(Marihina fa tamin'ny 15 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Bilaogera Toniziana sady mpikatroka i Lina Ben Mhenni ary nanoratra momba ny tontolon'ny bilaogy Toniziana ho an'ny Global Voices izy nanomboka hatramin'ny volana Oktobra 2008.
http://blip.tv/play/g80XgbbeBgA
Tamin'ny alàlan'ny famoronana vondrona Facebook sy ny bilaogy no nitarihany fanentanana momba ny raharaha mikasika ilay mpianatra Toniziana, Mohamed Soudani, izay nogadraina noho ny fanaovany antsafa niaraka tamin'ny fampitam-baovao.
Anisan'ny nanatrika ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo Faharoa izay natao tao Beirota, Libanona i Lina .