Loza mitatao ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mandritra ny ady atao amin'ny valanaretina Ebôlà ao Liberià

(Fanamarihana avy amin'ny mpandika: Lahatsoratra fandrakofana manokana ny valanaretina Ebôlà tamin'ny 2014 izy ity. Ny rohy tsy nasiana fanamarihana dia mitondra mankamina lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

The body of a victim of Ebola virus is seen covered with a sheet at the back of a truck in Monrovia, Liberia -Public Domain

Ny vatana mangatsiaky ny olona iray lavon'ny viriosy Ebôlà hita mirakotra lamba aorian'ny kamiao iray tao Monrôvià, Liberià -Sehatra ho an'ny daholobe

Vokatry ny hetsika nataon'ny governemanta hifehezana ny fiparitahan'ny viriosy Ebôlà, mampiasa loha ny fikambanan'ny mpanao gazety ao Liberià ny loza mitatao amin'ny fahalalahan'ny fahazoana vaovao. Manoratra taratasy iray ho an'ny minisitry ny fitsaràna ny fikambanan'ny mpanao gazety mba hisarihana ny sainy ho amin'ireo fanamby atrehan'ireo mpiasan'ny fampahalalambaovao amin'izao fotoana izao. Ito ny ampahany tamin'ilay taratasy :

Ny sain'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety dia mitodika manokana amin'ireo toejavatra marobe izay tsy hoe fotsiny maneritery ireo mpanao gazety amin'ny andraikitr'izy ireo hikaroka sy hizara izay vaovao ary torohay mahasoa ho an'ny daholobe, fa tena loza mitatao kokoa aza ho an'ny fandraisana anjaran'ny mpampahalala vaovao ao anatin'ny ady iombonana atao amin'ny Ebôlà. Iraisan'ny rehetra hevitra fa ny habaky ny fampahalalambaovao eto Liberià dia mpiara-miantsoroka tena manana ny lanjany amin'ny ady ho entina manamafy ny fampahatsiarovantena ny fiarahamonina misy antsika momba ny fiantraika sy ireo fanamby aterak'ilay valanaretina. Raha tsy hiresaka ireo fahavoazana ara-bola ateraky ny endrika maha-zavatra maika an'ilay valanaretina sy ny vokany amin'ny fiainana ankapobeny, ireo mpampahalala vaovao dia mitoetra mandrakariva ho mpisehatra amin'io ady io. Indrisy anefa, misy fihetsika marobe ataon'ireo mpiantsehatra avy ao amin'ny governemanta entina hamelezana ny mpampahalala vaovao, indrindra fa mandritra ireny fotoana ireny, nanome toerana tsotra izao ny fitomboan'ny fisalasalàna momba ilay valanaretina, ary vao mainka aza nampitombo tsy misy toy izany ny fandàvana eny anivon'ny fiarahamonina. Heverinay fa tsy rariny ary diso toerana izany.

Araho ny fandrakofana ifotony ataonay: Ny ady ataon'i Afrika Andrefana hanakanana ny Ebôla

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.