Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Janoary, 2010
Haiti: Olo-malaza Haitiana nambara fa maty
Mbola sarotra dia sarotra ny fifandraisana anatiny sy ivelan'i Haiti ary maro amin'ny olona no mbola tsy afaka nahazo vaovao - raha misy - momba ireo tapaka sy namana, tonga ireo vaovao, mahaliana ihany, avy amin'ireo mpitoraka blaogy ivelan'i Haiti, momba ireo olo-malaza tsy hita na efa voalaza fa maty.
Haiti: Ny olana nateraky ny fanampiana iraisam-pirenena
Dimy andro aty aorian'ny horohoron-tany namotika ny renivohitry Haiti, Port-au-Prince sy ireo tanàna hafa toa an'i Leogane sy Jacmel, dia mbola sarotra ho an'ny mpamonjy voina sy ireo mpitsabo ny...
Diplaomaty Toniziana maty noho ny horohorontany tany Haiti
Hedi Annabi, 66 taona, diplaomaty Toniziana sy solontena manokan'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ho any Haiti (Minustah) dia ahiana ho isan'ireo maty tamin'ny horohorontany mahery nitranga tany Haiti. Malahelo noho ny famoizana azy ireo mpitoraka blaogy Toniziana.
Haiti: Manavotra ny velona, Mitady ny tsy hita
Ireto misy tambajotra sy tahirin-kevitra vitsivitsy eto amin'ny aterineto izay netsehina tato anatin'ny andro vitsivitsy hanampiana ireo fianakaviana avy any ivelan'ny faritra hitady ny havany sy handefasana mivantana ireo fanampiana vonjitaitra ho any amin'ireo niharam-boina, izay maro no mbola tototra any ambanin'ny tranon'izy ireo izay nirodana.
Madagasikara tamin'iny taona iny – Fizarana fahatelo -
Teo alohaloha teo moa i Lova Rakotomalala no nanoratra ho antsika ny Madagasikara nandritra ireo volana niatombohan'ny taona 2009 izay tonga hatrany amin'ny fanonganam-panjakana nataon'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan’ Antananarivo...
Arabia Saodita : Ny tondra-dranon'i Jeddah an-tsary
Mbola miresaka momba ny tondra-dranon'i Jeddah sy ny vokatra naterany ny olon-drehetra, telo herinandro taorian'ny tondra-drano nitranga tany amina tanàna tany Arabie Saoudite andrefana. Ireo mpampiasa aterineto dia mizara rohy ao amin'ny YouTube, mampiseho ny fahasimbana goavana, avy amin'ny mailaka. Maro ireo video azo tamin'izany.