Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

24 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 24 Jolay 2018

[Lahatsary] Andro voalohany amin'ny Lohataona ao Bangladesh

Ny 13 Febroary no andro voalohan'ny lohataona. Ny lohataona no vanintaona manintona indrindra rehefa mitafy ravaka vaovao ny zavaboary. Araka ny mahazatra, dia nankalaza ny andro voalohany amin'ny lohataona ireo tanora ao amin'ny onivesiten'i Dhaka.

Ny isan'andro ao am-ponja any Jamaika

Manazava ny tantara, ny fizotra, ary ny tanjon'ny Prison Diaries, tetikasa iray mampianatra ireo mpiray fonja ao amin'ny toerana fanarenana roa ao Kingston, amin'ny fomba famarimaritana ny fiainana ambadiky ny fonja amin'ny fampiasana bilaogy sy fandraketam-peo ny taeln'ny SET Kevin Wallen sy ny mpirotsaka an-tsitrapo Caleen Deidritch

Asandratry ny FOKO ny Firenena Mikambana

Araka ny nofariparitan'i Joan Razafimaharo tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa FOKO, dia nanatontosa ity horonantsary ity ny vondrona mpianatra ambaratonga ambony ao amin'ny Klioban'ny Firenena Mikambana hankalazana ny fotokevitra ara-tsosialin'ny Firenena Mikambana. Nalefa nifaninana tany amin'ny Film Your Issue (Alao sary ny olanao/lohahevitrao) ny horonantsary.