miora · Jolay, 2013

Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Jolay, 2013

Tian'ny Ejipsiana Haongana ny Fitondrana

Nomarihin'ny vahoaka Ejipsiana ny [30 Jona] ny fahatsiarovana ny nitondran'ny filoha Mohamed Morsi voalohany ny firenena, miaraka amina famoriam-bahoaka goavana nanerana an'i Ejipta, niantsoana azy handao ny toerany. Fampielezan-kevitra manohitra an'i Morsi atao hoe Tamarrod [ar], izay midika hoe fanoherana, no manamafy fa 22 tapitrisa ireo sonian'olon-tsotra voaangona hatramin'izao, izay miantso fifidianana filoha haingana. Ny 25 Janoary 2011, nanohitra ny fifehezana nandritra ny 32 taona nataon'i Hosni Mubarak ireo vahoaka Ejipsiana. Valoambinifolo andro taty aoriana, nametra-pialàna i Mubarak. Nandritra ny fotoana nisian'ny tetezamita, nentin'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana [CSFA] i Ejipta. Taorian'ireo fifidianana, Morsi, ilay kandidàn'ireo Mpirahalahy Silamo, no naka ny toeran'i Mubarak, nanjary filoha ny 30 Jona 2012. Ankehitriny, midina andalam-be indray ireo vahoaka Ejipsiana mangataka an'i Morsi hiala sady hamarana ny fitondran'ireo Firahalahiana Silamo any Ejipta.