· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Desambra, 2011

Tanzania: Manentana An-tserasera Mba Hanampiana Ny Tra-boina Ny Tanora ao Dar

  30 Desambra 2011

Nanentana ireo tsara sitrapo Ao Dar es Salaam ny vondrona tanora mpiserasera mba hanatevin-daharana amin'ny famonjena ireo olona niharam-boina taorian'ilay tondra-drano nahazo ny faritra midadasika ao Dar es Salaam, izay niteraka fahafatesana olona maro sy fahasimban'ny foto-drafitrasa. Mampiasa ny tenifotra #Darfloods ireo mpisera Twitter amin'ny fampitana vaovao amin'ny olona  ary manentana hatrany amin'ny fandraisana...

Filipina : Anjatony Ny Maty Sy Nanjavona Tamin'ny Tondradrano

  23 Desambra 2011

Ny isan'ireo niharan-doza dia mety ho mihoatra izany ary mety hahatratra hatramin'ny 600. Io no tondra-drano ratsy indrindra namely iny faritra avaratry ny Mindanao iny tao anatin'ny taona maro. Ireo mponina anaty aterineto dia nampiasa teo noho eo haingana ny vohikala mba hizarana ny mikasika ilay loza voajanahary ary nanao antso ho amin'ny fanohanana

Azia Atsimo: Ny Voay Eny Anivon'ny Fampahalalam-baovao

  12 Desambra 2011

Mamba goavambe iray tany atsimon'i Philippines sy voay maro tany amin'ny rano tondraka tao Thailand sy Kambodza no isan'ny teo anivon'ny lohatenim-baovao nibahan-toerana tany Azia Atsimo tamin'ny tapany fahaefatr'ity taona ity. Eto ny fahitàna ny sasany tamin'ireo voay sy ny tatitra tanaty aterineto.

Brezila : Onitra Faratampony Taorian'ny Fahanginana Momba Ilay Fiparitahan-tsolika An-dranomasina An'ny Chevron

  04 Desambra 2011

Ny 7 Novambra, ilay "plateforme" fitrandrahan-tsolika Frade, izay an'ny orinasa Amerikana mpandavaka Chevron-Texaco, dia nanomboka namery solitany mbola tsy voahodina. Roa volana taty aoriana dia inoana fa efa voafehy ilay fiparitahana solitany ary i Chevron dia nosaziana handoa ny onitra ambony indrindra izay nofaritan'ny Manampahefana Breziliana momba ny tontolo iainana. Kanefa tsy mazava tanteraka ny mikasika ny fahasarotana sy ny momba ny loza aterak'io amin'ny tontolo iainana.