Ny fanoherana tao Tonizia naharitra am-bolana maro noho ny olana ara-toekarena sy ny fanitsakitsahana ny zo, nitarika hatramin'ny fandosiran'ny Filoha Zine El Abidine Ben Ali niaraka tamin'ny fianakaviany ho any Arabia Saodita, nametraka ho eo amin'ny toerany ny Praiministra Mohammad Ghannouchi. Io andro io ihany, dia nanao ny “Andron'ny Hatezeran”-dry zareo ny Jordaniana, manohitra koa ny sondro-bidim-piainana sy ny adin-tsainy manoloana ny ara-toekarena tsy mandroso tsy mihemotra. Raha vao nandre ny fialàn'i Ben Ali, naneho hevitra an-karavoana ireo Jordaniana. Mahmoud Lattouf nanoratra hoe:
Ashraf Shakah faly tsy nisy toy izany:
tsy islamika na Farany havia, tsy natosiky ny “Tandrefana” na novolavolain'ny CIA, fa tsotra fotsiny #Tonizia #Afaka #SidiBouzid
Ny hafa tonga dia nampifandray ny zava-nitranga tao Tonizia amin'ireo sisa any amin'ny tontolo Arabo. Wael Attili niteny:
Anatra avy amin'ny tantara: Leo hadalàna!! Ho an'ny fanjakàna Arabo rehetra, raha mampanantena fanavaozana ianareo, tsara ho anareo ny manatanteraka an'izay. #Tunisia #Arab
Ary ny hafa mampifandrohy mazava tsara ny zava-nitranga amin'izay misy any Jordania, amin'ny fakàna ho ohatra ny Praiministra Jordaniana Samir Al-Rifai. Ao anatin”izay, tsy mangataka ny hanovàna ny fitondran'olon-tokana ireo Jordaniana mpampiasa twitter, fa fijerena bebe kokoa ny resaka fisondrotam-bidy, ary amin'ny zavatra sasany, fanovàna ny governemanta tarihan'i Al-Rifai:
Bin Ali azonao entina miaraka aminao ve i samir alrifai azafady ? #angryjordan #betterjordan #jo #amman
Hana Al-Moghrabi nanoratra:
@forbes19 nànana ny andron'ny hatezeranay izahay teto Jordania. Satria Eny tezitra izahay. Miova ny endrik'i MENA ( Middle East and North Africa – Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra) #JO #AngryJordan #Tunisa no fiantombohany
Yassar Burgan nanentana mba ho mailo:
aoka isika tsy ho entin'ny fikoropahana ka hanafangaro zavatra! Lalaina sy hajaina ny fahaiza-mitarika ao #Jo . Manerana izao tontolo izao ny fahasahiranana ara-toekarena.
Hoy izy nanampy:
@LahibBaniSakher Tsy afaka hangataka fanampiana misimisy kokoa sy hetra ambany ny vahoaka raha toa ka voafetra ny loharanon-karen'ny firenena. #Jo tsy ho i #KSA @octavianas
Fanehoan-kevitra iray hafa mikasika ny fanovàna ny governemanta ao Tonizia no avy amin'ny Mpanjakavavy Rania al-Abdullah, izay nandefa tweet hoe:
Mijery akaiky ny fivoaran-draharaha any #Tunisia ary mivavaka ny mba hisian'ny fitoniana sy filaminana ho an'ny vahoakany.
Mitohy manaraka ny resaka ao amin'ny twitter momba ny #sidibouzid ry zareo Jordaniana (fandrakofana ny zava-mitranga ao Tonizia), sahala amin'ny fanarahany ny tenifototra #angryjordan izay azy ireo manokana.