Nisy vondrona facebook misokatra hoan'ny rehetra antsoina hoe “Be Cool” (Mba mahafinaritra – Milamina) namoaka lahatsary tamin'ny 30 Aogositra ahitana Afghàna roa nahavita ilay hetsika malaza amin'izao fotoana izao antsoina hoe ice-bucket challenge (Haika Fanondrahana rano mangatsiaka) ho fitadiavana filaminana politika. Mametraka kizo politika ao amin'ny firenena ankehitriny ireo kandidà nirotsaka hofidiana filoham-pirenena, Abdullah Abdullah sy Ashraf Ghani hatramin'ny 7 Jolay, raha nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena lazaina fa nanjakan'ny halabato goavana i Ghani. Ao anatin'ny fotoana fanamarinana ny latsabato niato noho ny fialan'ny mpanaramaso avy amin'ny Abdullah ao amin'ny vaomiera mpanao ny fanamarinana, nangataka tamin'izy roa lahy mpanao politika ireo mamon'ny rano mangatsiaka mba hanaiky izay ho valin'ny fanamarinana – na inona na inona mety ho valiny – mba hitombina ny fahefana ary ho voaantoka ny famindram-pahefana ara-pomba demokratika voalohany eo amin'ny tantaran'ny repoblika. Efa anjatony ireo mizara ny lahatsary hatramin'izay fotoana izay.
Ialohavan’ ity hafatra an-tsoratra nosoratan'i Wahid Rahimdil ity ny horonantsarimihetsiky ny pejin'ny vondrona :
We are fed up with the current political uncertainty of our country. We ask our leaders to accept the results of the second round while keeping it cool. We give this challenge to all Afghans and encourage them to make the same demand! We hope you like our take on the Ice Bucket Challenge! Wa hamesha Khoonsard bashed! Enjoy!
Leon'ny sahotaka politika misy ankehitriny eto amin'ny firenenay izahay. Mangataka amin'ireo mpitarika izahay hanaiky izay ho valim-pifidianana amin'ny fihodinana faharoa ary mba hilamina. Manao ity fanamby ity hoan'ny Afghàna rehetra izahay ary mandrisika azy ireo mba hanao izany fitakiana izany ihany koa! Manantena izahay tianareo ilay fihaikana amin'ny rano mangitsy nataonay! Wa Hamesha Khoonsard bashed! Ankafizo!
Nahasarika fanehoan-kevitra manohana avy amin'ireo Afghàna maro hafa ny lahatsarin'i Wahid Rahimdil :
Be cool Wahid Jan. John Kerry does not have to come again. I hope they [Abdullah Abdullah and Ashraf Ghani] listen to you.
Milamìna ry Wahid Jan a. Tsy mila miverina indray i John Kerry. Mino aho fa mihaino anao izy ireo [Abdullah Abdullah sy Ashraf Ghani].
Masood Babak naneho hevitra hoe:
Great idea Rahimdil saib. Teaching the basics of leadership in a short phrase “khoonsard bashid” [Be cool].
Hevitra tsara ry Rahimdil saib. Mampianatra ny fototry ny fomba fitarihana ao anaty fehezanteny fohy “khoonsard bashid” [Milamìna!].
Ilay fanondrahana amin'ny ranomandry indray no tsy ankasitrahan'ny mpanohana ny hetsika. Saïd Osmani nanoratra hoe:
اين كارها ديوانه كي است اين چي كار است كه شما انجام ميديد
Hetsika tsy misy dikany fa hadalana fotsiny.
Izay novalian'i Mir Hasibullah hoe:
!!خونسرد باش برادر عزیز
Milamìna ry rahalahiko!
Nitsikera ity hetsika ity i Tareq Osmani, hoy izy:
Wow, Its THE ALS Ice Bucket challenge. The main purpose is to simulate how you feel when you have ALS. Its not the Cold-Blooded challenge. get it right
Oa! ALS Ice Bucket challenge indray ity. Ny tanjona voalohany indrindra dia ny manao ny fihetsiky ny olona rehefa tratran'ny ALS. Tsy fihaikana ataon'ny mangatsia-drà ity. Ataovy amin'ny tokony ho izy izany
Ny fandavan’i Amanullah nouristani:
Mr. Tareq Osmani, This is not the ALS Bucket challenge. This is a localized version relevant to your own issues. We don't want people to be “cold-blooded” we want them to be cool which is a totally different thing. I salute your support for the ALS foundation but we have far greater issues that need urgent interventions. Khoonsard Bashed! [Be cool!]
Andriamatoa Tareq Osmani, Tsy ALS Bucket challenge ity. Fa endrika natao hoan'ny firenena mifanaraka amin'ny olanao manokana. Tsy tianay ho “mangatsia-drà” ny vahoaka fa tianay hilamina izay zavatra hafa tanteraka. Mankasitraka ny fanohananao ny fikambanana ALS aho saingy manana olana goavana lavitra isika izay mila vahana haingana. Khoonsard Bashed! [Milamìna!]
Avy amin'ny antokon'i Abdullah Abdullah no mahatonga disadisa ara-politika amin'izao fotoana. Saika nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny fihodidina voalohany ilay dokotera teo aloha sady mpiady mpanohitra avy ao amin'ny Firaisankinan'i Avaratra, saingy nitsimbadika izany fitarihany izany tamin'ny fihodidina faharoa. Tamin'ny 27 Jiona, namoaka fandraisam-peo ny ekipany izay nilazan'izy ireo fa natao hahazoan'i Ghani vahana ny porofon'ny hosoka tamin'ny fandatsaham-bato rehefa natao indray. Niala an-daharana tamin'ny fanamarinana ataon'ny Firenena Mikambana tontosaina amin'izao fotoana izao i Abdullah, nilaza ny ekipany fa “banga” ny fanamarinana. Ny fotoana nialàna io no nampiakatra ny disadisa izay niteraka ny Be Cool challenge [Fanambin'ny Milamìna].
Raha efa nangoron'entana sahady i Karzai ary vonona handao ny lapam-panjakana, mbola tsy tonga ny mpisolo toerana handray ny andraikiny. Araka ny filazan'i John Kubis, solontena manokan'ny firenena mikambana ao Afghanistana, amin'ny 10 Septambra no hambara izay ho mpandresy amin'ny fifidianana.