Tamin'ny fahavaratra 2018, niharan'ireo loza voajanahary nisesisesy i Japana izay nahavery saina ny governemanta sy ireo tomponandraikitra eo an-toerana momba ny hatao mba hahafahana mitondra fanampiana. Niady mafy ihany koa ireo media mba handrakotra azy ireny, ka namela ny mponina hieritreritra hoe misy loza sasantsasany manakona ireo loza hafa tsy ho ao an-tsain'ny vahoaka.
Tamin'ny volana Jolay no nanomboka ireo andiana loza, rehefa niharan'ny oram-batravatra sy tsy mbola nisy toa azy ny ampahany betsaka tamin'ny faritra andrefan'i Japana, nitarika an'ireo tondradrano sy fihotsahan'ny tany izay nahafaty olona anjatony. Manaraka izay indray, hafanana be nitarazoka no nitranga, maherin'ny zato no olona maty ary an'arivony ireo nampidirina hopitaly.
Avy eo , ny 4 Septambra, ny rivodoza Jebi no rivodoza natanjaka indrindra nikapoka an'i Japana tao anatin'ny 25 taona. Saingy ny loza voajanahary, izay voalohany indrindra niantraika tany Osaka sy ny faritra manodidina, dia takonn'ilay horohorontany matanjaka izay nikapoka an'i Hokkaido, ilay nosy any avaratra indrindra ao Japana, ny ampitson'iny. Hatramin'izao, 39 no isan'ny olona voalaza fa maty vokatry ny horohorontany ary ampahany betsaka amin'ilay nosy no tsy misy herinaratra intsony.
Maha-sanganehana ireo sary rehetra miparitaka ao amin'ny Aterineto maneho ireo loza voajanahary goavana nisesy.
I'm getting confused. Thought this was a photo of post-earthquake power outage in Hokkaido but it is actually typhoon damage in Osaka. https://t.co/wKHn7A7cWE pic.twitter.com/sc6HPyRIkf
— Mulboyne (@Mulboyne) September 6, 2018
Lasa misafotofoto aho. Noheveriko fa sarin'ilay fahatapahan-jiro noho ny horohorontany tao Hokkaido teo aloha ity, hay ny faharavàna nentin'ilay rivodoza tao Osaka
Nampalahelo ny hafa ny zavamisy hoe nalaky nisarika ny saina ilay rivodoza Jebi na dia aza namela fahasimbana goavana manodidina an'i Osaka aza, ao anaty faritra iray fantatra amin'ny anarana hoe Kansai, izay ahitana mponina 22 tapitrisa sy mitàna ny toerana fahatelo lehibe indrindra amin'ny lafiny toekarena ao Japana aorian'i Tokyo sy ny faritr'i Kanto.
Olona efa ho roa tapitrisa no nafindra toerana noho ny rivodoza Jebi, saingy mbola nahafaty olona 11 sy nandratra anjatony ihany taorian'ny fandalovany. Trano iray hetsy no mbola tao anatin'ny haizina; herinandro taorian'ny fiafaràn'ny tafiodrivotra.
先日の台風で大阪泉州はこんな有様らしい。メディアはもう北海道の地震のことばかり、泉州の真実ももっと取り上げて欲しい。電気や水道の無い生活の大変さをもっと伝えて…どう手を差し伸べていいのかさえ思いつかない。 pic.twitter.com/7raJnbzEZg
— ELK (@BLACKELK1222) September 6, 2018
Ireto ny vokatry ny rivodoza tao Senshu (prefektora atsimo-andrefan'i Osaka). Raha toa ireo media mbola variana ankehitriny amin'ny horohorontany ao Hokkaido, maniry aho mba horesahana bebe kokoa ny mikasika izay nitranga tao Senshu. Tiako mba ho fantatr'ireo olona ny tsy ahafahana mivoaka velona raha tsy misy herinaratra sy rano mandeha. Maniry fotsiny aho ny mba hisian'ny fomba azo anampiana.
Tsy misy herinaratra, fikarakaràna rivotra, tolotra finday, na làlana ivoahana raha misy loza ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Kansai, izay mandray mpandeha roapolo tapitrisa isantaona. Raha vao nanondraka an'ireo tranobe rehetra tao amin'ny seranam-piaramanidina ny rivodoza, tapaka avokoa ireo làlana fidirana rehetra taorian'ny nanosehan'ireo rivotra mahery nentin'ny rivodoza ny mpitatitra entana iray teo amin'ilay hany tetezana tokana mampitohy ny tanibe amin'ilay nosy artifisialy misy ny seranam-piaramanidina.
Mpandeha manodidina ny 5 000 no novinavinaina fa voatery tsy maintsy natory tao amin'ny seranam-piaramanidina. Rehefa nitafatafa tamin'ireo mpanao gazetin'ny fahitalavitra izy ireo, dia nanamarika ireo mpandeha voafandrika tao fa tsy misy mihitsy ny fampahalala vaovao avy any ivelany. Ny ampitso, nilahatra ireo mpandeha mba haka sakafo sy rano teo ivelan'ny seranampiaramanidina, tamin'ny andro nakàna ity lahatsary ity.
Amin'ireo lafin-javatra sasany, ireo fikambanana avy any ivelany no tsy maintsy nanetsika ny asa famonjena.
関西空港に取り残されている中国人を救うべく、中国の在大阪大使館手配の下、大型バス15台が手配され、中国人のみを対象に救出作戦が行われたようです。バスに乗った人々は「偉大な中国を実感しました」「中国愛してます」など賞賛の声が上がりました、と、中国では結構大々的に伝えられてます。 pic.twitter.com/0YNx3oedhL
— 九寨溝飯館 (@eggtokyo) September 6, 2018
Tsy maintsy nanofa fiarabe fitaterana 15 ny masoivoho Sinoa tao Osaka mba hitaterana an'ireo mpandeha sinoa tafahitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kansai. Raha ny fahitàna azy, re nanindrahindra an'i Shina ireo mpandeha tao anaty fiarabe fitaterana, milaza hoe, “Tsapanay ankehitriny fa tena firenena Goavana i Shina” sy ny hoe “Tiako i Shina”, fandresena goavana ho an'io firenena io amin'ny resaka fampahalalambaovao.
Raha toa ny tatitry ny media nanampy tamin'ny fampahafantarana ny sedra iainan'ireo mpandeha nihitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidina Kansai, tsy nisy faly tamin'ny tsindrim-peo nataon'ny filazambaovao momba ny tsy fandraisana andraikitry ny governemanta. Ilay blaogera sady mpitsikera vaovao, y Fujiwara Kazue, no anisany iray amin'ireo mpitsikera ireo.
Check out this TV Asahi reporter taking heat for suggesting 24+ hours after Typhoon Jebi has passed maybe there shouldn't still be queues of people stranded, waiting for buses that haven't come with no information about what's going on at Kansai's biggest international airport. https://t.co/cfwU4Ly7Qm
— Tokyo Outsider ? (@tokyo_0) September 7, 2018
Jereo anie ity mpanao gazety an'ny fantsona fahitalavitra Asahi ity e, mila raharaha tamin'ny nilazàny fa maherin'ny 24 ora taorian'ny nandalovan'ilay rivodoza Jebi, angamba tsy tokony intsony hisy filaharan'ireo olona tafahitsoka, miandry fiarabe fitaterana izay tsy tonga, tsy misy vaovao mikasika izay nitranga tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena goavana indrindra ao Kansai.https://t.co/cfwU4Ly7Qm
(Fandikàna ny bitsika nalefan'i Fujiwara Kazue) raha mbola teo am-panaovana izay faraheriny sy azony natao ny mpiasan'ny seranampiaramanidina nandritra ny loza, ity mpanao gazety ity kosa manapaka hevitra ny ho any amin'ny seranampiaramanidin'i Kansai mba hitaraina sy hamafy korontana. Mety ho afaka hilaza amintsika izay tena tiany hatao mba hitsaboana ny zava-misy ve izy?
Nozaraina in-25 000 ilay bitsika nalefan'i Fujiwara ary ny resaka mikasika ny fandrakofana mediatika ny seranam-piaramanidin'i Kansai izay nahitana fanehoankevitra fara-faha keliny miisa 500, izay tena nitsikera be an'ireo mpanao gazety.
今朝おは朝、関空の問題で行政が~とか自衛隊ださないとか、お年寄りや小さい子供も同じように待たされたとか~現場は必死に頑張っておられるのに、自分達はテレビ局のスタジオから勝手な事ばかり言ってる❗
— keiko (@keiko291fuku) September 5, 2018
Ny maraina tontolo, milaza ireo fandaharana filazambaovao hoe tsy nanao an'itsy mihitsy ny governemanta, na hoe nanao an'iroa ireo hery fiarovana (ireo tafika japoney), ary dia manohy miandry tsy misy fitsaharana ireo ankizy sy be antitra… saingy na miasa mafy aza ireo hafa eny an-kianja, (ireo media) tsy manao afa-tsy ny milaza izay tiany eo amin'ny fahitalavitra.
Ny horohorontany tao Hokkaido, izay nitranga tsy ela akory taorian'ny rivodoza Jebi, dia nitarika ihany koa ny fikatonan'ny sampanan-dàlana iray amin'ny fifamoivoizana an-habakabaka. Izao indray koa, mpandeha an'arivony no nihitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidina Chitose, izay varavarana fidirana ny tanànan'i Sapporo. Mpanao gazety iray mpanoratra amin'ny Mianichi Shimbun mivoaka isanandro no nahamarika fa:
外国人観光客は右肩上がりで増えていましたが、関空、千歳の閉鎖がその流れを止めるのではと心配です。突然帰れなくなるかも知れない国。そんなイメージが膨らむと、訪日をためらう人が広がるのではと懸念します。 https://t.co/QuBC3HH0lX
— 小川一 (@pinpinkiri) September 7, 2018
Raha toa ka mitombo ny isan'ireo vahiny mpizahatany ao Japana, manontany tena aho raha toa ny fikatonana tanterak'ireo seranam-piaramanidina ao Kansai sy ao Chitose ka mety hisy fiantraikany amin'io fironana misonga io. Manjary karazana firenana iray fitsangatsangananao i Japana izay tsy fantatrao raha toa mbola afaka hody ianao na tsia. Mety hampalahelo raha manomboka miparitaka ny fomba fijery an'i Japana sahala amin'izany, ary hitsahatra tsy ho hankaty ny olona.
Raha afaka nisokatra haingana aza ny seranam-piaramanidina ao Chitose taorian'ilay horohorontany, betsaka ireo trano ao Hokkaido no mbola hijanona tsy hisy jiro hatramin'ny fiandohan'ny volana Oktobra. Noho ny fahasimban'ny tetezana sy ireo tondradrano manenika ny tanàna, mbola mila fotoana maro hamerenana tanterana ireo asa ao amin'ny seranam-piaramanidina ao Kansai.
Ho an'ny olona sasany, tsapa fa tena mahavàka ny saina ny fiainana taorian'ilay loza voajanahary. Mampananosarotra ny famatsiana ny tahiriny ho an'ireo ivontoeram-pivarotana ny tsy fitohizan'ny famatsiana. Marobe ny tatitra fisianà tsenakely sy magazay hafa manolotra karazany vitsivitsy. Efa maherin'ny in-70 000 no nifampizaràna ity bitsiky ny tsenakely iray ao Sapporo ity, izay tsy mivarotra afa-tsy akondro.
近くのローソンがバナナ屋さんになってた pic.twitter.com/Tp89FCClT7
— あお (@takutin99) September 9, 2018
Lasa toerana fivarotana akondro ilay tsenakely (Lawson) teto akaikin'ny tranoko.
Fanamarihana: Nohavaozina ity tantara ity mba hanazavana fa ilay tsenakely izay nivarotra akondro dia ao Sapporo fa tsy ao amin'ny faritra Kansai.