Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Febroary, 2015
Tafiotram-Pasika Nanempotra Namely An'i Iran
Noresahan'i Arseh Sevom tamin'i Sam Khosravi, mpikaroka momba ny tontolo iainana ny momba izay niavian'ireo tafiotram-pasika mamely an'i Iran sy izay mety ho vahaolana.
Tondra-dranon'ny Tapa-Taonjato — Nefa Mety Mbola Tsy Henonao Mihitsy
Efa namindra olona manakaiky 200.000 ao Malawi ny tondra-drano, namotika ny vokatra ary nitondra ahiahy amin'ny mety isian'ny aretina. Ao amin'ny faritra mora tratran'ny tondra-drano, mbola mety ho ratsy kokoa ny hoavy.
Afo Midedadeda Nahatratra Ny Tranomboky Be Tahirin-Kevitra Ao Moskoa

Araka ny nambaran'ny fantsona onjam-peo Akon'ny Moskoa, dia tsy misy intsony ny tokotokony ho 15 isanjaton'ny tahirin'i INION, ka tafiditra amin'izany ny lahatsoratra Slavy vitsy dia vitsy voasoratra hatramin'ny taonjato faha-16.
Nikatso ny Aterineto Tao RDC Nandritra ny Fihetsiketseha-Panoherana an'i Kabila, 36 no Maty
Nahery vaika ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanitsiana ny lalam-pifidianana nataon'i Kabila izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 36 tao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo tao anatin'izay andro vitsivitsy izay.
Angona Momba Ny Ebola: Alahatry Ny Fikambanan'ny Bilaogera Ao Guinée Amin'ny An'ny Governemanta Ny Azy Ireo
"Ho any ady atao amin'ilay valanaretina, mazava fa kitsapatsapa ny fomba iatrehan'ny manampahefana azy, ary hatrany amboalohany no tsy nahomby ny fampitàm-baovao."