Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2020

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Marsa, 2020

Bar antserasera iray natsangan'ny orinasa ao St Petersburg ho an'ireo Rosiana naniboka ny tenany

Mihamitombo ny isan'ny olona tratran'ny coronavirus ao Rosia, nisy ainganasa iray ao St Petersburg namoaka "bar virtoaly" izay ahafahan'ireo Rosiana nanoka-tena manangana finamanana sy tsy hahatsapa loatra hoe manirery.

Tapitra ny Ebola any RD Congo fa manomboka ny coronavirus

Miatrika ny tranga COVID-19 voalohany i RD Congo ankehitriny raha nanambara ny fiafaran'ny Ebola. Moa ve hanampy amin'ny ady amin'ny valanaretina coronavirus ny lesona noraisina tamin'ny Ebola ?

Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan

Nahatonga ny governemanta hametraka ny famerana ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro ny tranga COVID-19 voamarina voalohany tany Bhutan izay nentin'ny mpizaha tany Amerikana avy any India.

Nanidy ny sisintaniny i El Salvador mba hisorohana ny tranga COVID-19 ary mety hisy ny fanambarana ‘hamehana’

"Inona no atolotr'i Italia ho eo amin'ny toerantsika ?"

‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena

Any Dehli Avaratra Atsinanana, niteraka fahafatesan'ny sivily miisa 17 farafahakeliny ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana sy mpanohitra ny lalànan'ny zom-pirenena. 150 mahery ny olona naratra.