Miezaka miady amin'ny fanohintohinana ny mpiseran'ny media sosialy ao Pakistan — fa hanao ny anjarany ve ny andrim-panjakana?

“Tsy hangina intsony.” Fihetsiketseham-panoherana nataon'i Eunice McFarling avy ao amin'i US Air Force, ho ao anatin'ny volana fanairana sy fisorohana ny fanafihana ara-nofo tamin'ny Aprily 2016. Saripikan'i Denise M. Nevins, navoaka ho azon'ny rehetra ampiasaina.
Any amin'ny ankamaroan'ny firenena manerana izao tontolo izao, olana taloha ny fanorisorenana mifototra amin'ny mahalahy na vavy. Saingy amin'ny vanim-potoana nomerika, amin'ny hetsika ara-tenirohy toy ny #MeToo, sy ny sehatra media sosialy izay afa-miofo ho vaovao malaza ao anatin'ny fotoana fohy ny porofon'ny fanorisorenana, dia toa miova ny fifandanjan-kery eo amin'ny mpanorisory sy ny lasibatra.
Avy any Pakistana ny ohatra iray vao haingana izay ahitana lahatsary iray mampiseho lehilahy iray manorisory vondrom-behivavy iray lasa nalaza haingana tao amin'ny Facebook sy Twitter, nitarika fanamelohana ampahibemaso ary farany tamin'ny fisamborana azy.
Tamin'ny taona 2016 tany amin'ny Lemak'i Kalash, any amin'ny faritr'i Chitral ao avaratr'i Pakistana, nanomboka nanjohy vondrom-behivavy iray i Aimal Khan ary naka lahatsary azy ireo tamin'ny findainy. Nanao fanehoan-kevitra manivatsivaka amin'izy ireo izy ary tsy mitsahatra ny nangataka azy ireo hiara-maka sary aminy, na dia eo aza ny fandàvana sy ny fandrahonana amin'ny filazana azy any amin'ny polisy. Nanambara i Khan fa polisy izy tenany.
Na dia tsy mazava aza ny fotoana nanaovana ilay horonantsary, nandefa azy tao amin'ny YouTube i Khan tamin'ny 19 Jolay 2016. Roa taona taty aoriana, pejy Facebook iray antsoina hoe ‘ Islamabadians ‘ no namoaka ilay lahatsary tao amin'ny vohikalan'ny tambajotra sosialy ary lasa nalaza. Nanomboka nanapaingotra ny polisy ny olona, ary nandrisika azy ireo hisambotra ilay lehilahy. Namaly ny polisy Chitral tamin'ny 19 Jona 2018 fa te hahita ny toerana misy azy.
Mandritra izany fotoana izany, nisy lahatsary hafa nipoitra nahitana an'i Aimal Khan niala tsiny noho ilay raharaha. Ny 22 Jona, nosamborin'ny polisin'i Chitral izy, izay nandefa polisy vehivavy hanatanteraka ny fisamborana. Nanazava ihany koa ny polisy fa tsy polisy araka ny efa nambarany taloha i Khan.
Tamin'ny aterineto, naneho fanohanana ny fisamborana ireo olona.
Proud to see a lady constable with full traditional dress cuffing the guy who was involved in a ladies harassment case in chitral Pakistan.#womenpower #ChitralPolice #kpkpolice #GAPakistan https://t.co/N0fNQPmpTc
— King Khan (@BadshahSindhi) June 22, 2018
Manana hambom-po mahita vehivavy ao anatin'ny fitafiana nentin-drazana mametaka rojovy ilay zatovolahy voarohirohy tamin'ny raharaham-panohintohinana vehivavy tao Chitral Pakistan
Aimal Khan, the person who harassed women in Kalash Valley, Chitral has been arrested by Chitral Police. Thanks to all those who stood with the marginalized women of Kalash valley and shared the vedio on social media. This is the power of social media. #stopwomenharrasment https://t.co/LXGpxQTU32
— irfanuddin (@irfanuddinbaba) June 22, 2018
Aimal Khan, ilay olona nanohintohina vehivavy tao amin'ny Lemak'i Kalash, Chitral nosamborin'ny polisin'i Chitral. Ankasitrahana ireo rehetra niara-nijoro tamin'ireo vehivavin'ny Lemak'i Kalash voatosika anjorom-bala
Saingy mbola maro ny fanontaniana, indrindra moa fa ny hoe lalàna inona moa izany no nampiasaina nahafahana nitazona an'i Khan an-tranomaizina.
Sir @ChitralPolice can I ask you a friendly question?
How was Aimal Khan arrested when there was no FIR against him by the actual victims?
Under what law? (Continued)
Cc: @JavedAzizKhan, @alibabakhel @DC_Chitral https://t.co/udfDgMn6lh
— Shahzad Khan (@shazadk) June 24, 2018
Atoa @ChitralPolice, afa-manontany zavatra am-pinamanana ve aho?
Ahoana no nisamborana an'i Aimal Khan raha tsy misy ny fitoriana (Tati-pampahafantarana voalohany) avy amin'ny lasibatra?
Tamin'ny lalàna manao ahoana? (tohiny)
Ankona ny maro rehefa navoaka taorian'ny fanoavana onitra i Aimal Khan. Miandry fitsaràna izy.
Niteny tamin'ny mpiandraikitra ny polisy ao amin'ny Distrikan'i Chitral Atoa Furqan Bilal ny Global Voices, ka nandrenesana hoe:
Aimal Khan was released on bail soon after as he was charged under a bailable Section of the Law. In the First Information Report Aimal Khan has been charged under Sections 354 (assaulting a female), 419 (cheating by personation), 294 (engage in obscene act in public places) and 341 (wrongful restraint) of the Pakistan Penal Code instead of Pakistan Electronic Cyber Act. His trial is to be held soon.
Navotsotra tamin'onitra i Aimal Khan fotoana fohy taorian ‘ny naha-voampanga azy tamin'ny ampahan-dalàna azo andoavan'onitra ahafahana. Tao amin'ny Tati-pampahafantarana voalohany i Aimal Khan voampanga tamin'ny fizarana faha-354 (fanohintohinana vehivavy), , 419 (famitahana olona), 294 (manao fihetsika vetaveta am-pahibemaso) ary 341 (fikirizana hanery) amin'ny Lalàna adiheloka bevava fa tsy amin'ny lalànan-tsibera elektronikan'i Pakistan. Hotontosaina tsy ho ela ny fitsarana azy.
Miahiahy amin'ireo lalàna ampiasaina amin'ny tatitra fampahafantarana voalohany ireo mpikatroka. Na dia misy aza ny lalàna fisorohana ny heloka bevava an-tserasera ananan'i Pakistana mahasahana ny fanohintohinana tahaka izao, ary mety azo nentina hiatrehana ny raharaha Khan, tsy nolaniana ny lalàna mandra-pahatonga ny volana aogositra 2016, ary efa nitranga izay nitranga tany Chitral talohan'izany.
Nighat Dad, manam-pahaizana momba ny lalàna sy ny teknolojia, mitantana ny Orina Mpanasoa Digital Rights tsy mitady tombony ary mandray anjara amin'ny Global Voices, nanazava tamin'ny Global Voices fa tsy manana lalàna voapetraka mialoha amin'ny lahatsary mifandraika amin'ny fanorisorenana ny fehezan-dalàna heloka bevava ao Pakistan.
Nolazain'i Dad ihany koa ny fandraisana anjaran'ny media sosialy tamin'ny fisamborana an'i Aimal Khan, manondro ny fiantraikan'ny fitarainam-bahoaka amin'ny raharaha sy ny mety ho fiantraikany amin'ny valintenin'ny polisy. Nanamarika izy fa “hafatra tsara ho an'ny vahoaka” ny fisamborana tsy misy hatak'andro, fa tokony ho any amin'ireo sampan-draharahan'ny fampiharan-dalàna sy ny rafitra ara-pitsarana no mitondra ny raharaha ary miantoka ny hanatanterahana ny rariny.
Tsy zava-baovao ny tranga toy izany. Tamin'ny volana Jolay 2017, nandeha tany amin'ny lemak'i Hunza tao amin'ny faritr'i Gilgit-Baltistan ao Pakistan mba hizaha tany i Meenah Tariq avy any Lahore. Notohintohinin'ny tovolahy sasantsasany izy teny an-dalana. Satria tsy fantany ny fomba handaminana fitarainana itoriana azy ireo, dia nalainy ny sarin-dry zareo ary nandefa fanentanana tao amin'ny media sosialy izay tsy ela dia niparitaka haingana izy.
Ao amin'ny raharaha Tariq, toa hita fa namaly tamin'ny fomba mafonja ny andrim-panjakana. Rehefa nahare ny zava-niainany ny mpanampy ny komiseran'i Hunza, Anas Goraya, dia nametraka laharana fanampiana tao Hunza hiatrehana ny raharaha toy izany.
Nizara ny valin'ny tantara tao amin'ny Facebook i Tariq , izay nilazalazany ny fahasarotan'ny mizara ny tantarany ety anaty aterineto — sy miaritra ny onjam-panorisorenana taorian'izany — sy ny fahatsapana valifaty niainany taorian'ny nahafantarany ny fisian'ny laharana fanampiana:
How many times have you been told it is useless to complain? It is useless to speak up, nothing will ever change? Here is proof that this isn’t always the case. Here is proof that we do need to keep speaking up about issues we face, having these conversations, sparking dialogue even when it’s difficult.
Impiry ianao no nilazana fa tsy ilaina ny mitaraina? Tsy ilaina ny miteniteny, tsy hisy na inona na na inona hiova? Ity no porofo fa tsy izany hatrany no mitranga. Ity ny porofo ilaintsika mba hitanenana hatrany amin'ny olana atrehintsika, hanaovana ireny resaka ireny, manao izay isian'ny fifanakalozan-kevitra na dia sarotra aza izany.
Famantarana tsara ny fisamborana an'i Aimal taorian'ny tabatabam-bahoaka tao amin'ny media sosialy. Nefa amin'ity tranga ity, mbola mitoetra ny fanontaniana: hanjaka ve ny rariny?
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...