04 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 04 Janoary 2019

Serbia: Belgrade ho an'ny Monopoly

Iray amin'ireo kilalao lalaovina amin'ny boritra malaza indrindra eran-tany ny Monopoly, ary misy fifidianana ireo tanàna 24 izay ampidirina anatin'ny Fanontana Manerantany an'ity kilalao ity mandeha amin'izao. Nikarakara hetsipanentanana ireo bilaogera Serba mba hanampiana ny renivohiny, Belgrade, hahazo toerana iray anatin'ny lisitry ny Monopoly.

Kroasia, Serbia : Sainan'ny fisakaizàna

Mba ho tandindon'ny fampihavanana ny firenena roa tonta dia namorona saina nampitambarana ny an'i Serbia sy Kroatia ny tanora roa avy amin'ireo firenena roa tonta ireo. Marobe ireo Serba sy Kroaty mpisera amin'ny aterineto no naneho hevitra tamin'io vaovao io, ny sasany manameloka, raha ny hafa kosa nankasitraka.

Marobe ny fiarahabana ny mpanjakavavy Rania noho izy nahazo ny Loka “Visionary” Youtube

Miondrika manaja ny Mpanjakavavin'i Jordania, Rania, sy ny hetsika fanentanany ao amin'ny YouTube,  ireo bilaogera avy any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, taorian'ny nahazoany ny loka tamin'ny Loka Visionary YouTube noho ny fananganana fantsom-pifandraisana an-tserasera hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso mikasika ny Arabo sy silamo.