny rivodoza Fanele tokony androany tamin'ny 4:17 marainan'ny 21 Janoary 2009 (fr). Ahiana hisedra ny setrasetran-drivotra...
Malezia: Maka lesona avy tamin'ny tondra-drano nandravarava
Nahatratra ny faritra maro tany amin'ny firenena Sarawak any Malezia tamin'ny herinandro farany teo ny tondra-drano. Mihoatra ny 8 000 ny olona tany amin'ny Distrikan'i Bau no nafindra ho amina...
Palestina:Tsy manam-basy na fitaovam-piadiana aho, ny filazana ny marina no entiko miady
Anatin'ity topimaso momba ny blaogy avy any Gaza ity, mandre isika ny fitantaràn'ny mpamily fiara mpamonjy voina iray ny fomba iainany ny tahotra, ny fiantraikan'ny fampitandremana nataon'ny IDF nalefa tamin'ireo...
Tondra-drano any Fiji : “Safotra ny tanàna”
Nanomboka avy ny orana tany Fiji ny alarobia 7 janoary ary tsy nijanona izany raha tsy tafahoatra ny herinandro. Izay no izy – ary tsy mbola milamina izahay — olona...
Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana
Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana...