Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2015
Ireo Seranam-piaramanidina, Trano, Orinasa, Fanaovana Fanatanjahantena, Lapa Ary Fotodrafitrasa Maro Potiky Ny Ady Ao Yemen
#OpOurYemen satria tsy mila firenena hafa hamerina fanantenàna ho antsika isika. Mahazaka dona isika ary hanao izay zavatra rehetra tokony atao hanarenana an'i #Yemen.
Tsy Ny Rehetra Ao Nepal No Faly Amin'ny Haino Aman-jery Indiana
Noho ny fahatezerana manoloana ny tati-baovao tsy tompon'andraikitra navoakan'ny haino aman-jery Indiana, dia nanomboka nampiasa ny diezy #GoHomeIndianMedia izay nalaza tao amin'ny Twitter nandritra ny andro maromaro ny mpiserasera Nepaley.
Nialàn'i Nepal ny #GoHomeIndianMedia, Fa Novàny Hoe #ComeBackIndianBarber
Nojerena ambony ambany hatrany (nohambaniana) ireo mpanety tao Kathmandu. Taorian'ny fifindràmoninafaobe sy ny fikororosin'ny toekarena naterak'ireo horohorontany anefa dia ry zareo ireo no lasa ho isan'ny matianina tena tadiavina indrindra any amin'ny faritra
Ao Japana, Tambajotra Sosialy Iray Natokana Manontolo ho amin'ny Vaovaon'ny Toetr'Andro
Tia toetr'andro? Liana amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra? Ary mpankafy Japan eo amin'ny fanombohana? Mety ho tambajotra sosialy ho anao ny SoLive24.
Matin'ny Hetaheta Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Teratany Wayúu Ao Kôlombia Sy Ao Venezoelà
Nofefena ny renirano lehibe mamakivaky ny faritra misy ny vondrom-piarahamonina teratany ary lasa notantanin'ny tsy miankina ny rano ho an'ny fitrandrahana arina lehibe indrindra eran-tany sy ny fambolena ara-barotra.
Horohorontany Faharoa Nahafatesana Marobe Sy Nampihazakazaka Ny Nepalis Hamonjy Toerana Malalaka
Fito amby dimampolo hatreto no voalaza fa maty, ary maherin'ny arivo no naratra.
Sary Mahavaky Fo Mampiseho Ireo Toerana Mana-tantara Taloha sy Taorian'ny Horohorontany
Namela holatra tsy hay fafana ny horohorontany tao Nepal. Na dia eo aza ny faharavana, tsy kivy ny Nepaley amin'ny fananerana indray ireo toerana sy tsangambato manatantara.
Manasongadina Ny Antontanisan'ny Voina Ao Yemen Ny Sarin'ny Loza Ao Yemen
Tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #YemenInNumbers, nampiseho tamin'ny fomba vaovao ny loza ao Yemen tamin'ny alalan'ny sary tsotra sy manintona ny maso i Ruba Aleryani, mpianatra Yemenita ao amin'ny Oniversite Brown