Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Mey, 2012

30 Mey 2012

Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray

Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny...

29 Mey 2012

Peroa : Iquitos Taorian'ny Fandalovan’ ilay Tondradrano

Fanadihadiana mikasika ny tondra-drano no nandrakotra ny faritra Amazon ao Peroa nandritra ny iray volana, nahatratra sy nihoatra ny teboka ambony indrindra teo amin'ny tantara..Amin'izao fotoana izao dia efa nihena izany . Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarànay ny lahatsary avy amin'ny mponina, sary ary fanadihadiana mikasika ilay tondra-drano.

28 Mey 2012

Yemen: Kamikazy Nanapoaka Baomba Nandritra Ny Famerenana Matso Nataon'ny Miaramila

Olona teo amin’ny 100 teo no namoy ny ainy ary 200 farafahakeliny no naratra nandritra ny fanapoahana baomba nataon'ny kamikazy (olona manao sorona ny tenany) nikendrena miaramila nanao famerenana matso tao Sana'a, Yemen tamin’ny 21 Mey.

20 Mey 2012

India: Fifandonana tao Tamil Nadu Noho Ny Fanoherana Ilay Orinasa Mpamokatra Nokleary

Nampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fametrahana ny  Kudankulam Nuclear Power Project (KKNPP) (Tetikasa Nokleary Matanjaka), ao amin’ny distrikan’i Tirunelvel ao Tamil Nadu, ao India, izay eo am-panamboarana ankehitriny, satria mety hiteraka voka-dratsy tahaka ny  fipoahan’ilay orinasa mpamokatra nokleary  Fukushima  ao Japana izany. Manahy  ny mpikatroka fa rehefa misy  horohoron-tany arahinà  tsunami ao...

10 Mey 2012

Armenia: Nitera-doza Ny Fipoahan'ireo Balaonina Nandritra Ny Fampielezan-kevitra

Niharan-doza ny famoriam-bahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana solombavambahoaka tao Yerevan, renivohitr'i Armenia, tamin'ny Zoma 4 Mey, noho ny sigara voalaza fa nandrehitra ireo balaonina mandeha amin'ny entona. Mahery ny 140 ny olona naratra nandritra ny fipoahana araka ny tatitra voaray. Nisy rindran-kira ihany koa ny  fampielezan-kevitra nokarakarain'ny antoko Repoblikana andro vitsy mialoha...