· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Marsa, 2018

Libanona: Olona Miisa 90 No Voalaza Fa Maty Tamin'ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Ethiopian Airlines Tany An-dranomasina

Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny kotro-baratra ilay fiaramanidina  ka nianjera tany an-dranomasina.

27 Marsa 2018

Pôrtô Rikô: Nalahelo Noho Ny Horohorontany Ny Bilaogera

Tokony ho tsaroana amin'ny tantaran'ny heriny sy ny fiaretany tsy manam-petra i Haiti. Haïti no firenena voalohany tany Amerika Latina nahazo ny fahaleovan-tenany, ary repoblika mainty voalohany taorian'ny fanjanahan-tany manerantany. Ankehitriny, tsy maintsy tsaroana mihoatra ny hatramin'izay, ny vahoaka Haitiana sy i Haïti..

27 Marsa 2018

Haiti: Sioka Avy Eny Ifotony

Satria manakoako manerana izao tontolo izao ny hatsiravin'ny horohorontany tany Haïti, mponina ao an-toerana maromaro, mpanao gazety avy any ivelany, ary mpiasa mpamonjy voina no nisioka avy eny ifotony. Misy ireo miasa mba hanangona fanampiana sy vola, ny hafa kosa miezaka mampiseho amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga ao Haiti.

24 Marsa 2018

Myanmar : Lahatsary Avy Amin'ny Mponina Taorian'ny Fandalovan'ny Rivodoza Nargis

Na teo aza ny fandraràna natao tamin'ireo mpanao gazety napetraky ny junta Birmàna mpitantana ny firenena, dia nivoaka ihany ny olona ary naka sary ny zava-misy marina niainan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza voajanahary. Ny 2 May 2008, nandalo tao Myanmar (Birmania) ilay rivodoza Nargis, izay nahatonga fahasimbana goavana ary an'arivony ireo olona namoy ny ainy sy ireo tsy hita popoka.

18 Marsa 2018