Niteraka fitroarana andro maromaro tao amin'ny tanàna kely manodidina an'i Saint-Louis ahitana ireo polisim-paritra manao fitafiana miaramila misahana ny rotaka mba “hampandry fahalemana” ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitifiran'ilay manampahefana iray tsy nolazaina anarana an'i Michael Brown, tanora Afrikana-Amerikana 18 taona tao Ferguson (Missouri).
Niraraka tao anatin'izay andro vitsivitsy izay ny tatitra fihoara-pefy ataon'ny polisy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanao gazety ao fanjakana iray Missouri ao Afovoan'i Etazonia ity. Saiky mainty avokoa ny 70 %-n'ny mponin'i Ferguson, ary fotsy avokoa ny mpitandro ny filaminana ao amin'ny faritra. Nilaza ireo mpikatroka zon'olombelona fa lasibatra sy ampangain'ireo mpitandro ny filaminana ho jiolahimboto ireo Amerikana hafa loko, indrindra ny tovolahy mainty hoditra.
Raha nitatitra ny tao amin'ny media sosialy fa nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisin'i Ferguson, namaly avy hatrany ny Palestiniana tamin'ny fanomezana sosokevitra amin'ny tokony atao manoloana izany, nilaza ny zava-niainany amin'ny fibodoan'i Israely.
Nampatsiahy ireo mpanao fihetsiketsehana ao Ferguson i Mariam Barghouti Palestiniana mpikatroka sy mpianatra ao amin'ny oniversiten'i BirZeit fa mandalo ihany ny fangirifiriana. Nisioka mikasika ny fanalefahana ny fanaintainana rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ihany koa izy :
Solidarity with #Ferguson. Remember to not touch your face when teargassed or put water on it. Instead use milk or coke!
— مريم البرغوثي (@MariamBarghouti) August 14, 2014
Firaisankina miaraka amin'i #Ferguson. Tsarovy fa tsy tokony hikasika na hanisy rano amin'ny tarehinao ianao rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso. Fa ronono na coca ampiasaina!
Always make sure to run against the wind /to keep calm when you're teargassed, the pain will pass, don't rub your eyes! #Ferguson Solidarity
— مريم البرغوثي (@MariamBarghouti) August 14, 2014
Ataovy hatrany izay hihazakazahana manohi-drivotra / mba hilamina rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso, mandalo ihany ny fanaintainana, aza mikoso-maso. Firaisankina miaraka amin'i #Ferguson.
I remember when I used to get teargassed, I used to just remind myself this pain will pass as to not collapse.It helps! #Palestine #Ferguson
— مريم البرغوثي (@MariamBarghouti) August 14, 2014
Tadidiko fa rehefa tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso aho, zatra mampatsiahy ny tenako aho fa mandalo ihany ity fanaintainana ity mba tsy handavo ahy. Manampy izany! #Palestine #Ferguson
Rajai Abu Khalil, Palestiniana dokotera sy mpiara-manorina ny “Mpitsabo hoan'i Palestina” nisioka hoe :
Dear #Ferguson. The Tear Gas used against you was probably tested on us first by Israel. No worries, Stay Strong. Love, #Palestine
— Rajai abuKhalilرجائي (@Rajaiabukhalil) August 14, 2014
Ry namana #Ferguson. Efa nandraman'i Israely taminay voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso ampiasaina aminareo. Aza manahy, Mahereza. Am-pitiavana, #Palestine
Don't Keep much distance from the Police, if you're close to them they can't tear Gas. To #Ferguson from #Palestine
— Rajai abuKhalilرجائي (@Rajaiabukhalil) August 14, 2014
Aza mifanalavitra be loatra amin'ny polisy, raha eo akaikin'izy ireo ianao, tsy afaka mitifitra baomba mandatsa-dranomaso izy ireo. Hoan'i #Ferguson avy amin'i #Palestine
It is always, the oppressed caring for the oppressed. No matter where in the world. #Palestine stands with #Ferguson
— Rajai abuKhalilرجائي (@Rajaiabukhalil) August 14, 2014
Matetika ireo nampahoriana ihany no manampy ny ampahoriana. Na aiza na aiza manerantany. #Palestine miaraka amin'i #Ferguson
Mpanolotra fandaharana ao amin'ny Al-Jazeera iray antsoina hoe Wajahat Ali mahita ny firaisankinan'i Palestiniana ho porofo fa ratsy ny toe-raharaha ao Ferguson.
You know it's a bad situation when the people of #Gaza are empathizing with you and seeing parallels. #Ferguson
— Wajahat Ali (@WajahatAli) August 14, 2014
Fantatrao, ratsy ny toe-draharaha raha miombona alahelo miaraka aminareo sy mahita fitoviana amin'izany ny mponin'i #Gaza
Mahasanganehana tokoa ny fifandraisana amin'i Palestina. Trita Parsi, Iraniana-Amerikana mpikatroka sy mpanoratra, sady filohan'ny Filankevi-pirenena Iraniana-Amerikana nizara ny fanambarana navoakan'ny Lehiben'ny polisin'i Ferguson hoe efa niofana momba ny “fisorohana ny fanafihana mampihorohoro” tao Israely izy [lehiben'ny polisy].
Wondering why the excessive police violence? Here's a guess: #Ferguson police chief got training in Israel… #Gaza pic.twitter.com/RxEznr8cGP
— Trita Parsi (@tparsi) August 14, 2014
Manontany ny anton'ny herisetra tafahoatra ataon'ny polisy ianao? Ity antony iray : efa nanaraka fiofanana tao Israely ny lehiben'ny polisy ao #Ferguson …
Tsy nandalo fotsiny ny firaisankinan'ny Palestiniana amin'ny vahoakan'i Ferguson. Nisioka sary roa mampiseho ny fitoviana eo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Gaza sy Ferguson ilay Amerikana mpikatroka Twitter ‘Faithful Black Man’. Naneho hafaliana izy avy eo raha nahare ny vahoakan'i Ferguson miventso hoe “Afaho i Gaza”.
Ferguson and Gaza pic.twitter.com/VyoOMH6jtH
— Faithful Black Man (@CountOnRodney) August 14, 2014
Ferguson sy Gaza pic.twitter.com/VyoOMH6jtH
The fact Gaza tweeting to the people in Ferguson how to stop tear gas and Ferguson crowd chanting “Free Gaza” is amazing
— Faithful Black Man (@CountOnRodney) August 14, 2014
Mahatalanjona ny mahita an'i Gaza misioka hoan'ny mponin'i Ferguson mikasika ny fomba hanakanana ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny vahoakan'i Ferguson miventso hoe “Afaho i Gaza”
Mpanoratra gazety monina ao Palestina Dalia Hatuqa, nisioka lahatsary misy ireo mpanohana an'i Ferguson mihiaka hoe “Andeha hitifitra anay ve ianareo? Gaza angaha aty?” :
Protester in #Ferguson shouts out to cops, “You gonna shoot us? Is this the #Gaza Strip?” http://http://t.co/xeSxege6rU (via @mattdpearce)
— Dalia Hatuqa (@DaliaHatuqa) August 14, 2014
Mitabataba amin'ireo polisy ny mpanao fihetsiketsehana ao #Ferguson, “Hitifitra anay ianareo? Any Gaza angaha izahay? http://http://t.co/xeSxege6rU (tao amin'ny @mattdpearce)
Tsara marihintsika fa maro amin'ireo sary voalaza fa mampiseho ny mponin'i Gaza mamerina manipy baomba mandatsa-dranomaso any amin'ny polisy sy ny tafiky ny fibodoana no nalaina avy tao Morondrano-Andrefana. Araka ny fanamarihan'ny mpampita-vaovaon'ny Al Jazeera Mohammad Alsaafin, fa ny baomba mandatsa-dranomaso olana bitika indrindra hoan'ny mponin'i Gaza :
I doubt anyone in Gaza is tweeting Ferguson how to deal w teargas. More likely in West Bank. Gazans can give you advice on F16s & artillery.
— Mohammad Alsaafin (@malsaafin) August 14, 2014
Misalasala aho hoe ny olona ao Gaza no misioka hoan'i Ferguson hanoherana ny baomba mandatsa-dranomaso. Angamba kosa ao Morondrano-Andrefana kokoa no izy. Toro-hevitra amin'ny F16 sy ny basy aman-tafondro no azon'ny mponin'i Gaza omena anao.