
Pikantsarin'ny fonon'ilay fanadihadiana “Taratasin'i Panama” nataon'ny tambajotra Iraisampirenen'ireo Mpanao Gazety Mpanadihady Lalina
Naneho ny hatezerany tao amin'ny media sosialy avokoa ireo olona manerana an'i Amerika-Latina taorian'ny toa namoahan'ny fanadihadian'ny #PanamaPapers (Taratasin'i Panama) fa ny kolikoly no iray amin'ireo olana tena sarotra indrindra ao amin'ny faritra .
Nahahaky ny toerana fanafenana ireo antontan-taratasy ireo harena tsy nisy nanaovana filazana izay nipoirany an'ireo politisiana amin'izao fotoana na ireo efa nitàna toerana ambony tamin'ny fotoana naha-teo amin'ny fitondràna azy, isan'izany ny filohan'i Arzantina Mauricio Macri sy ireo mpiasam-panjakana nifandray tamin'ireo filohan'i Venezoela sy Meksiko, ankoatra ireo hafa ; ireo mpandraharaha matanjaka, mpilalao baolina kitra malaza toa an'i Lionel Messi sy Ivan Zamorano; ary ireo olo-malaza toy ilay tale espaniôla Pedro Almodóvar.
Nihodina manodidina ny tokony hisian'ny mangaraharaha sy ny ezaka itambarambe mba hahazoana antoka ny fandraisana andraikitra ireo tsikera tety anaty tambajotra, fijery iray mahakivy eo amin'ny faritra izay iasàn'ireo governemanta sy ny vato nasondrotry ny tany mafy, mba hiantohana ny fisian'ny tsy fitoviana eo antoerana.
Saingy tao ambadiky ny hatezerana, nampiasa ny fomba hainy sy voasedra fanaony ireo avy ao Amerika-Latina mba hanomezany dikany ireo fiporitsahana ireo – tamin'ny alalan'ny fampiasana vazivazy.
Arzantina
#panamapapers
Miguel del Sel atendiendo el teléfono desde la embajada de Panama a periodistas… pic.twitter.com/lYc1uQcdNN— Profe Argentino (@Profesoyarg) April 4, 2016
Bitsika: Miguel del Sel [Masoivohon'i Arzantina ao Panama] eo ampiresahana amin'ireo mpanao gazety amin'ny finday
Sary: -Panama, 2:02 pm
-Tsia, miala tsiny tsy afaka manome vaovao mikasika ny ireo kaonty tsiambaratelo tsy ara-dalàna an'i Macri aho-Oh, tsy tokony nilaza aho fa an'i Macri io, tssss!
-Tsy tokony nilaza aho fa tsiambaratelo io, tssss!
-Nahoana aho no nilaza fa tsy ara-dalàna io?
-Oh, tena mafàna izy izany.
La cuenta de @mauriciomacri en Panamá no tiene fondos. No es nada ilegal. Sigan con lo suyo. #Panamapapers. pic.twitter.com/VMKbIuIAuZ
— Javier Smaldone (@mis2centavos) April 3, 2016
Tsy nanana vola nampiasaina ireo kaontin'ny @mauriciomacri tao Panama. Tsy misy zavatra tsy ara-dalàna mikasika an'io. Ndehana mandeha, tsy misy tokony hojerena eto.
¿Un presidente corrupto? ¿Tienen idea de lo loco que se oye eso? #panamapapers#BastaDeCorrupcionpic.twitter.com/fVPYUlGHsR
— Sapo de otro Pozo..! (@LeoMoneta) April 4, 2016
Filoha mpanao kolikoly? Mba takatrao moa hoe ahoana no fanenon'izany?
Yo solo presté el nombre, no tenía nada que ver con la sociedad #panamapaperspic.twitter.com/jr64tPFkzC
— Nano (@nanothompson) April 4, 2016
Nampindramiko ny anarako fotsiny io. Tsy misy na inona na inona idirako amin'ilay orinasa.
Meksika
¡Aparecen los 50 mil pesos del CANACA en los Panamá Papers! https://t.co/GuHtGbuT8N
— Eldeforma (@eldeforma) April 4, 2016
Hita tao anatin'ny Panama Papers ilay vola 50.000 pesos avy amin'ny CANACA. Vola taratasy anjatony amin'ny 500 pesos, namaha nony farany ny misterin'ny toerana nisy azy ireny.
Guillermo López Langarica, antsoina hoe CANACA, no olo-malaza Meksikana tao amin'ny YouTube izay nipoitra tsy nahy ho malaza taorian'ny tafatafa anaty lahatsary iray izay nanazavany fa diso ny fomba nitazonana azy am-ponja noho ny nitondrany fiara sady mamo nefa ‘tsy mbola nanao loza akory’. Nanamafy koa izy fa nangalarin'ireo mpitandro filaminana ny volany 50.000 pesos Meksikana izay nentiny, tamin'ny nanazavany fa fonosana ravimbola taratasy 500 pesos an-jatony izany.
Cuando el SAT llegó a investigar los Papeles de Panamá pero les dijeron que EPN, Videgaray, HIGA y Cía; están allí. pic.twitter.com/Cc0ei4oQjE
— Cantúsinmás (@Cantusinmas) April 4, 2016
Rehefa tonga nanadihady ny Panama Papers ny Sampandraharahan'ny Fitakiana Hetra ary nilazàna fa [ny Filoha] Enrique Peña Nieto, Videgaray [Sekretera Misahana ny Vola sy Trosam-bahoaka] , HIGA [orinasa fananganana iray maizimaizina voafatotra amin'ny raharaha maloto mahatafiditra ny vadin'ny filoha] sy ny tariny dia tafiditra tao anatiny avokoa.
Los Simpson ya sabían qué ocurriría con los Papeles de Panamá desde hace 20 años!!! https://t.co/TOKDGiNPzHpic.twitter.com/PMbfVJq6QE
— Sopitas (@sopitas) April 4, 2016
[Sarimiaina amin'ny Fahitalavitra Amerikana] 20 taona lasa izay, fantatry ny Simpsons izay nitranga mikasika ny Panama Papers!
Venezoela
En el caso de Venezuela en los #panamapapers como que sale más barato publicar la lista de los que NO están metidos.
— Laureano Marquez (@laureanomar) April 4, 2016
Raha ny raharahan'i Venezoela mikasika ny #panamapapers sahala amin'ny toa mora kokoa ny hamoaka ny lisitr'ireo TSY voarohirohy.
Shily
Jorge Burgos, gásfiter oficial de La Moneda, a tres turnos pa que no se filtren más nombres en #panamapapersChile
— Meiwest (@maxekampos) April 4, 2016
orge Burgos |Minisitry ny Atitany] , mpanamboatra fantsona ofisialy ao amin'ny [biraon'ny filoha] La Modena, miketrika andiany telo amin'izao fotoana izao mba hialàna amin'ny fiporitsahan'ireo anarana hafa.
Momba ireo olo-malaza
Un saludo a tod@s los que participaron en la ‘vaquita’ para ayudar a Zamorano. #PanamaPapers
— Difamadores (@difamadores) April 3, 2016
Arahabaina ny olona izay nandray anjara tamin'ny fanangonam-bola hanampiana an'i Zamorano.
Tamin'ny taona 2014, naneho ny fanohanany an'i Ivan Zamorano ireo olo-malaza avy ao Chile sy ireo endrika fanta-bahoaka raha vaky ny vaovao fa nitolona nanilika trosa efa ho 3 tapitrisa dolara Amerikàna izy taorian'ny tetikasa goavana iray izay naha-voarohirohy azy – toerana iray fanaovana fanatanjahantena ahitàna kianja isankarazany tao Santiago, Shily- fahavoazana teo amin'ny olana ara-bola.
Messi no evade impuestos. Los gambetea.
— peñalba (@penalba) April 5, 2016
Messi doesn't evade taxes. He dribbles them. …..Tsy nandositra hetra i Messi. Nijijy azy ireny lery.
«Todo sobre mis sociedades» (2016)
La próxima película de Almodóvar sobre los “Papeles de Panamá” pic.twitter.com/Sy2yEirk1y— Manuel Cerdá (@unmundolibre) April 4, 2016
.”Ny rehetra mikasika ireo orinasako” (2016) Sarimihetsika Almodóvar manaraka mikasika ireo Taratasin'i Panama.
Satria tsy nomen'ireo fitaovana fampitambaovao mahazatra marobe fandrakofana loatra ireo fiporitsahana , ary samihafa noho ny avy amin'ny Facebook ireo fiparitahan'ny olona ao amin'ny Twitter, naneho hevitra i @MexicAnarchist, ilay teratany Meksikana fa:
Your parents, uncles and aunts are gonna be mad in about a week when the Panama papers thing appears on Facebook meme pages.
— Tony Is Dumb Face (@MexicAnarchist) April 3, 2016
Ao anatin'ny herinandro, ho lasa adala ireo ray amandreninareo, dadatoa sy nenitoanareo raha mivoaka ao anatin'ireo Pejy Facebook mahatsikaiky ny zavatra ao amin'ireo Taratasin'i Panama
Marina mihintsy fa, tsy vazivazy daholo ny media sosialy rehetra. Ohatra iray mahaliana ny avy amin'ny vondrona Meksikana Pictoline, izay nanao sary mikasika ny vaovao farany manodidina ireo fiporitsahana ireo. Ho an'ireo fanehoankevitra momba ireo Taratasin'i Panama, nandray ny tenin'ny Mpanoratra an-gazety Owen Jones i Pictoline sady nanindry ny maha-zava-dehibe ny tsy tokony hametrahana ahiahy fotsiny rehefa mitranga ny toe-draharaha sahala amin'io.
- Araka izany, anpahany goavana amin'ireo sangany amin'ny tontolo politika sy ara-toe-karena erantany no manafina mangingina harena no sady manery na manohana ny fitsitsiana ho an'ny olona hafa.
– Ankehitriny fantatro fa ny ankamaroanareo maniry hamaly aminà valinteny maneso.
– Aza manao izany.
– Izany mihitsy no toe-tsaina mamela ireny tsy rariny ireny mbola hitohy.
– Farananay amin'ny fieritreretana hoe trangam-piainana io, sahala amin'ny toetrandro.
– Noho izany, aza miahiahy, aza tezitra, ary ndeha isika hanao zavatra momba azy io.
Nandritra izany fotoana izany, Ariel Moreno, Panameana mpanoratra ho an'ny Global Voices nitsikera tao amin'ny rindrina Facebook-ny fa:
Yo siempre he sabido que Panamá era un paraíso…
Viéndole el lado positivo la próxima vez que conozca a alguien que no sepa donde queda Panamá tendré más referencias para darle.
Efa fantatro foana fa paradisa i Panama….
Rehefa mahita ny lafiny mamiratra eto: Indray andro any rehefa hifanena amin'ny olona iray izay tsy mahalala ny misy an'i Panama aho, hanana antsipirihany atolotra aho amin'izay.