Syria: “Izaho No Nitoraka Bitsika Voalohany Ny Fialàn'ny Praiministra Riad Hijab “

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Nilaza ny Syriana iray mpampiasa Twitter fa izy no namoaka voalohany ilay vaovao mikasika ny fialàn'ny Praiminisitra Syriana Riad Farid Hijab herinandro lasa izay. Mitondra ny solon'anarana hoe @THE_47th io mpampiasa Twitter io ary fantatra ihany koa tamin'ny faminaniany ny fialàn'ny Brigadier Jeneralin'ny Mpiambina Repoblikana  Syriana Manaf Tlass, tanatin'ireo mpitondra Syriana ambony hafa.

Nitoraka bitsika izy tamin'ity maraina ity:

@THE_47th: Ny 30 Jolay, niresaka momba ny fialàna goavana tamin'ny asa aho http://brown-moses.blogspot.com/2012/07/more-high-level-defections-predicted-in.html … , afaka miteny aminareo aho ankehitriny fa ny Praiministra Syriana Riad Hijab ilay izy.

Ary nanampy izy:

@THE_47th: Niala i Riad Hijab, nefa niparitaka aloha loatra ilay vaovao ho an'ny fiarovana azy sy ny fianakaviany. Mbola mila mahazo fanamarinana ny maha-any Jordania azy anefa aho.

Manamarika i THE_47th :


@THE_47th
: Ireo pejy FB, indrindra ireo avy amin'ny Edlib,  ireo hafa avo amin'ny twitter dia niresaka momba ny fialàna tamin'ity maraina ity ary vetivety dia niparitaka ny resaka.

Taorian'izay dia nanampy izy:

@THE_47th: Ananako ihany koa ny anaran'ireo Minisitra 2 hafa, nefa notenenina aho ny hiandry. Minisitra 2 hafa no miaraka amin'i Hijab, fa tsy 3.

Maminany ny fiantraikan'ny fialàn'i Hijab i THE_47th. Mitoraka bitsika izy:

@THE_47th: Azoko antoka fa hamono  manam-pahefana amin'ny Fiarovana 4 na 5 eo i Maher Assad izy tenany noho ny tsy nahitany ny hihavian'izany.

Ary manampy izy:

@THE_47th: Amin'ny mahazazakely azy, hanampatra ny hatezerany amin'ireo Syriana i Bashar Assad. Hiantra anie Andriamanitra. #Syria

Ao amin'ny Twitter, mitohy mipoitra ireo fihetseham-po.

Mahmoud Lattouf, avy any Jordania, manamarika amim-panesoana [ar]:

وكالة الأنباء الأردنية (بترا) تنفي دخول رئيس الوزراء السوري المنشق الى الأراضي الأردنية … هيك منكون تأكدنا انه صار بعمان.
@Lattouf: Nandà ny maha-any amin'ny tany Jordaniana ny Praiministra Syriana, izay niala an-daharana, ny masoivoho Jordaniana mpampiely vaovao, Petra. Manamafy izany fa any Amman tokoa ny tenany

Manamarika i Ahmed Shihab-Eldin :

@ASE: Mety nosimbaiko ny iphone-ko androany, fa i Riad Hijab kosa nanimba ny nofinofim-Pahefana natsipin'i #Assad tamin'izao tontolo izao. Mandresy i Riad. #Syria

Ary milaza ny Syriana Maysaloon :

@Maysaloon: Tsy noho ny fihenan'ny fahatokisany an'i Assad fotsiny ihany no antony nialàn'i Riad Hijab, fa tsy afaka miaro ny namany intsony ny fitondrana #Syria

The interactive map shared by Al Jazeera Showing Syrian officials defections

Ilay sary fampianarana nozarain'ny Al Jazeera Mampiseho ny fialan'iro mpitondra Syriana

Mandritra izay fotoana izay, mizara sary fampianarana ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy, izay manondro ireo mpitondra Syriana ambony niala an-daharana. Tafiditra anatin'io sary io ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta, diplomaty, miramila zokiny sy ireo manam-pahefana amin'ny fandriampahalemana, ireo mpanolotsaina sy ireo ao anatin'ny fianakavian'ny filoha Syriana Bashar Al Assad manokana.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.