Notendrena hifaninana tao amin'ny World's Best Blog (bilaogy tsara indrindra erantany) ny Rising Voices 

(Marihina fa tamin'ny 30 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navoakan'i Solana Larsen voalohany tato amin'ny Global Voices

Notendrena hifaninana ao amin'ny “Best of the Award Blogs” (Lokan'ny Bilaogy Tsara Indrindra) (BOB) tamin'ny sokajy “Best Weblog” (Tranonkalan'ny Bilaogy Tsara Indrindra) ny tetikasa fanentanana momba ny fampahalalam-baovaon'olontsotra ato amin'ny Global Voices , Rising Voices . Tranonkalam-bilaogy maherin'ny 8.500 no natolotra hotendrena ary andiam-mpitsara iray no nifidy ireo 11 farany tamin'ny sokajy miisa 16 tsirairay. Afaka nandatsaka ny vatony tamin'ny aterineto ny tsirairay ho an'ny bilaogy ankafiziny indrindra hatramin'ny 26 Novambra 2008.

Nanome lanja manokana ho an'ny fampiroboroboana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao sy ny  fahalalaham-pitenenana manerana izao tontolo izao ny Deutsche Welle.

Ny Rising Voices dia tetikasa iray manome fanampiana ara-bola ho an'ny tetikasan'ny vondrom-piarahamonina mamahana bilaogy ampolony any amin'ireo faritra sasany izay tsy dia misy mpitati-baovao manerana izao tontolo izao (noho ny fanomezana avy amin'ny Knight News Challenge).

Through the people in this amazing community, we've learned about social unrest in Bolivia through Voces Bolivianas’ bloggers, we've gotten to know the new bloggers in Nakuru, Kenya from the REPACTED project, and in Romania from the Blogging the Dream project.

Tamin'ny alalan'ireo olona avy ao amin'io vondrom-piarahamonina mahavariana io no nahafantaranay avy amin'ireo bilaogeran'ny Voces Bolivianas momba ny korontana ara-tsosialy tany Bolivia, lasa nahafantatra ireo bilaogera vaovao tao Nakuru, Kenya ao amin'ny tetikasa REPACTED izahay, sy ireo bilaogera avy ao amin'ny tetikasa Blogging the Dream any Romania.

(jereo Ity horonantsary ity hahafantaranao izay hofidiana …)

Nilaza ny talen'ny tetikasa fanentanana Global Voices, David Sasaki, tao anatin'ny mailaka iray ho an'ny vondrom-piarahamonina Rising Voices ( eto raha hanatevin-daharana ) rehetra ny 27 Oktobra  hoe:

Get this: some kind soul nominated Rising Voices as the Best Weblog (in the world!) for this year's BOB's contest. (That stands for Best of Blogs.) I am sure that many of you are aware that there are almost as many blog awards as there are blogs, but the BOBs contest has long been the most recognized internationally. We are tremendously proud to be listed among such fine company as Generación Yand Scienceblogs.de. You can cast your votes here and view the results here.

Fantaro fa : nisy tsara fanahy nifidy ny Rising Voices ho Best Weblog (eto amin'izao tontolo izao!) ho an'ny fifaninanana BOB ( Bilaogy Tsara Indrindra) tamin'ity taona ity.  Azoko antoka fa maro aminareo no mahatsikaritra fa maro tahaka ny loka ho an'ny bilaogy ny isan'ny blaogy, kanefa efa ela no fantatra iraisam-pirenena ny fifaninanana BOB. Mirehareha tokoa isika fa tafiditra tao anatin'ny lisitry ny kompania goavana toy ny Generación Y sy ny Scienceblogs.de . Azonao atao ny mametraka ny safidinao eto ary mijery ny valiny eto .

The B.O.B. competition recognizes blogs and podcasts produced in Arabic, Chinese, German, English, French, Dutch, Farsi, Indonesian, Portuguese, Russian and Spanish. You can see a world map of all of the proposed candidates on the awards website.

Ireo bilaogy sy rakipeo novokarina tamin'ny teny Arabo, Shinoa, Alemà, Anglisy, Frantsay, Holandey, Farsi, Indonezianina, Portiogey, Rosiana ary Espaniola no afaka nandray anjara tamin'ny fifaninanana BOB. Azonao jerena ny sarintanin'izao tontolo izao mampiseho ireo kandidà rehetra izay natolotra ao amin'ny tranonkalan'ny mari-pankasitrahana.

Nanoratra momba ny sasany tamin'ireo bilaogeran-dahatsary voafantina i Juliana Rincon ao amin'ny Global Voices

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.