Ny Bilaogera Shiliana Mamolavola Saron-tava

(Marihina fa tamin'ny 13 Febroary 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Noho ny aterineto, maro ny olona no mifankafantatra amin'ny alalan'ny zavatra nosoratany kanefa  tsy mbola nihaona nifanatri-tava mihitsy. Izany no fifandraisana izay nataon'i Beatriz  sy ny antony nanasany vondrona bilaogera miisa valo ankehitriny ao anatin'ny  atrikasa (maimaim-poana)  isaky ny alarobia izay toerana hanomezany azy ireo ny fitaovana  hanamboarana sarontava. Isankarazany ny resadresaka atao ao amin'ny atrikasa , kanefa mifandray hatrany amin'ny aterineto izany sy milaza ny zava-mitranga amintsika miaraka amin'ny bilaogy. Maneho ny famoronany malalaka  ny olona tsirairay . Bilaogera valo ambin'ny folo no nandray anjara hatreto ary manantena ny hisarika bilaogera miisa 100 i Beatriz, ary avy eo dia hisy ny fampirantiana ho an'ny daholobe  izay hampisehoana ny sarontava natao nandritra ny atrikasa. Afaka mandray anjara malalaka amin'ny tetikasa avokoa ny olona rehetra amin'ny alalan'ny fisoratana anarana ao amin'ny bilaogin'i Beatriz .

Ny Hevitry ny Mpandray Anjara:

Yvette : “Nandray anjara tamin'ny hetsika izay azo faritana ho toy ny fahafahana tamin'ny fatorana ara-panahy sy ny fahafahana maneho hery aho.”

Roberto : “Omaly, raha nandao ny fivoriana ara-javakanto lehibe aho , dia tsapako ho toa an'i  Patrick Swayze tao amin'ny ‘Ghost’, izay mitady an'i Demi Moore. Ny azoko lazaina dia ny hoe: nifantoka tamin'ny ezaka famoronan-javatra tamin'ny tanimanga miaraka amin'ny tanako izay naka endrika tsikelikely ny adiny roa nanaovana  resaka mahaliana. Nahafinaritra ahy ny zavatra natao hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

Nicolas: “A breakthrough. I hadn't been in one, since the times of BBS. Old times. Loved to realize how all are anxious to communicate, to share, to give. For free.”

Nicolas: “Fandrosoana lehibe. Tsy mbola nanatrika izany aho hatramin'ny andron'ny BBS. Fotoana fahiny. Nahafinaritra ny nahafantatra fa tsy andrin'ny  olona rehetra  ny hiresaka, hizara, hanome. Tamin-kahalalahana izany rehetra izany. “

Nadia :” Nandray anjara tao amin'ny fivorian'ny resadresaka saika manasitrana tanteraka izahay, namolavola tanimanga, asa tanana sy, mazava ho azy, miaraka amin'ny lohahevitry ny bilaogy mihevaheva eny amin'ny rivotra. “

Naka ny sarin'ny atrikasa i Carlos Verdugo.

Fandikan-teny nataon'i David Sasaki

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.