miora · Aogositra, 2012

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Aogositra, 2012

Arzantina: Fandalinana Vaovao Handinihana Ny Fiantraikan'ny Fampiharana Ny Fanaraha-maso Ny Aterineto Eo Amin'ny Zon'Olombelona

GV Mpisolovava  12 Aogositra 2012

Ny "Online surveillance: What does monitoring and detecting content on the Internet mean? / Inona no dikan'ny fanaraha-maso sy fitsongoana dia ny votoaty ety anaty Aterineto?" dia lahatsoratra vaovao fandinihana vaovao nataon'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Miteny sy ny Fahazoana Vaovao (CELE) ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo, Arzantina

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Sary Iray NataoTamin'ny Solosaina

GV Mpisolovava  10 Aogositra 2012

Efa nasehonay anao ny nahaverezan'ny Aterineto ny lanjany rehefa tsy misy fahalalahana miteny; sy ny fitakian'io zo io zavatra tsotra tahaka ny fisafidianana anaran-tsehatra. Izao dia atolotray ny sary iray vaovao vita tamin'ny solosaina avy amin'ny fanentananay #NoTemasaInternet [es] (Aza Matahotra Ny Aterineto) izay tianay hanehoana, amin'ny fomba tsotra sy manabe, ireo zavatra vitsivitsy azonao atao ao anaty Aterineto noho ny zonao amin'ny fahalalahana miteny.

Teny: Ireo Feo Mam Dizitaly Voalohany Indrindra

Rising Voices  10 Aogositra 2012

Any amin’ny Departemantan'i Quetzaltenango any Goatemalà, mbola mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny fiainana ambanivohitra andavanandro ny teny sahala amin’ny K'iche' sy ny Mam. Hitan’ireo Tranombokin'ny Riecken, izay nametraka ny tetikasa Xela Civic Libraries, ny maha zava-dehibe ny fihazonana ireo tenin-janatany ireo. Mirotsaka anatinà sahan’asa hamelombelomana indray ny teny Mam ireo mpikambana ao anatin’ity tetikasa ity, anisan’izany ny fampiasana ny horonam-peo.

Okraina, Rosia: Resabe Momba Ny Toerana Nahaterahan'Ireo Mpifaninana Amin'ny Lalao Olaimpika

Akon  05 Aogositra 2012

Tsara, fa tsy loharanom-baovao iray tena azo iankinana momba ireo mpikambana ao anatin'ny ekipa Rosiana teraka tany ivelany ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona. Nangataka fanitsiana, nanomboka fanentanana fanoherana amin'ny alalan'ny fanoratana taratasy ireo Okrainiana mpampiasa aterineto, ary na ny Minisitry ny Raharaham-bahiny aza dia tafiditra anatin'izany tamin'ny alalan'ny Twitter.

Londona: Mihoatra Lavitra Ireo Medaly Ny Fandresen'ny Bangladeshi

  01 Aogositra 2012

Teratany Bangladeshi dimy no any Londona handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika 2012. Tsy manantena ny hiverenan'izy ireo miaraka amin'ny medaly ireo Bangladeshi. Na dia izany aza anefa, tsy mifarana eto ny nofinofin'i Bangladesh amin'ny Lalao Olaimpika. Tsy ao anatin'ny kianja ny fandresen'izy ireo, fa ivelan'ny kianja.