Ejipta: Voasakana ny Twitter raha mbola mitohy kosa ny fihetsiketsehana

The blocked Twitter page

Ilay pejy Twitter voabahana rehefa manandrana miditra amin'ny Twitter ny Ejiptiana

Nanao dingana iray indray i Ejipta amin'ny adiny amin'ny Aterineto, ary dia nanapaka ny fifandraisana amin'ny finday any amin'ireo faritra nambara fa hifamorian'ireo mpanohitra an'arivony androany mandritra ny Andron'ny Revolisiona. Ny tanjona dia toa hifehezana ireo andiana mpanao fihetsehana sy hanakendana ny hetsika.

Niitatra nanerana ny firenena ny fanehoan-kevitra androany, miaraka amina antso hamaranana ny 30 taona nitondràn'ny Filoha Hosni Mubarak, kolikoly, fitotongan'ny teokarena sy fitakiana maro samihafa. Ny resaka momba ny hetsika sy ny toerana hifamoriana dia nambara tamin'ny alalan'ireo tranonkalan-tambajotra sosialy, ahitàna ireo tranonkala fitorahana bilaogy kiritika, Twitter, izay nobahanan'ny manampahefana.

Ny sivana toy izany dia niteraka hatezerana teo amin'ireo mafàna vo, indrindra indrindra fa ity no voalohany indrindra tamin'ny tantaran'i Ejipta nisian'ny sivana henjana be nampiasaina hanampenam-bava ny vahoaka eo anivon'ny aterineto. Ity fepetra ity mampahatsiahy ny sivana maizina mivaivay napetrak'ilay lehilahy Toniziana matanjaka voaroaka tao, Zeine El Abidine Ben Ali, nampanginana ny aterineto tatsy Tonizia, fitroarana izay nanome tsirin-kevitra ho ana vahoaka Arabo an-tapitrisany.

Avy ao Cairo, mandefa tweet i Eman Hashim:

nobahanan'ny fitondran'i mubarak ny fidiranay amin'ny  aterineto. aelezo ny feo. voafandrika izahay #25jan

Hoy izy manampy:

Voasakana izao ny Twitter ho an'ny DSL any an-trano ary tsy ho ela ny an'ny finday. voafandrika izahay

Mohamed ElGohary manampy:

VOASAKANA NY TWITTER ETO EJIPTA #Jan25

Ary  Alaa Abd El Fattah dia tezitra mafy ka mikiaka hoe:

fampahatsiahivana TSY MISY MIHITSY NA INONA NA INONA AO ANATY LALANA EJIPTIANA MAMELA HISAKANA TRANONKALA. na andalana iray aza, nanaraka baiko tsy ara-dalàna ireo ISP (Mpanome Tolotra Aterineto

Rami Raoof manolotra làlana iray handinganana ilay fibahanana:

ry mponin'ny aterineto ao #Egypt- raha te-hiditra amin'ny  Twitter.com & Bambuser.com dia sintony ny TOR ao amin'ny http://torproject.org #Jan25

Toa sahala amin'ny tratra ihany koa ny antso an-tariby.

Sally Sami mitatitra:

Vao avy niala ny tahrir square aho. nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso ary tsy misy miasa ny ankabeazan'ny findy rehetra #jan25

Ary manampy hoe:

Tapaka ny tambajotran'i Mobinil izay eto amin'ny tahrir square #jan25

Ary ireo tranonkalam-baovao koa dia voasivana, mba hanakanana ny vaovao momba ilay hetsika tsy hiparitaka.

Jordanian Tololy manamarika:

Dostor.org (tranonkalam-baovao tsy miankina nandrakotra mivantana ny hetsiky ny #Jan25 ) dia voasakana fanindroany indray eto Ejipta #Egypt #ArabProtest

Ary i Suad Al Subaie manampy:

Sarin'i Husni Mubarak rovidrovitina imasom-bahoaka. 100+ voasambotra. fantsom-pahitalavitra 3 lehibe nampitandremina tsy hanao fandrakofana #Egypt #jan25

Ho an'ireo fivoaran-draharaha misimisy kokoa ao Ejipta, araho ny tenifototra #Jan25

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.