Marobe ny fiarahabana ny mpanjakavavy Rania noho izy nahazo ny Loka “Visionary” Youtube

(Lahatsorara teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2008)

https://youtube.com/watch?v=-Z-aQAEA7U8

Miondrika manaja ny Mpanjakavavin'i Jordania, Rania, sy ny hetsika fanentanany ao amin'ny YouTube,  ireo bilaogera avy any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, taorian'ny nahazoany ny loka tamin'ny Loka Visionary YouTube noho ny fananganana fantsom-pifandraisana an-tserasera hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso mikasika ny Arabo sy silamo.

Tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Why I love Queen Rania?’ (Nahoana aho no tia ny Mpanjakavavyan'i Queen Rania?”‘, Hoy i Moey, bilaogera Jordaniana hoe:

Maybe because she’s the most pretty ever and she knows what brands to wear and what to wear, or maybe because she won the Visionary Award on YouTube Live. I’m not sure yet, I just love her

Angamba satria izy no tsara tarehy indrindra hatramin'izay ary fantany ny marika tokony hoentina sy izay tokony hanaovana, na angamba noho izy nahazo ny loka Visionary YouTube Live. Tsy mbola azoko antoka, fa tia azy fotsiny aho

Andaluss, avy any Maraoka, nanamarika hoe:

I stumbled upon Queen Rania’s Youtube channel. Apparently she’s been Vlogging since 2007, and has as a mission; the breaking down of the stereotypes surrounding Arabs & Muslims around the world. She’s many video responses that you can watch on her Youtube channel. And by the way she’s just won a youtube award.

Sendra ny fantsona Youtube nataon'ny mpanjakavavy Rania aho. Toa efa nanao bilaogy an-dahatsary hatramin'ny taona 2007 izy, ary manana iraka; manakana ny fitsarana an-tendrony manodidina ny Arabo & ny Miozolomana manerana izao tontolo izao. Manana valinteny lahatsary maro izy izay azonao jerena ao amin'ny fantsona Youtube. Ary vao nahazo loka youtube izy.

The sad thing though is that people don’t realize that Muslims were the ones who invented: Paper, shampoo, ink, coffee, chess (yes chess is an Arab invention), pin hole camera, vaccination, surgery, soup, earth is in a sphere shape, calender, numbers.. just to name a few!! Google & find out more.

Ny zava-mampalahelo na dia tsy takatry ny olona fa ny silamo no namorona ny: taratasy, ny shampoing, ny ranomainty, ny kafe, ny echecs (eny, famoronana nataon'ny arabo ny echecs), ny kamera misy lavaka kely (pin-hole), ny vakisiny, ny fandidiana, ny lasopy, tany amin'ny endrika boribory, ny kalandrie, ny tarehimarika .. raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy !! Midira google & dia hahita maromaro kokoa.

Avy any Israely, One Voice, hetsika fandriampahalemana nanoratra tao amin'ny bilaoginy, nilaza hoe::

Her Majesty Queen Rania of Jordan has been given the honor of YouTube's first Visionary Award, for her outreach to youth encouraging them to confront and deconstruct stereotypes of the Muslim world. We are always so impressed with her courage, vision, and leadership.

Ny Mpanjaka Rania any Jordana no nomena ny voninahitra loka Visionary voalohany amin'ny YouTube, noho ny fanentanany ny tanora, mandrisika azy ireo hiatrika sy hamongotra ny fitsarana an-tendrony momba ny tontolon'ny silamo. Mahagaga antsika hatrany ny herim-pony, ny vina tao aminy ary ny fitarihany.

“Queen Rania sets the standard for breaking down stereotypes and her YouTube videos are nothing short of inspirational,” Al-Arabiya quoted YouTube co-founder Chad Hurley as saying. “It is both a pleasure and an honor to present her with this much-deserved tribute.”

“Nametraka ny fenitra ho amin'ny famongorana ireo fitsarana an-tendrony ny mpanjakavavy Rania ary tena manome aingam-panahy ny horonan-tsariny YouTube”, hoy i Al-Arabiya nanonona ny mpiara-manorina ny Youtube, Chad Hurley. “Fifaliana sy voninahitra ny manolotra azy ity fanomezam-boninahitra mendrika loatra ity.”

Avy any Palestina ihany, the Philistine nanoratra hoe:

She may be queen of an ancient land. But this week word emerged that Queen Rania of Jordan was winner of a distinctively 21st century honor. She has been given YouTube’s first-ever Visionary Award for launching an interactive online channel to combat stereotypes and misconceptions associated with Arabs and Muslims, Jordan’s Petra news agency reported.

Mety hoe mpanjakavavin'ny tany fahiny izy. Saingy tamin'ity herinandro ity, dia nipoitra ny teny hoe “ny Mpanjakavavy Rania ao Jordania no mpandresy tamin'ny fanomezam-boninahitra miavaka taonjato faha-21. Nomena ny loka Visionary voalohany amin'ny Youtube izy noho ny fananganana fantsom-pifandraisana an-tserasera hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso mikasika ny Arabo sy ny Silamo, hoy ny tatitry ny masoivohom-baovao Petra Jordaniana.

Her video, “Send me your stereotypes,” was viewed by more than 1 million online users. Another video received 1.4 million page views within weeks, prompted 83 video responses from other users, and generated nearly 6,000 comments.

Mpiserasera maherin'ny 1 tapitrisa no nijery ny lahatsariny, “Alefaso aty amiko ny fitsaranao an-tendrony,”. Lahatsary iray hafa kosa nahazo mpijery 1,4 tapitrisa tao anatin'ny herinandro maromaro, ka nahatonga ireo valindahatsary 83 avy amin'ny mpiserasera hafa, ary niteraka fanehoan-kevitra efa ho 6.000.

Ary farany, avy ao amin'ny fanjakan'ny mpanjakavavy, Jansait nandefa ilay lahatsary izay navoakan'ny Mpanjakavavy ary nanoratra ity andalana ity:

We are Stronger when we Listen, Smarter when we Share

Matanjaka kokoa isika rehefa mihaino, Marani-tsaina kokoa rehefa mizara

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.