Tantara tamin'ny 13 Jolay 2018
Manampahefana Iraniana misambotra ‘olo-malaza amin'ny Instagram’, mba hanamafisana ny fifehezana ny media sosialy

Raha nosamborina tamin'ny May 2018 ireo Iraniana mpisera Instagram malaza Maedeh Hojabri, Elnar Ghasemi, Shadab Shakib ary Kami Yousefi, nanambara dingana vaovao amin'ny ezaky ny fanjakana hifehy ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Instagram izany.
Lasibatra manokan'ny sivana ny vehivavy ao Iran
Miatrika olana maro ao Iran, tahaka ny hafa, ny bilaogera. Tranonkala Iraniana maro amin'ny ankapobeny, ary ny politika no tena voasivana. Tao anatin'ny roa taona farany, nanjary niha-ratsy ny fanivanana sy ny sivana. Indrindra fa marobe ireo bilaogim-behivavy voasivana.
Ekoadaoro: Voatsikera nandritra ny nanaovany fitsidihana an'i Eoropa ny Filoha Correa
Niharan'ny tsikera marobe avy amin'ny vahoaka i Correa noho ny tsy fihetsehany miharihary tamin'ny fitakian'ny vondrom-piarahamonina mpifindra-monina sy noho ny lahateniny anti-Kolombia.
Te ho maritiora ve sa tsia
Ao Iran, misy olona milaza ny tenany ho te-ho martiora ary manao hetsika ao an-tanàna mba haneho ny fahavononany ho faty ho an'ny Repoblika Islamika. Herinandro vitsy lasa izay, nanasa bilaogera maromaro manana fomba fijery samihafa mba hizara ny hevitr'izy ireo momba ireo te-ho maritiora i Mohammad Masih.
Notendrena hifaninana tao amin'ny World's Best Blog (bilaogy tsara indrindra erantany) ny Rising Voices

Notendrena hifaninana ao amin'ny "Best of the Award Blogs" (Lokan'ny Bilaogy Tsara Indrindra) (BOB) tamin'ny sokajy "Best Weblog" ny tetikasa fanentanana momba ny fampahalalam-baovaon'olontsotra ao amin'ny Global Voices , Rising Voices. Tranonkalam-bilaogy maherin'ny 8.500 no natolotra hotendrena ary vondrom-pitsara iray no nifidy ireo 11 farany isa-tsokajy miisa 16.
Dimy minitra miaraka amin'i Lova Rakotomalala

Tao amin'ny We Media Miami no nahafahako nipetraka sy niresaka tamin'i Lova Rakotomalala , iray amin'ireo mpandrindra ny fandaharan'asan'ny bilaogy fanentanana FOKO Madagascar . Noraketinay ity antsafa fohy ity izay namaritan'i Lova ny genesisin'ny FOKO sy ny fomba fiasan'ny fikambanana amin'ny fanatanterahana ny iraka ataony.