Tantara tamin'ny 13 Jona 2015
Nifindra Toerana Noho Ny Ady ao Myanmar Avaratra, An'arivony Ireo Mbola Monina Ao Anaty Toby Vonjimaika
"Olona antitra marobe sy hafa sasany no mijaly ny ratra ara-tsaina, mahatsiaro tsy manana fanantenana intsony izy ireo. Niakatra ny isan'ireo mpianatra tsy te-hanohy intsony ny fianaran'izy ireo"
Arzantina : Tantara Ratsy Ny Nilazàn'ireo Mpitsara Hoe Nihantsy Fanararaotana Ara-nofo Ilay Zazakely Enin-taona Lazaina Fa Tia Vehivav
'Tokony hatsipy any am-ponja io Piombo "mpitsara adala " io, izay nilaza zaza enin-taona ho manana firehana mitia olona mitovy fananahana aminy!'
Mbola Mandòm-Baravarana ny Governemanta Hatrany Ny Menavazan'ny Adim-Pahaleovantenan'i Kroasia
Hatramin'ny Adim-Pahaleovantena Kroaty, efa maro ny fihetsiketseha-panoherana nifototra tamin'ny zo sy ny tambim-panompoan'ny menavazana nandritra ny taompolon'ny 1990, ary ny tena niavaka dia ny tamin'ny 2001 sy 2011.
Ahoana Ny Eritreritr'ireo Mpiara-miasa Amin'ny Global Voices Momba ireo Voka-pifidianana Solombavambahoaka Tao Torkia?
"Olona maro, tafiditra amin'izany ny tsy Silamo, ireo Kiorda, ary ireo vehivavy, samy tafiditra tao amin'ny parlemanta avokoa, izay mampisy fanantenana ny hisian'ny politika feno fifanajàna, miasa ary miralenta bebe kokoa."
Bilaogy Chariboan Joi, Sehatra Ifampizarany ny Zava-bitan'izy Ireo

Iray amin'ireo fomba nofidiana mba hampielezana ny teny momba ny zavatra atao amin'ny asa fanaovan-gazety avy amin' olo-tsotra eo amin'ny tanora Shipibo ao Amazonia Peroviana ny bilaogy.
#SomosTodosLorena: Fihetsiky Ny Governemanta Manoloana Ny Fanavakavaham-bolokoditra Nitranga Tany An-tsekoly
Naresaka tao amin'ny tambajotra sosialy ny tantaran'ilay ankizy vavy 12 taona niharan'ny fanavakavaham-bolokoditra tany am-pianarana tao Brezila ary nahasarika ny sain'ny Vaomieran'ny Zon'olombelona sy ny Vitsy An'isa ao amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny minisitry ny Fampianarana ihany koa.
Ny Hafanana Tao India no Fahadimy Mahafaty Olona Be Indrindra Ankehitriny
Raha tondradrano na horohorontany ny onjan-kafanana ao Andhra Pradesh, mety ho malaza. Mety handeha ny olona. "OMG 2000 namoy ny ainy; mihantona eo. Mivavaka ..."