Shina: Nahazo Fanohanana Avy Ao Amin'ny Aterineto Ny Fandraràna Ny Fivarotana Tsy Ara-dalàna Ireo Vangin'elefanta

Nomen'ireo Sinoa mpampiasa aterineto tosika ny fanohanana ny fandraràna ny fivarotana an-tsokosoko eran-tany ny vangin'elefanta. Ny 2000 ka hatramin'ny 2011, raha Afrika Atsinanana no ivon'ny famoahana an-tsokosoko ireo vangin'elefanta, i Shina sy Thailand kosa no toerana goavana indrindra ivantanan'ireo vokatra azo avy amin'ireo vangy ireo.

Ny lalàna marefo sy ireo manampahefana manao kolikoly any amin'ireo firenena Afrikana, ary koa ny tinadin'ny mpanjifa Sinoa izay mitombo hatrany sy ny famelàna ny fivarotana ara-dalàna eo ambany rafitra fanaraha-maso, no mbola mamela ny varotra handeha. Ny Jolay 2012, nahatonga resabe erak'izao tontolo izao ny vaovao momba ny figiazana ireo vangy tany Thailand sy Vietnam.

Nahatratra ny fara-tampony io fivarotana io tamin'ny 2009 ary nijanona ho avo hatramin'ny 2011, araka ny tatitra iray navoakan'ny Convention on International Trade in Endangered Species of Wild Fauna and Flora (CITES), na ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Varotra Karazan-javamaniry sy Biby Tandindonin-doza,  tamin'ny Jona 2012, izay nandrara ny varotra iraisam-pirenena ny vangin'elefanta hatramin'ny 1989.

Tamin'ny 2011 kosa, figiazana goavana 14 (hadiry 800 kg na mihoatra)  no voatatitra, izay mira ny isan'ny tamin'ny 2009 sy ny 2010 natambatra, ary io no avo indrindra hatramin'ny 1989. Tsy mbola namoaka tatitra figiazana ireo vokatra azo avy amin'ny elefanta mihitsy ireo fanjakana Afrikana valo ahitàna Elefanta, sy firenena Aziatika efatra ahitàna Elefanta. Araka ny tatitry ny salon.com, tsy mahavita mampihemotra ireo sendikan'ireo mpanondrana an-tsokosoko ireo figiazana ireo, satria vitsy dia vitsy ny fisamborana ny lohan'ireo andian-jiolahy mpanondrana an-tsokosoko ireo.

Mamporisika amin'ny fandraràna izany ireo Sinoa mpampiasa ny weibo

Ao anatin'ny Weibo, vohikala Sinoa fitoraham-bilaogy bitika , olana iray goavana ny fandraràna ny fivarotana vangin'elefanta, indrindra hatramin'ny namoahan'ilay mpanakanto avy ao Taiwan Chan Chien-chou [zh] sarinà elefanta iray naratra mafy mandry amin'ny tany taorian'ny nanalan'ireo mpihaza an-tsokosoko ny vanginy:

@黑人建州:請別買象牙⋯沒有買賣、就沒有殺害!!!

Miangavy anareo tsy hividy vangin'elefanta…tsia ho an'ny famarotana, tsia ho an'ny famonoana!!!
Taiwan artist Chan Chien-chou uploaded on Sina Weibo a picture of an injured elephant lying on the floor after its ivory was removed by poachers. Image source: Ronald Yick.

Namoaka sarinà elefanta maratra mandry amin'ny tany taorian'ny nanalan'ireo mpihaza an-tsokosoko ny vanginy tao amin'ny vohikala Sina Weibo ilay mpanakanto avy ao Taiwan Chan Chien-chou. Loharanon-tsary : Ronald Yick.

Ireto ambany ireto misy tsikera vitsivitsy avy amin'ireo mpampiasa ny Weibo:

把您的妖娆留给西门庆: 请别买象牙…没有买卖…就不会有杀害…他们是人类的朋友…看着那么憨厚温柔…你舍得吗?只为了您那一些爱美的举动'就要让他们丧命!

把您的妖娆留给西门庆: Miangavy anao tsy hividy vangin'elefanta…tsia ho an'ny famarotana, tsia ho an'ny famonoana…Naman'ny olombelona izy ireny…Taorian'ny fahitana ny fahatsoram-pony sy ny fahamatorany…mbola hamono azy ireo ihany ve ianao? Hanaisotra ny ainy ny fitiavanao hanana zavatra tsara!

果断—-潘子 : 太恐怖啦,唔好买啦,无左市场,就唔会再生产噶啦

果断—-潘子 : Tena mampihorohoro, atsaharo ny fividiananao [vangin'elefanta]. Rehefa tsy misy tinady eo amin'ny tsena, tsy hisy vokatra intsony.

湘潭大学学生微博: 好可怕!真不知道你们如何下得了手!没有买卖就没有杀害!拒绝象牙!

湘潭大学学生微博: Maharikoriko izany! Tsy fantatro hoe ahoana no ahafahanareo [mpihaza an-tsokosoko] manao izao! Tsia ho an'ny tsena, tsy ho an'ny famonoana! Sahia manao tsia amin'ny vangin'elefanta!

Mpampiasa iray hafa, Sherry in Africa [zh] , izay miaina any Lagos, Nizeria, namoaka resaka mitohy manasongadina ny fahafantaran'ny vahoaka Afrikana ny filan'ny Shinoa hanana vokatra avy amin'ireo biby ho tandindonin-doza:

…只有中国人吃这些动物,买象牙、犀牛角,市场上的黑人都会讲中文: “象牙要不要?”

…Ny Shinoa irery ihany no mihinana ireny karazana biby [an'ala] ireny, mividy vangin'elefanta, tandrokanà rhino. Na ny vahoaka Afrikana any an-tsena aza mahay miteny Shinoa : “Mila vangin'elefanta ve ianao?”

Kenya: Loharanonà vangin'elefanta sady toerana fandalovana

Ny 20 Jolay 2012, ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena Ho Fiarovana Ny Biby, International Fund for Animal Welfare (IFAW), fikambanana iraisam-pirenena iray tsy miankina amin'ny fanjakana, mikatsaka ny hiaro ny zava-manan'aina anaty ala, nilaza fa sady loharanonà vangin'elefanta i Kenya no toerana iray  fandalovana avy any Afrika mankany Azia. Ny Talem-paritry ny IFAW ao Afrika Atsinanana, James Isiche dia mino fa ny tendron'ny ranomandry fotsiny ihany ireo raharaha afa-drakotra ireo ary manome tsiny ireo manam-pahefana Kenyana ny tenany:

Miakatra ireo tranganà fihazàna tsy ara-dalàna ny elefanta any Kenya, ary ankehitriny dia hita fa tsy loharanonà fanondranana vangin'elefanta tsy ara-dalàna ihany ny firenena, fa sady lasa iray amin'ireo làlana iray safidian'ireo mpanondrana hampidirany ny vokatra […] Raha nanao asa mendri-piderana tamin'ny fampidirana “fourrière” ireo vangin'elefanta ireo tany amin'ireo toerana samihafa fivoahana ny firenena ireo manam-pahefana Kenyana taloha, mampiahiahy izany fironana hanagiha izany tao anatin'ny herintaona sy tapany farany. Ilaina ary maika dia maika ny fiarovan'ireo manam-pahefana rehetra any Kenya sy any amin'ireo fanjakana hafa manana elefanta azy ireo amin'ny mpihaza tsy manara-dalàna hatramin'ny fanidiana ireo làlana ireo mba hampiverin-dàlana ny jiolahy voarohirohy anatin'ity habibiana ity.

Miala amin'ny fandraràna mankany amin'ny ‘fanaraha-maso ara-dalàna’ ny varotra?

Nanomboka niresaka ny famadihana ny fivarotana vangin'elefanta ho ara-dalàna ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Varotra Karazana Tandindonin-doza (CITES), izay mahatsapa fa tsy hampisy vokany ireo hetsika fandraràna ny fitomboan'ny tinady. Manome sosokevitra ny amin'ny hananganana Foibe Mifototra amin'ny Fivarotana Vangin'elefanta, Central Ivory Selling Organisation (CISO) [pdf] io fikambanana io, izay ‘hifehy ny varotra’ ary hivarotra ireo vangy nalaina avy amin'ireo elefanta maty ara-dalàna fotsiny ihany. Ny vola azo amin'izany dia harotsaka amin'ny fiarovana sy ny fitehirizana azy ireo.

Ny sosokevitra tahaka izany dia niatrika tsikera mafy avy amin'ireo vondrona mpitahiry tahaka ny Masoivoho Mpanadihady ny Tontolo Iainana (EIA). Naneho ny ahiahiny mafy ny Tale Mpanatanteraka Mary Rice:

Manahy mafy ny EIA fa ireo fivarotana ‘ara-dalàna’ ireo – na ny adihevitra mikasika ny fivarotana ‘ara-dalàna’ – ny vangin'elefanta dia vao mainka hanentana hatrany ny varotra vangin'elefanta, manohana ny fijery hoe mamerina sy mampitombo ny tinady vangin'elefanta tsy ara-dalàna indray ny fivarotana iraisam-pirenena.

Mandà ny sosokevitry ny CITES ny EIA ary manoloana izay aza dia miantso ny fandinihana tsy miankina amin'ny fanamafisana ireo tsy fahampiana izay nitarika ny tsy fahombiazan'ilay rafitra fivarotana vangin'elefanta efa misy ankehitrny, toy ny kolikoly sy ny fandiovana ny rafitra fivarotana an-tsokosoko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.