Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika Any Londona 2012 ity lahatsoratra ity.
Baron Pierre de Coubertin, ilay mpamorona ny Lalao Olaimpika dia nilaza fa tsy ny fandresena no zava-dehibe amin'ny Lalao Olaimpika fa ny fandraisana anjara, tahaka ny hoe tsy ny fahombiazana no zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainana, fa ny fikirizana. Manaraka ny teniny i Bangladesh.
Nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika io firenena ao Azia Atsimo io hatramin'ny 1984. Nefa tahaka ny teo aloha, tsy manam-po ny hahazoan'ny mpifaninana Bangladeshi medaly amin'ny Lalao Olaimpika i Bangladesh.
Tsy afaka nandray anjara mivantana tamin'ireo fanatanjahantena atao anatin'ny hetsika ara-panatanjahantena goavana indrindra eran-tany i Bangladesh. Miaraka amin'ny fanampian'ny rafitra ‘wild card’ [bn] dia tonga any Londona ny ekipan'i Bangladesh handray anjara amin'ny Lalao Olaimpikan-dohataona 2012. Amin'ity indray mitoraka ity dia nahazo “wild card” ho anà lalao dimy i Bangladesh – atletisma, tifitra, lomano, zimnastika ary “tir à l'arc”. Efa-taona lasa izay nandritra ny Lalao Olaimpika tany Pékin, lalao telo ihany no afaka nandraisan'i Bangladesh anjara.

Lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012, Fampisehoana Hazavana sy Afomanga tany Tower Bridge. Sary an'i Jaki North. Copyright Demotix (27/7/2012)
Fantatr'ireo Bangladeshi fa mety tsy hahazo na dia medaly iray aza ny ekipany, nefa manantena ireo mpiandraikitra sy ireo mpilalao fa hanome ny tsara indrindra avy aminy izy ireo mandritra ny Lalao Olaimpika.
Raha mihevitra ianao fa ity no faran'ny nofinofin'i Bangladesh momba ny Lalao Olaimpika, dia diso ianao. Mandritra ny hetsika amin'ity taona ity dia nanao fahagagana tamin'ny fandraisana anjara avo kokoa, tsy ao anatin'ny kianja fa aty ivelany koa ireo Bangladeshis! Mety hanontany ianao hoe , “inona izany fahagagana izany?”
Namerina namoaka lahatsoratra irao ao amin'ny Facebook mitondra ny lohateny hoe “Before opening, London Olympics bring rare honor to Bangladesh”, na “Talohan'ny fanokafana, nanome voninahitra manokana an'i Bangladesh ny Lalao Olaimpika”, i Rezaul Karim ao amin'ny bilaoginà vondron'olona Somewherein.net. Manoratra izy [bn]:
Mpifindra monina Bangladeshi maro any Angletera no nandray anjara tanatin'ny fikarakarana ireo Lalao Olaimpika tamin'ity taona ity.
Ny Afo Olaimpika eny an-tànan'i Rukshana:
Olona manam-bintana valo arivo no nilanja ny afo Olaimpika manerana an'i Angletera, avy amin'ny toerana iray mankany amin'ny iray hafa. Tsy maintsy olona notsngaina manokana ireo nilanja ilay afo. Mpifindra monina Bangladeshi sivy any Angletera no nilanja ny afo tamin'ity taona ity nanangana tantara, ary iray amin'izy ireo i Rukshana. Ny 21 Jolay, nilanja ny afo Olaimpika izy ary nihazakazaka tany amin'ny faritr'i Greenwich. Tompon-dakan'ny kickboxing Britanika io tovovavy teratany Bangladeshi io.
Saiman Miah, nanao ny endriky ny vola vy an'ny Lalao Olaimpika:
Nisy vola vy £5 roa fahatsiarovana navoakan'ilay Britanika mpamokatra vola vy, Royal Mint. Ho an'ireo vola vy dia nalaina avy amin'izay nandresy taminà fifaninanan'ireo mpianatra haikanto sy fanaingoana manerana an'i Angletera. Saiman Miah, teratany Britanika-Bangladeshi no nandresy tamin'io fifaninanana io tanatin'ireo fandraisana anjara an'arivony. I Saiman dia mpianatra maritrano any amin'ny Anjerimanontolon'i Birmingham. Efa novidian'ireo mpankafy manerana izao tontolo izao io vola vy fahatsiarovana ny 2012 io.
Sougata priyam, zazakely mpanakanto tamin'ny lanonana fanokafana:
I Sougata Priyam dia zazalahikely miramirana sivy taona. Tsy vitan'i Minkashi Dasy renin'i Sougata, ny mampahalala azy ny halehiben'ny Lalao olaimpika. Nilaza i Sougata, “mpianatra 30 avy ao amin'ny fianaranay no handray anjara anatin'ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika. Manana namana maro aho ankehitriny, ka faly mandray anjara amin'ny famerenana.” Nilaza izy, tamin-toky: “mety mbola faly aho raha afaka hanao izay zavatra tiako.”
Ayesha Qureshi Mamirapiratra:
6 Jolay 2005 tamin'izay. Nihaona tany Singapore ireo Kaomity Mpikarakara ny Lalao laimpika (OCOGs) hanapahan-kevitra mikasika ny tanàna izay hampiantrano ny Lalao Olaimpika 2012. Izany ady nafotaka izany dia teo amin'i Londona sy Parisy. Isan'ireo mpikambana 11 avy ao amin'ny kaomity Olaimpika nanolotra an'i Londona ilay teratany Britanika-Bengali antsoina hoe Ayesha Qureshi.
Namaky ny fahanginana ireo ankizy 33 nipoitra teo amin'ny kianja. Ny zavatra nanamarika tamin'ireo ankizy ireo dia teratany Britanika izy ireo nefa nanana razambe any amin'ireo firenena 33 samy hafa eran-tany. Nampiseho ny tena lokon'i Londona manana kolontsaina maro sy ny karazany, manana teny maro samihafa izy ireo. Nahatalanjona ireo vahiny nanatrika izany lanonana izany io fampisehoana io, ary nahazo tsikim-pandresena i Londona tamin'ny fiodinana farany, nahazoany vato efatra mihoatra noho ny an'i Parisy. Hevitr'i Qureshi ilay fampisehoana ankizy 33 avy amin'ireo firenena samy hafa.
Nampahafantatra [bn] antsika ny mombanà Bengali iray hafa ny bilaogy Sobar, izay hambabo ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika miaraka amin'ny fampisehoany dihy:
Mpanao dihy mirindra amin'ity lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika ity ny teratany Britanika-Bangladeshi Akram khan. Zanakalahinà mpivady mpifindra monina avy any Bangladesh izy. Eo ambany fiadiadiany, mpandihy roa arivo sy iray alina no hampiseho ny talentany mandritra ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika.
Mandritra ny Lalao Olaimpika, hita ihany koa ny tsiron'i Bangladesh. Mitatitra ny gazety ao anaty aterineto Sylherter Alap [bn]:
Ny Sefo nahazo marim-pankasitrahana sady tomponà trano fisakafoanan'i Enam Ali, ny ‘Le Raj’ dia voafantina ho isan'ireo mpamatsy safako ofisialy mandritra ny Lalao Olaimpika. Ny ‘Le Raj’ dia trano fisakafoanana malaza sady mpanome sakafo curry any Epsom Downs, Surrey. Ankoatry ny curry, hikarakara sy hanome Iftar ho an'ireo vahiny Silamo any amin'ny Lalao Olaimpika ny ‘Le Raj’ [fanamarihana: ny Iftar dia sakafo hitsaharan'ireo Silamo amin'ny fifadian-kanina nandritra ny andro lavabe bifadiany hanina tao anatin'ny iray volan'ny Ramadany ho an'ny Silamo].
Tsy handroso sakafo an'ireo mpifaninana fotsiny ihany ny Le raj, fa ho an'ireo mpiasam-panjakana ambony, filohan'ny governemanta, minisitra, mpikambana ao amin'ny parlemanta sy ireo olo-manan-kaja maro. Hita miaraka amin'ireo sakafo hafa avy any amin'ireo firenena Aziatika ireo ny sakafo malaza any Bangladesh.
Tsy ivelan'ny kianja ihany, hahatratra ny ao an-kianja ihany koa ny dian-tànan'i Bangladesh – ary mifandray amin'ny ezak'ireo mpilalao maro. Mampahafantatra ny Bdnews [bn] fa mandritra ity Lalao Olaimpika ity dia iray amin'ireo firenena mamokatra ny maro amin'ireo fanamiana ho an'ireo mpifaninana i Bangladesh:
Ireo mpamokatra akanjo sy kojakoja ara-panatanjahantena, tahaka ny Adidas, Puma ary Nike no ho mpamatsy akanjo goavana indrindra mandritra ny Lalao Olaimpika. Manamboatra ny akanjony any amin'ireo firenena tahaka an'i Bangladesh, Inde, Sri Lanka ary Indonezia ireo orinasa ireo. Nefa anatin'ity orinasa ity dia ambony noho ireo hafa i Bangladesh.
Adidas, iray amin'ireo mpamokatra ny akanjo ofisialin'ny Lalao Olaimpika, dia mpanohana ihany koa ny tarika Britanika. Mandritra izany dia n y Nike no mpanohana ny tarika avy any Etazonia, Shina, Alemaina ary Rosia. Ankoatry ny fanamboarana ny fanamiana ho an'ireo firenena maro hafa, Puma koa dia mpanohana ilay kintan'ny fanatanjahantena, Usain Bolt. Maro amin'ireo fitafiana hijolorany no namboarin'ireo mpiasa Bangladeshi tany amin'ireo orinasa any Dhaka.
Noho izany raha misy olona mikaroka an'i ‘Bangladesh’ ao anatin'ny fàfan'ny medaly, ho diso fanantenana izy. Nefa raha te-hikaroka ireo olona miezaka ny hahalavorary ny Lalao Olaimpika izy ireo, hamirapiratra eo ny anarain'i Bangladesh.
Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012 ity lahatsoratra ity.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...