Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Janoary, 2014
Ranon-trambo Sy Tany Nihotsaka Namely Tao Sulawesi Avaratra, Indonezia
Namely ny tanànan'i Manado tao Indonezia ny ranon-trambo sy ny fihotsaky ny tany mahery vaika ary nampifindra mponina maherin'ny 40.000. Voalaza fa nandrakotrafiara am-polony sy mpandeha tao anatiny ny fihotsaky ny tany.
Mitaraina Amin'ny Fihisatry Ny Asa Famonjena Sy Ireo Fialofana Tsy Manara-Penitra Ireo Traboinan'ny Rivomahery Haiyan Ao Filipina
Mbola an-dalam-panangonana azy foana ireo razana ao Visayas efa ho volana roa aty aorian'ny namelezan'ilay rivomahery Haiyan an'i Filipina. Voalaza ihany koa ho tsy taka-bidy sy tsy manara-penitra ireo trano fialofana vonjimaika naorina
Mpanao Gazety sy Bilaogera Mifandrafy Hevitra Momba ny Fampihorohoroana Rosiana
Mihamanatona moa ny lalao Olaimpikan'i Sochi, mifandrafy hevitra momba izay ao ambadiky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ny bilaogera sasantsasany, ary ny ankamaroan'izany dia ao amin'ny faritra tena manakaiky indrindra ny hanatontosana ny lalao.
SARIPIKA: Tondra-drano Nandritra ny Krismasy Tao Karaiba Atsinanana
Niaina rotsak'orana betsaka sy tondra-drano mahery vaika ny mponina atsinanan'ny vondron-nosy Karaiba izay ahitana an'i Dominika, Santa Lucia, St Vincent ary Grenadines.
Zavona sy Haiyan: Ireo Loza Nahafaty Tao Azia Atsimo Atsinanana Tamin'ny 2013
Ny fandrakofan'ny Global Voices ny halotoan'ny zavona nihoatra ny sisintany tany Singapore, Malezia, ary Indonezia; sy ny fiantraikan'ilay rivodoza mahery vaika Haiyan mahafaty tany Filipina tamin'ny 2013.
Asa Fampohorohoroana Kambana Nandraisana Taona Vaovao Tao Rosia
Zara raha misy fantatra aloha ny mikasika izay nanao azy ireny, saingy toy ny mahazatra dia efa mandroso ny kajikajiny sahady ny RuNet