Tantara tamin'ny 16 Septambra 2019
Mamelana miaraka amin'ny tsoraka fanamarihan-takila ny Lingua Esperanto
Faly izahay mampiroborobo ny resaka eny an-toerana sy erantany , indrindra ao anatin'ny taona iray natao hankalazana ny fahasamihafana ara-teny sy ara-kolontsaina. Nananmboatra fanamarihan-takila azo volena izahay mba hanelezana ny feo momba ny Global Voices Esperanto sy hanampiana mba hitomboany amin'ny fomba maharitra tanteraka
Izay lazain'ireo Salvadoriana blaogera — ireo akon'ny lasa
Tao amin'ny tontolon'ny blaogy Salvadoriana nandritra izay roa herinandro farany izay, nahitàna resaka maro mikasika ireo heloka bevava natao nandritry ny ady an-trano tany El Salvador izay mbola misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fiarahamonina foana hatramin'izao.
Tsy hanontaniana intsony ny maha-virjiny azy ny vehivavy Bangladeshita ampakarina hahazoana taratasy fanamarinam-panambadiana
Nivoaka ity didim-pitsarana ity taorian'ny dimy taona lava nisian'ny ady ara-pitsarana ary noderaina ho fandresena manan-tantara ho an'ny mpikatroky ny fitovian-jo .
Matahotra ny hohadinoina ireo mponina ao amin'ny faritra Japoney niharan'ny rivo-doza
Nifantoka tamin'ny fiantraikan'ny rivo-doza tamin'ny vahoaka tao Tokyo, ny orinasa, ny governemanta sy ny fampahalalam-baovao ao Japan ihany ny ankamaroan'ny fitantaram-baovao momba ny Rivo-doza Faxai.
Mamely mafy an'i Chennai ao India ny tsy fisian'ny rano madio
Voakasika ny fiainan'ireo olona 9 tapitrisa ao atsimon'i India satria miatrika krizin-drano tsy mbola nisy toy izany i Chennai, iray amin'ireo tanàna mitombo haingana be indrindra manerantany.