· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Febroary, 2013

Voin-Kava Mahatratra taorian'ny voina nateraky ny fandalovan'ny rivodoza Haruna tany amin'ny faritra Atsimo-Andrefana Madagasikara

Araky ny Birao Nasionaly Misahana ny Fiahiana ny Loza Voajanahary na ny BNGRC taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Haruna dia nahatratra 23 ny isan'ireo aina nafoy, 16 ireo tsy hita popoka, 126 ireo naratra ary miisa 38'778 ankehitriny ireo voadona ka ny 12'500 amin'ireo dia tsy manan-kialofana... Mbola mitohy ny fanisana

28 Febroary 2013

Karaiba: Inona No Nitranga Tamin'ny 2012 (Tapany 1)

Tamin'ity taona ity, nifarana tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina izay nahavaka ny saina, ireo tranga tao amin'ny tontolon'ny bilaogy teo an-toerana. Saika mijery ireo lohahevitra izay tena nandranitra resadresaka tamin'ny aterineto teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahamiana, Kiobana ary Karaiba miteny Frantsay, ny tapany 1 tamin'ity fintina 2012 ity.

07 Febroary 2013

Tamin'ny Aterineto No Nananganana ny Firaisankina Nanoloana Ny Voina Nitranga Tao Atsimon'i Brezila

Tao an-tanànan'i Santa Maria, ny fahamaizan'ny trano fandihizana Kiss no namarana ny fiainana sy ny nofinofin'ny tanora mihoatra ny 230. Nampiasaina ny tambajotra sosialy hanangonam-baovao tamin'izay nitranga sy hitadiavana fanampiana ho an'ireo niharam-boina. 90 amin'ireo trano 150 koa no levon'ny afo tao Vila Liberdade. 50 raha kely indrindra no rava tanteraka. Nihanaka haingana hamonjena ireo niharam-boinan'i Vila Liberdade ilay fanehoa-piraisankina tamin'izay nitranga tao Santa Maria.

05 Febroary 2013