Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy mba “hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny“.
Iray amin'ireo mpampiasa twitter tena mavitrika (@bzkdjc) amin'ny #civ2010, ny twitter tena miaina ho an'ny Fifidianana Ivoriana, no nanome anarana ilay hetsika hoe “Mpanohitra miaraka amin'ny tanam-polo”:
“Mon 2010è tweet pour #civ2010: MARCHEURS AUX MAINS NUES nous serons ce jeudi. Sans violence, ns ne ferons que marcher.”
Efa naparitaka eran'ny firenena io fanoherana io tamin'ny alalan'ny telefaonina sy ny Gazety Mpivoaka isan'andro eo an-toerana. Ny radio piraty FM 105.1 ( Radio Liberté ), nalefa avy ao amin'ny Hôtel du Golf, toerana ifaharan'ny governemantan'i Ouattara amin'izao fotoana dia mampahafantatra ny mponin'i Abidjan mikasika ny lalan'ny harahan'ny hetsika. Omaly, raha tonga tany amin'ny fahitalavitra nasionaly ny Manam-pahefana mikasika ny haino aman-jery ao amin'ny governemantan'i Côte d'Ivoire (CNCA), dia nilaza fa ho henjehina ireo izay manaparitaka amin'ny fampielezam-peo ary nanonona ny fampielezam-peo amin'ny mariky ny onjam-peony marina, hoy ny mpampiasa twitter eo an-toerana (@Sanders225) mitsikera (fr) amin'ny fomba mahatsikaiky:
” Sans le savoir, la #RTI et le CNCA donnent des auditeurs à la radio RHDP sur les105.1 FM #civ2010 “
“Tsy hitan'izy ireo akory hoe manosika ny mpihaino fampielezampeo ho any amin'ny RHDP (Antokon'i Ouattara) izy ireo amin'ny alalan'ny fanomezany ny halavan'onjam-peo 105.1 FM #civ2010″
Hanomboka ao amin'ny Hôtel du Golf ny hatsika, ary hifarana ao amin'ny Biraon'ny Radio Televiziona Ivoariana (RTI), ny hany TV nasionaly tokana mandeha any Côte d'Ivoire izay heverina ho haino aman-jery manohana an'i Gbagbo.
Nanoratra ity lamim-potoana ity i Claudius Richmond, mpampiasa twitter Ivoariana mipetraka any Afrika Atsimo (@cjrichie007 ) aninkeheo maraina:
” #NowPlaying Sors De Ma Télé @TIKENJAHFAKOLY dédié à Brou Amessan rdv dm1 à la maison “bleue”#civ2010“
Ny Filaminana no teny filamatra
Eo amin'ny #civ2010, ny “Filaminana” no toa teny filamatra.
Sahala amin'ny namana mpampiasa twitter @bzkdjc, manasa ny Ivoariana rehetra ny mpampiasa twitter @toustoutes ho eo amin'ny Twitter handefa lahatsoratra eo amin'ny #civ2010 asiana ny fomba fiteny hoe “Marcheurs aux mains nues” amin'izay ny haino aman-jery mba hanely ny teny fa tsy misy herisetra ny hetsika fanoherana. Ny tanjona amin'izy ity ihany koa dia ny hampitandremana ny tafika miaramilan'i Gbagbo amin'ny tsy hampiasany ny fitaovam-piadiana amin'ireo mpanao fihetsiketsehana:
#civ2010 Utilisez largement les termes “MARCHEURS AUX MAINS NUES”, ça interdit aux FDS le recours à la violence.
Raha mijery ny didy mikasika an'i Kenya navoakan'ny Fitsarana Heloka Bevava iraisam-pirenena farany teo (ICC) , dia milaza i @PaixCIV (dika ara-bakiteny Fiadanana Côte d'Ivoire) :
“#civ2010 Pas d'appel à violence, Souvenez-vous TPI vous surveille. Personne ne tirera sur personne sur ce fil. Ni ailleurs non plus j'espère.”
Na dia ezaka lehibe aza no natao hiantohana ny rivo-pilaminana teo amin'ny tontolon'ny Twitter, misy ihany ny sasany izay maneho tahotra fa sao dia miharatsy ny toe-draharaha amin'ny Alakamisy. Mety hisy olona hilaza fa napetraka teo amin'ny #Civ2010 ny famerana araka ny tokony ho izy ny resaka mba hisorohana ny fiparitahan'ny tsaho: Mamaly an'i @Ivoirevox, izay nilaza fa mety hitsofohan'ny mpikarama an'ady mitam-piadiana ilay hetsika izay mety hitifitra any amin'ny FDS, manoratra izao i @Koneissa:
“@ivoirevox : Stp idiot, ta propagande communiste tu peux la faire ailleurs.Ici, on dévéloppe des arguments.#civ2010“
Tsy misakana ny olona hatahotra ny ho fisian'ny fihoaram-pefy izany. Mampitandrinai @dogothetrue, mpampiasa twitter sy mpanohana an'i Gbagbo teo aloha:
“#civ2010 que Dieu ns donne de voir lundi 20. Qui vivra Vera. Pitié pour toutes ces âmes qui risquent de disparaitre .”
Mba hanoherana ny fiantraikany mavesatra avy amin'ny FDS, dia nandefa lahatsoratra lava izay ahitana sombin-tsosokevitra ho an'ireo hanao fihetsiketsehana i @gabnorev:
“Pour les lacrymogènes, un foulard imbibé de citron ou vinaigre permet de mieux respirer.”
Izao rehetra izao dia nanosika ny mpampiasa Twitter hametraka lamina hanaraha-maso ny hetsika.
Fanarahamaso ny hetsika avy amin'ny vahoaka
Ny sasany toa an'i Diaby Mohamed, mpitoraka bilaogy eo an-toerana ary iray amin'ireo mpanindrahindra ny famelomana ny #civ2010 dia manontany ny zavatra mety hapetraka handrakofana (hitaterana) ny hetsika, frantsay iray mafana fo, Emmanuel Letourneux, no manolotra hevitra:
“Twitter depuis des telephones portables et des photos et films pour identifier les fauteurs de troubles éventuels #civ2010“
Mitondra amin'ny sehatra wonzomai izany, nandamina seha-pifaneraserana hanarahamaso ireo fihodinana roa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny Ushahidi. Hampiasaina hanaraha-maso ny zavatra hitranga rahampitso ilay fitaovana satria (@jpehouman) iray amin'ireo mpanatanteraka dia manasa ireo Ivoariana namany hanao izany:
“pour reporter tt incident lié à la marche d demain en #civ2010 n'hésitez pas à utiliser @wonzomai http://bit.ly/f1U6xepr 1e large diffusion”
Fihetseham-po avy amin'ny lafin'i Gbagbo
I Abidjan.net no sangany amin'ny tranokalam-baovao amin'ny alalan'ny isan'ireo mpitsidika azy. Mampiantrano seha-pifaneraserana ara-politika ny vohikala, izay ahitana olona, miafina na tsia, tonga hiresaka.
Seplou (solon'anaran'i Gbagbo izay midika ara-bakiteny hoe vorona mpanazava any Bété), mpampiasa forum tsy mitonon anarana no manoratra hoe:
“La RTI est toujours à cocody elle vous attends à bras ouvert. Tous les candidats à la mort sont la bienvenue. Mais ne pleurnichez pas après hein! Soyez digne dans la douleurs car vous aurez la réponse des FDS! A bon entendeur salut ! (…) Chair à canon de Allase Ouattara, réfléchissez dêh!” “
Nyty, mpampiasa ny seha-pifaneraserana tsy mitonona anarana iray hafa, no mampitandrina:
“venez c'est la que votre petit gros devenu ministre de golf dougou va savoir que votre dramane est indesirable,on vous attends venez”