(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Novambra 2018)

‘’Avotsory ireo mpitsoa-ponenana’’ izany no nosoratana teo amin’ny tetezana fandehanana an-tongotra Konan Bridge tao Minato any Tokyo. Sary avy amin'ny sioka nopaingorin'ny Sampandraharaha misahana ny fifindra-monina ao Tokyo.
Ny 20 Novambra (2018), nandrehitra adihevitra an-tserasera ny kaonty Twitter ofisialin’ny sampandraharaha misahana ny fifindramonina ao Tokyo rehefa nametaka ny sioka niaraka tamin’ny sary nampiseho ny tetezana teo afovoan-tananan’i Tokyo. Na dia natao hanoherana ny graffiti aza ny sioka, dia ny hafatr’ity graffiti ity mihitsy no tena nahaliana ny mpisera tamin’ny Aterineto. ‘Avotsory ireo mpitsoa-ponenana’’ hoy ny soratra, izay heverina ho toy ny tsikera tsy mivantana amin’ny fomba fanaon’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fifindra-monina amin’ireo mpitsoa-ponenana, sy ireo mpiasa tsy manana taratasy ary ireo mpifindramonina hafa voasambotra.
Niaraka tamin’ny hafatra nangataka ny olona tsirairay mba ‘’hanatsahatra ny graffiti’’ (落書きは止めましょう) ilay sioka nopaingorin’ny Sampandraharaha misahana ny fifindramonina ao Tokyo izay nahitana ny sarin’ny graffiti miisa telo nosoratana teo amin’ny tetezana mivaky hoe ‘’AVOTSORY IREO MPITSOA-PONENANA’’.
~落書きは止めましょう~
11月19日早朝,港南大橋歩道上にて。
表現の自由は重要ですが,公共物です。
少しひどくはないですか。。。 pic.twitter.com/eHVO1f37jR— 東京入国管理局 (@IMMI_TOKYO) November 20, 2018
Andao hatsahatra ny fanaovana graffiti.
Hita vao maraina be teo amin’ny tetezan’i Konan ny 19 Novambra(2018). Na dia zava-dehibe aza ny fahalalaham-pitenenana, fananam-bahoaka io.
Tsy mampalahelo anao ve izany ?
Tsikera tsy nahy
Hatramin’ny 20 Novambra (2018), mbola namoaka sioka tsotsotra tamin’ny ora fiasana ny kaontin’ny Sampandraharaha misahana ny fifindra-monina ao Tokyo, izay matetika mahazo valinteny na fiverenana sioka indray. Noho izany, naharay fanehoan-kevitra maro niaraka tamin’ireo fiverenana sioka miisa teo amin’ny 3000 teo ho eo ary fanehoan-kevitra miisa 700 ny sioka nopaingorina momba ny graffiti miresaka ireo mpitsoa-ponenana teo amin’ny tetezan’i Konan tao Tokyo.
Mpitsoa-ponenana sy mpitady fialokalofana vitsivitsy ihany no raisin’i Japana isan-taona. Tamin’ny taona 2017, sata ho an’ny mpitsoa-ponenana miisa 20 fotsiny no nankatoavin’i Japana tao anatin’ireo mpangataka miisa 19.629. Matetika voatazona na sarahina amin’ny fianakaviany ireo mpitady fialokalofana mandra-piandry ny fanapahan-kevitra momba ny satany.
Tsy vao voalohany izao no voatsikera ny politikan’ny fifindramonina Japoney. Hatramin’ny taona 2006, efatra ambin’ny folo tamin’ireo voatazona no maty tao amin’ny toby fitazonana ireo mpifindra-monina Japoney, izany hoe olona iray eo ho eo isan-taona. Namono tena ny efatra tamin’ireo maty farany ireo. Mifantoka any amin'ny Foiben’ny fifindramonina ao Japan Andrefana ao Ushiku any amin’ny perfektioran’i Ibaraki ny lohahevitra hifantohan’ireo fanamelohana avy amin’ny mpiaro ny zon’olombelona Japoney noho ny fitomboan’ny tahan’ny maty tamin’ireo voatana.
Nahazo laza ihany koa tamin’ny volana Oktobra (2018) ny Sampandraharaha misahana ny fifindramonina ao Tokyo noho ny fandraisany anjara tamin’ny fandaharan’ny fahitalavitra izay namadika ho fialam-boly ny fandraofana sy ny fandroahana ireo mpifindra-monina.
Maro ireo valinteny tamin’ireo sioka vao haingana no nanamarika fa natao ho an’ny Sampandraharaha misahana ny fifindramonina ao Tokyo raha ny marina ilay graffiti mba hamotsorany ireo mpitsoa-ponenana, sy ireo olona izay manana visa efa lany andro ary ireo gadra anaty fepetra maherisetra. Nanakiana azy ireo izay matetika mampijaly sy mitazona tsy misy fiafarany ireo mpitady fialokalofana sy ireo olona voatazona kosa ny olona sasany:
落書きは消せば元に戻るが、失われた命は二度と戻らない。
— Kang/コーヒーおかわり (@fire_ree) November 20, 2018
Azonao atao ny mamafa ireo graffiti ary mamerina ny zavatra amin’ny laoniny, saingy tsy afaka hiverina intsony ny aina.
Tao amin’ny sioka nozaraina in-jato mahery, niantso ny Sampandraharaha misahana ny fifindramonina tao Tokyo ny oniversiten’ny Nagoya Hibi Yoshitaka mba hitsikera toy ny nataon’ireo nanao ireo graffiti ihany koa izay nitsikera ny fandraketana mahatsiravina ny resaka zon ‘olombelona avy amin’ny Sampandraharaha :
見返して改めて腹が立ってきたから、再リツイート。入管の収容者に対する非人道的な行為について、このアカウントに知らないとは言わせない。それに頬被りをして、良識派のふりで落書きを批判し、固定ツイートにさえしている。落書きが駄目なのは当たり前だが、収容者に対する虐待をやめてから言え。
— 日比嘉高 (@yshibi) November 20, 2018
Tezitra mafy aho raha vao nahita izany fotsiny ka namerina nandefa sioka indray (Sampandrahara misahana ny Fifindra-monina ao Tokyo). Tsy hay ny mody tsy mahafantatra ny habibiana natao tamin’ireo mpifindra-monina voasambotra na iza na iza no manara-maso ny kaonty Twitter an’ny Sampandraharaha misahana ny Fifindra-monina ao Tokyo.
Nanafina ny tena tanjon’izy ireo ary mody nanaiky ny tsy fankasitrahany ireo graffiti, ary nandeha hatrany amin’ny fametrahana ilay sioka tao amin’ny pejin’izy ireo mihitsy aza. Marina fa ratsy ny graffiti, saingy ahoana kosa ny momba ny fampijaliana ireo voafonja ?
Tao amin’ny andiana sioka mifanesinesy, nanohy nizara ny rohy mankany amin’ireo boky sy lahatsoratra marobe izay nanazava ny toe-draharaha nampamoy fo ireo mpifindra-monina voatazona tao Japana i Hibi, anisan’izany ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tokyo Shumbun tamin’ny 5 Novambra 2018 izay nanazava tamin’ny antsipirihany ny fomba nanidiana ireo gadra miisa 17 nandritra ny 24 ora tao amin’ny fonja natokana ho an’ny olona miisa 6 tao amin’ny fonja fitazonana ireo mpifindramonina ao Osaka.
Nizara lahatsoratra avy amin’ny sampam-baovao iray ao amin’ny perfektoran’i Nagaro i Hibi, nanazava ny antony mahatonga ireo manampahefana misahana ny fifindramonina ao Japana tsy mitsaha-mitombo mampiasa ny fepetra henjana kokoa, toy ny fanokana-monina maharitra mba hanaraha-maso ireo gadra, ary ny fomba fanao amin’ny fihazonana ireo izay manana visa efa lany andro dia natao mba hampiverina ilalana ny hafa .
Ny rohy mankany amin’ny lahatsora-baovaon’ny mpanao gazety Shiba Rei tamin’ny volana May 2018 dia valinteny iray hafa nalaza tamin’ny sioka nalefan’ny Sampandraharaha misahana ny fifindra-monina ao Tokyo, izay namaritra ny fepetra momba ny fitazonana ireo mpangataka fialokalofana Kiorda-Tiorka any Japana :
東京入管の人権侵害を見かねた人の抗議では?落書きは宜しくないが自殺者を出すような入管の暴力も知ってください。
独房に監禁、医療受けさせず死亡、腐った給食―難民虐待の東京入国管理局(志葉玲) – Y!ニュース https://t.co/Syn5XKule4
— hika_ri (@BioreUV1) November 20, 2018
Le Service de l'immigration de Tokyo est-il complètement oublieux des protestations contre ses violations des droits humains ? Si taguer n'est pas bien, il est nécessaire de reconnaître un (système d'immigration) violent qui provoque des suicides.
Titre de l'article de Yahoo! News : “Détention à l'isolement, absence de soins médicaux conduisant à la mort, et nourriture avariée : comment le Service d'immigration de Tokyo s'en prend aux demandeurs d'asile
Moa ve tena tsy tonga saina ny Sampandraharaha misahana ny Fifindra-monina ao Tokyo amin’ny hetsi-panoherana ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona? Raha ratsy ny fanaovana graffiti dia ilaina ny mamantatra ny (Rafitry ny fifindra-monina) feno herisetra izay miteraka famonoan-tena.
Lohatenin’ny lahatsoratra tao amin’ny Yahoo ! News : ‘’ Fanagadrana amin’ny toerana mitoka-monina, ny tsy fisian’ny fikarakarana ara-pahasalamana, mitarika ho any amin’ny fahafatesana, ary ny sakafo efa simba : Ahoana ny fomba handraisan'ireo Sampandraharaha misahana ny Fifindra-monina ao Tokyo ireo mpitady fialokalofana!’’
Mikasa ny hampitombo amin’ny fomba mahagaga ny isan’ny mpianatra asa vonjimaika vahiny i Japana amin’ny taona manaraka. Saingy satria miasa amin’ny karama nahena ireo mpianatra asa ireo, izay matetika ao anatin’ny toe-draharaha manjavozavo dia maro no mety halaim-panahy handositra ny asany ary hanao asa miafina, izay mandika ny fepetra ao amin’ny visa an’izy ireo.
Midika izany fa ho maro ireo olona mety ho voafandrika amin’ny rafitra Japoney amin’ny fitazonana ireo mpifindra monina : ho tanana amin’ny fotoana maharitra izy ireo ary mety hampidi-doza ny ainy mihitsy aza izany.