11 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 11 Novambra 2018

Bolivia: Fitorian-teny Fanelezana ny Blaogy

  11 Novambra 2018

Noho ny fahombiazan'ilay Andiany Faharoa Fihaonan'ny Blaogera sy ireo Mpampiasa Mundo al Reves natao tamin'ny Asabotsy 8 Jolay lasa teo tany Santa Cruz izay nandraisan'ny olona 26 anjara (indrindra blaogera sy mpamaky blaogy), nanomboka hetsikana blaogera mitondra ny lohateny hoe ''Adalanà Blaogy'' ilay vondrona mavitrika.

Misafidy i Ekoatora

  11 Novambra 2018

Taona nisiana fifidianana niteraka adihevitra sy noresahina be manerana an'i Amerika Latina iny. Raha toa ka misento amin'ny fahatoniana ireo mpanaramaso ny fifidianana taorian'ilay famaranana taraiky ny fandresen'i Felipe Calderón izay niteraka adihevitra be tany Meksika, efa fotoana sahady hieritreretana an'i Brezila, Venezoela, Nikaragoa sy i Ekoatora izao;

Medellin, Kolombia: Avy Any Amin'ny Renivohitriny ny Fakàna An-keriny Lasa Tanànan'ny Fanavaozan-kery

  11 Novambra 2018

Mitovy dika amin'ny hoe zava-mahadomelina, Pablo Escobar, vondrona marksista mpiady anaty akata, ary maka tàhaka miaramila mahery setra maro i Medellin Kolombia. Fa nandritra ireo folo taona lasa, lasa malaza tsara ary fanta-daza noho ny traikefany ara-tsosialy izay anisan'ny tena mangirika indrindra ao Amerika Latina. Ao anatin'ity fizarana voalohany amin'ny podcast mizara roa ity, mizatra kokoa amin'ny tontolo maoderina ao Medellin izahay.

Palestina: Hatezerana Noho ny Nahafatifaty Fahatany Zazalahy kely Iray

  11 Novambra 2018

Araka ny tatitra iray nataon'ny BBC News, nitifitra zazalahy kely iray 10 taona ireo miaramila israeliana ary nahafaty azy nandritra ny fihetsiketsehana nanoherana ny sakana najoro tao Naalin. Na dia nitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana hafa tamina bala fingotra aza ireo miaramila ary nandratra olona 18, io zazalahy kely io irery no hany tokana voan'ny bala tena izy.