Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2014
Mpanao Fihetsiketsehana Any Pakistana: Miala Ny Praiminisitra Vao Miala Izy Ireo
Lasa niova ho sehatra fiadiana i Islamabad, renivohitr'i Pakistana, taorian'ny nampiasain'ireo mpitandro filaminana entona mandatsa-dranomaso sy bala tena izy, hanoherana ireo vahoaka maro mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta nanandrana haka tampoka ny sekretariàn'ny Praiminisitra.
Sopapa Omen'ny Palestiniana Amin'ny Mponin'i Ferguson Ho Fanoherana Ny Baomba Mandatsa-dranomaso
Raha vao nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao an-tanàna kelin'i Ferguson ao Etazonia ny polisy, namaly avy hatrany ny Palestiniana tamin'ny fanomezana sosokevitra amin'ny tokony atao manoloana izany
Nahazo Fanohanana Lehibe Avy Amin'ireo Olom-baventy Tandrefana Ny ‘Fanambaràna Ny Fahalalahana Eo Amin'ny Aterineto’ Nataon'i Serbia
Nanao Fanambaràna momba ny Fahalalahan'ny Aterineto ireo Serba mpitoraka bilaogy, ary naneho ny fanohanany izany ireo solontena avy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Manipur : Notifirin'ny Mpitandro Filaminana Indiana Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana
Manohitra ny fandraràna fanaovana hetsi-panoherana sy ny fitantanan'ny miaramila ny tanànany ireo vahoaka Nagas any Ukhrul, izay mifanohitra amin'ny fampitsaharana ny fifampitifirana efa am-polo taonany maro izay, teo amin'ireo Naga mpisintaka sy ny Governemanta Indiana.
Mibahan-Toerana Ao Okraina ny Tambajotra Sosialy Rosiana Na dia Misy aza Ny Adim-Baovao
Ireo tambajotra rosiana VKontakte sy Odnoklassniki no mahazo vahana eo amin'ny tsenan'ny media sosialy any Okraina, araka ny voka-pikarohana nataon'ilay goavan'ny aterineto rosiana Yandex.
Surprising Europe, Tahala Miresaka Sy Misokatra Ho An'ny Mpifindra Monina
Sehatra an-tserasera mandray ny fijoroana vavolombelona sy ny lahatsarin'ireo Afrikana mpifindra monina. Tetikasa mihoatra ireo fitsaratsaram-poana sy mandrava ny rindrin'ny tsy fahalalàna mahazo azy ireo.
“Cool” Ry Mpifanandrina o! Hoy Ireo Mpanao “Ice Bucket Challenge” Ao Afghanistan
Nisy vondrona facebook misokatra hoan'ny rehetra antsoina hoe "Be Cool" (Mba mahafinaritra - Milamina) namoaka lahatsary tamin'ny 30 Aogositra ahitana Afghàna roa nahavita ilay hetsika malaza amin'izao fotoana izao antsoina hoe ice-bucket challenge ho fitadiavana filaminana politika. Izay no hanasan'izy ireo ny mpifaninana roalahy mba hanaiky izay ho valim-pifidianana hivoaka