Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

30 Mey 2019

Tantara tamin'ny 30 Mey 2019

Ny atao hoe trano LAN

Rising Voices

Felipe Vaz no mpandrindra ny Instituto Overmundo, izay mampiroborobo ny fidirana amin’ny fahalalahana sy ny fahasamihafana ara-kolontsaina any Brezila amin'ny alàlan'ny fomba amam-panao nohavaozina amin'ny serasera, ny fizakamanana ara-tsaina ary ny teknolojia. Soritsoritan'i Felipe ny "revolisionan'ny trano LAN" (Local Area Networks - tambajotram-paritra ao an-toerana) any Brezila.

Nampiseho tsy nahy ny fahorian’ireo mpitsoa-ponenana any Japana ny Sampandraharaha misahana ny fifindra-monina ao Tokyo

Tsy ny graffiti loatra no nokendren'ilay sioka nopaingorina fa ireo tsikera momba ny fomba fampijaliana ireo mpitsoa-ponenana, mpiasa tsy manana taratasy ary ireo olona notanan'ny sampandraharahan'ny fifindra-monina hafa.

Amadou M. Ba avy ao amin'ny AllAfrica.com

Rising Voices

Mpiara-manorina sady filohan'ny AllAfrica.com, ilay mpanangom-baovao an-tserasera lehibe indrindra sady mpaninjara ny vaovao avy any Afrika Atsimon'i Sahara amin'ny teny Anglisy sy teny Frantsay i Amadou M. Ba. Izy ihany koa no tale mpanatanteraka ny African Media Initiative, izay mikendry ny hanome tanjaka ny sehatry ny fampitam-baovao aty Afrika

Ny zo lazain'ny Fanitsiana voalohany sy ny fampijaliana antserasera

GV Mpisolovava

Any amin'ny sekoly manerana an'i Amerika, olana hatrany ny fampijaliana antserasera. Nitondra ny olana teo amin'ny adihevitra nasionaly ny tranga momba ilay zatovo iray tao Missouri namono tena taorian'ny fampijaliana azy antserasera.

Bilaogin'ny vehivavy Afrikanina: ny zon'ny vehivavy, herimpom-behivavy, fiovam-pinoana, …

Ny fahantrana, ny fitantanana tsy mahomby amin'ny toekarena, ny tsy fitoniana ara-politika sy ny ady no zava-misy tsy mitsaha-mitombo any Afrika na dia manana harena an-kibon'ny tany marobe aza ny kaontinanta, hoy i Keeper of her thoughts nanoratra.