Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

08 Avrily 2016

Tantara tamin'ny 08 Avrily 2016

#IamSyrian, Hetsika Mahatonga Ny Syriana Tsirairay Ho Afa-Mirehareha

Naka ny lanonana fizazana Oscar i Moustafa Jacob, mpanakanto Syriana, mba hanombohana ny fanentanana #IamSyrian. Tsy nampoiziny hahazo firaisankina iraisampirenena miaraka amin'ny Syriana ny hetsika nataony.

Tian'ilay Tovolahy Yemenita Hahafantatra Ny Fomba Nanovan'ny Ady Ny Fiainany Ianao

"Ho an'ny mpiara-dia amin'ny Saodiana ny hafatro: Miangavy aho, atsaharo ny famonoana olona. Manan-janaka izahay. Olombelona tahaka anareo izahay. Tsy kilalao izao."

Taorian'ny Varadatsaka Avy Amin'ny Panama Papers, Mihomehy i Amerika-Latina Mba Tsy Hitomaniana

Miezaka manome dikany amin'izay fomba tsara indrindra fantatr'izy ireo ho an'ireo fiporitsahana tamin'ny Taratasin'i Panama ireo vahoakan'i Amerika-Latina: amin'ny alalan'ny vazivazy.

Torolalana Hahatakaranao Ny Fizotran'ny Krizy Politika Ao Brezila

Misangodingodina haingana ny zava-mitranga any Brezila tanatin'ny iray volana mahery izay, ary miova haingana dia haingana ny toe-draharaha ka raha tsy miserasera kely ianao dia mety ho tsy fantatrao akory ny vaovao mipoaka farany indrindra.

Mofomamy Mafanan'ny Hazofijaliana, Fombandrazana Ao Karaiba Rehefa Andro Paka

"Mofomamy mafanan'ny hazofijaliana! mofomamy mafanan'ny hazofijaliana! denaria iray, denaria iray ny roa, mofomamy mafanan'ny hazofijaliana!" Tian-dry zareo ao KAraiba ity fombandrazana mafilotra rehefa Paka ity.