· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Septambra, 2009

Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha

Miha mandray fepetra hentitra tsikelikely ny tantsaha Indiana, ao anatin'izany ny famonoan-tena, hitsoahana ny fahasarotan'ny olan'ny fahantrana, ny tsy fahombiazan'ny voly sy ny fitombon'ny trosa.Mandinika ny zava-misy ny mpampiasa blaogy Indiana.

25 Septambra 2009

Pakistana: Fahafatesana nandritra ny Seho mivantana

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pakistane ny fahafatesan'ilay Pakistane iray mpandray anjara tamina seho mivantana. Mpitoraka blaogy maro no manontany momba ny fisian'ireny karazana seho fialamboly ireny, izay tsy ampy fepetra fiarovana, ary ny andraikitr'ireo vondrona vaventy izay manohana azy ireny.

13 Septambra 2009

Taiwan: Tantaran'ireo sisa tsy maty tamin'ny rivo-doza Morakot

有一個古老的傳說 人死後,變成了天上的星星,眷顧著留戀著他所深愛的人們 1999.9.21台灣中部大地震之後,夜空繁星閃爍 每顆星星的背後,都有一個令人心碎的故事 ──《921安魂曲地震紀念專輯》文宣 Milaza ny angano fa lasa kintana isika aorian'ny fahafatesana ka afaka miahy ireo olona tiantsika. Taorian'ny horohorontany tamin'ny 1999, raha mahita mitsilopy isika amin'ny alina...

09 Septambra 2009