Tantara mikasika ny Voina tamin'ny Avrily, 2013
Mandà Ny Fanampian'i Japana i Shina Taorian'ny Horohoron-tany
Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity ankoatra izay lazaina manokana Nandà ny tolo-tanàn'i Japana hanampy azy taorian'ny fihovitrovitry ny tany izay nahazo ny atsimo andrefan'ny faritanin'i Sichuan nahafatesana olona 193 raha kely indrindra sy maratra mihoatra ny 12 000 [zh] ny governemanta Shinoa. Nitranga ny marainan'ny 20 avrily 2013...
Mandà Tsy Handray Anjara Amin'ny Fanampiana Noho Ny Horohorontany Tao Sichuan i Hong Kong
Noho ny fanoherana tsy mitsaha-mitombo avy amin'ny olom-pirena ao Hongkong dia nolavin'ny mpanao lalàna ny antson'i Leung Chun-ying lehiben'ny mpanatanteraka mikasika ny antso hanomezana fanampiana ny faritr'i Sichuan niharan'ny horohorontany any Shina.
Indonezia: Mbola Ilain'ireo Mpialokaloka Ao Rokatenda Ny Fanampiana
Mbola tsapan'ireo 3.000 mpialokaloka avy any amin'ny Distrikan'i Sikka ny fiantraikan'ilay fipoahana volkanika tao Rokatenda tao amin'ny nosy Flores any East Nusa Tenggara ao Indonezia. Nipoaka i Rokatenda tamin'ny Febroary lasa teo ary taorian'ilay loza voajanahary, mbola misalasala sy matahotra hatrany ny hiverina any an-tanànany ireo mponina.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...