Tsikerain'ny Indiana Mpiserasera Ny Sivana Mihatra Amin'ny Vontoaty “”Jihadista”

Mock-up of a blocked URL

Endriky ny rohy (URL) nakatona (Sary: Subhashish Panigrahi, CC-by-SA 3.0)

Nangataka tamin'ireo mpanome tolotra Aterineto (FAI) ny governemantan'i India tamin'ny faran'ny herinandron'ny taona 2014 mba hanakatona habaka miisa 32, anisan'izany ny mpampiantrano habaka Github, ny habaka mpandefa lahatsary mivantana Vimeo sy Dailymotion, ny tahirintsoratra antserasera Internet Archive, ny habaka mpampiantrano rindrambaiko misokatra Sourceforge sy ireo habaka maro hafa lazaina fa mampiantrano votoaty mankahala an'i India (anti-India) avy amin'ny vondrona extremista maherisetra fantatra amin'ny anarana hoe ISIS.

Notsikeraina mafy tao amin'ny media sosialy sy ny bilaogy ny fanakatonana faobe ireo habaka mavitrika feno loharanom-baovao tamin'ny alalan'ny famelomana indray ny diezy twitter #GoIblocks izay nahomby teo aloha tamin'ny fanoherana ny sivana aterineto nataon'ny governemanta.

Adala! Nanome baiko fanakatonana habaka 32 ny governemanta, ka anisan'izany ny: @internetarchive @vimeo @github @pastebin #censorship #FoEx pic.twitter.com/F75ngSGohJ

Nikhil Pahwa ao amin'ny MediaNama nanamarika fa tamin'io fotoana io, Mpanome Tolotra ATerineto (FAI) marobe no namoaka ny lisitr'ireo habaka nakatona:

Typically, users are not informed about which websites are blocked, so this was a welcome move from the ISP.

Amin'ny ankapobeny, tsy nampandrenesana mikasika izay habaka nakatona ireo mpiserasera, ka hevitra tsara avy amin'ny FAI ity.

Say No to Censorship. #GOIBlocks

“Tohero ny Sivana. #GOIBlocks” (nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Free Software Foundation, Tamil Nadu)

Tamin'ny taona 2012, nisioka nanohitra ny fanakanana rohy [URL] tamin'ny fitondran'ny Kongresim-pirenena Indiana teo aloha ny lehiben'ny antokon'ny mpanohitra Narendra Modi (izay efa lasa Praiminisitr'i India ankehitriny) raha nanome baiko fanakatonana habaka 300 ny Minisitry ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana Kapil Sibal. Maro ireo mpanara-baovao akaiky nampiaka-peo raha namerina indray izany fihetsika izany i Modi.

Toy izao ny siokan'ny Praiminisitra @narendramodi raha nanakatona ireo habaka ny governemantan'ny UPA

Nitombo ny fanasivanana aterineto tao India nanomboka ny taona 1999 raha nakaton'ny Videsh Sanchar Nigam Limited noho ny fomba fijery mankahala an'i India taorian'ny Adin'i Kargil nataon'ny gazety Pakistaney Dawn. Niteraka tsikera goavana avy amin'ny mpiserasera izany, indrindra tamin'ny fampiasana diezy  #IdiotKapilSibal. Nanomboka teo, niha-maro ireo trangan-tsivana navoakan'ny governemanta fanelanelanana, indrindra tamin'ny fampiharana ny Lalàna 2000 mifehy ny Tekolojiam-baovao ao India.

Nisioka i Arvind Gupta, lehiben'ny Teknolojiam-baovao ao amin'ny Antokon'ny fitondrana Bharatiya Janata ao India fa nakatona ireo habaka noho ny toro-hevitra avy amin'ny vondrona antiterôrista.

Noho ny toro-hevitra avy amin'ny Vondro-tadika antiterôrista no antony nanakatonana ireo habaka ireo, izay nahitana vontoaty manohitra an'i India avy amin'ny ISIS. 1/2

Rehefa avy nanaiky nanaisotra ny vontoaty mankahala an'i India nalefan'ireo kaonty voalaza fa manana fifandraisana amin'ny ISIS ny weebly.comvimeo.comPastebindailymotion.com ary ny gist.github.com dia navela hisokatra indray.

These websites have undertaken not to allow pasting of such propaganda information on their website and also work with the government to remove such material as per the compliance with the laws of land.

-  Ministry of Communications and Information Technology, Government of India (posted in Business Standard)

Nandray fepetra tsy hamela ny hanaovana dika-petaka ny fampielezan-kevitra manahirana tahaka izany ao amin'ny habakany ireo habaka ireo ary miara-miasa amin'ny governemanta ihany koa amin'ny fanaisorana fitaovana tahaka ireny izay mifanarana amin'ny fanajana ny lalànan'ny tany.

  -Minisiteran'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana, Governemantan'i India (navoaka tao amin'ny Business Standard)

Noraisina ireo fepetra famahana ny hidy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.