· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2011

Jordania: Fanehoan-kevitra noho ny fanalàna an'i Ben Ali avy amin'ireo ‘Jordaniana Tezitra’

Ry zareo Jordaniana, izay nanao ny "Andron'ny Hatezeran"-dry zareo tamin'ny andro nandosiran'ny Filohan'i Tonizia, Zine El Abidine Ben Ali, ny fireneny taorian'ny fanoherana efa naharitra am-bolana maro, dia naneho hevitra an-karavoana nandray ilay vaovao. Ry zareo koa dia manohitra ny sondro-bidy sy ny adin-tsaina ateraky ny ara-toekarena tsy mandroso tsy mihemotra.

Nisy niditra an-tsokosoko ny Twitter sy vohikala ofisialin'i Korea Avaratra

  12 Janoary 2011

Nisy fanafihana amin'ny aterineto nipoaka teo amin'i Korea Atsimo sy Korea Avaratra. Natomboky ny mpampiasa aterineto Koreana Tatsimo iray namoaka tononkalo manevateva mikasika ny fianakavian'i Kim tao amin'ny vohikala ofisialin'ny Korea Avaratra Uriminzokkiri, ary dia novalian'i Korea Avaratra tamina fanafihana DDOS. Androany, dia namely ny kaonty twitter ofisialin'i Korea Avaratra ireo piraty.

Korea Avaratra: Mitombo ny Fitarainan'ny Vahoaka

  11 Janoary 2011

(Ny rohy dia amin'ny teny Anglisy sy Koreana) Nitatitra ireo teratany Koreana Tavaratra fa ao anatin'izao olan'ny tsy fahampian-tsakafo izao ary ny fifandimbiasan-toerana efa an-dàlana, maro ny vahoaka Koreana Tavaratra no mandefa ny tarainan-dry zareo mikasika ny fianakaviana Kim, hoy ny Daily NK manoratra [ko], Koreana Tavaratra iray monina ao ...

Rosia: Jery todika ny aterineto 2010

Nanasongadina fironana manan-danja maro ny aterineto Rosiana ny taona 2010. Nitombo haingana niaraka tamin'ny olona nahazo vaovao malaky amin'ny aterineto sy tena mavitrika amin'ny fampiasana tambanjotra sosialy ny mpanaraka amin'ny aterineto. Amin'ny lafiny maro, dia nitondra fankatoavana ny tanjaky ny aterineto teo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny taona 2010.