Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

26 Jolay 2020

Tantara tamin'ny 26 Jolay 2020

Ny asa isanandro feno herimpo ataon'ireo siantifika mpiasana laboratoara hiadiana amin'ny Ebôlà ao Liberià

Mitsidika ny tokantranon'ireo olona marary sy ireo ivontoerana natao hikarakarana ny Ebôlà izy ireo, manatsatoka fanjaitra amin'ny lalàndràn'ireo marary izay saro-pantarina ivelany, faran'izay tena mpamindra aretina

Loza mitatao ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mandritra ny ady atao amin'ny valanaretina Ebôlà ao Liberià

Indrisy, misy fihetsika marobe ataon'ireo mpiantsehatra avy ao amin'ny governemanta entina hamelezana ny mpampahalala vaovao, indrindra fa mandritra ireny fotoana ireny, nanome toerana tsotra izao ny fitomboan'ny fisalasalàna momba ilay valanaretina, ary vao mainka aza nampitombo tsy misy toy izany ny fandavana eny anivon'ny fiarahamonina.

Ebola mampitahotra: Voafandrika eo amin'ny sisintany iraisan'i Kamerona/Nizeria efa ho 40 ora mahery

Ahoana moa raha marina fa nisy taminay no tonga niaraka tamin'ny otrikaretina [...]? Dia betsaka ny vintana hoe nifindran'ny otrikaretina daholo izahay rehetra... taorian'ny nanibohana anay niaraka, ary dia efa mitondra ny viriosy amin'izao fotoana izao ho any amina ankohonana [...] roanjato samy hafa.

Korea Atsimo, ampangaina ho mamerina manoratra tantara vaovao ho an'ny boky fampiasan'ny lisea

Rakotry ny kiana ny governemanta Koreàna Tatsimo noho ny fanomezany vàhana ireo boky fianarana manohana ny faharesendahatra pôlitikan-dry zareo izay manasa ireo tsy fetezanjavatra vitan-dry zareo tamin'ny lasa.

Antsafa niarahana tamin'i Gladys Camacho Rios, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Quechua

Fantaro misimisy kokoa i Gladys Camacho Rios. Izy no hampiantrano no kaonty Twitter @ActLenguas ny 22 -29 Jolay 2020 ary hiresaka amintsika momba ny asany ho an'ny fiteny Quechua.