Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nifindra Toerana Noho Ny Ady ao Myanmar Avaratra, An'arivony Ireo Mbola Monina Ao Anaty Toby Vonjimaika

Myanmar Kachin

Nampiasa ity sary ity ho sarintavany ireo mpisera Facebook marobe avy ao Myanmar

Efa-taona lasa izay, niteraka ady an-trano tao amin'ny Fanjakana Kachin ny fifandonana teo amin'ny miaramilan'ny governemanta sy ny mpikomy avy ao amin'ny Tafika Mahaleotena Kachin.

Nanohy ny lalan'ny tolona mitam-piadiana nandritra ny 33 taona nanomboka ny 1961 ka hatramin'ny 1994 ny Fikambanana Mpitaky ny Fahaleovantena Kachin, izay niforona fotoana fohy taorian'ny fahaleovantenan'i Myanmar tamin'i Angletera. Nanasonia fifanekena fampitsaharana ady tamin'ny governemanta tohanan'ny miaramila izy ireo taorian'izany. Naharitra 17 taona ny fampitsaharana ady ary foana rehefa nipoaka indray ny ady tamin'ny Jona 2011.

Namindra toerana olona an'arivony nandositra nankany amin'ny sisintanin'i Shina hialana amin'ny ady ny fifandonana tamin'ny Jiona 2011. Mbola maro amin'izy ireo no monina anaty toby namboarina vonjimmaika manakaiky ny sisintany nandritra ny efa-taona rehefa nipoaka indray ny ady teo amin'ny governemanta sy ny tafika mpikomy.

Ho fampahatsiarovana sy hanaovana fanairana, nanatontosa famoriam-bahoaka tao an-drenivohitra taloha Yangon tamin'ny 7 Jona 2015  lasa teo ireo tanora sy avy amin'ny vondrona firaisamonim-pirenena an-jatony  hitaky ny fampitsaharana ny ady ary nanangona fanohanana ireo olona nafindra toerana anatin'ny firenena (IDP). Nantsoina hoe “Miahiahy, Miahy ary Mandray anjara biriky ho an'ny IDP izao ankehitriny izao” ny hetsika.

Araka ny tatitry ny UNHCR, olona maherin'ny 100.000 no nafindra toerana noho ny fiverenan'ny  ady teo amin'ny governemanta sy ny tafika ara-poko mitam-piadiana ity. Amin'ny faritra fehezin'ny governemanta ihany no azon'ny fikambanana iraisam-pirenana mpanome fanampiana idirana mivantana ny tobin'ireo olona nafindra toerana ao amin'ny firenena ihany.

Myanmar Kachin  (2)

Sary avy amin'ny Sampam-baovao Irrawaddy nozarain'ny Refugee Stories tao amin'ny Facebook

Myanmar Kachin (4)

Sary nozarain'ny Kachin Life Stories tao amin'ny Facebook. Mivaky toy izao ny sora-baventy “Arovy ny Fiainan'ireo Mpitsoa-ponenana noho ny Ady”

Myanmar Kachin (5)

Sary nozarain'i Ah Phu Phu tao amin'ny Facebook. Toy izao ny vakin'ny sora-baventy: “Atsangano Amin'ny Alalan'ny Fanohanana Azy ireo ny Fahamendrehan'ireo Mpitsoa-ponenana noho ny Ady”.

Tao amin'ny Facebook, nahatsiaro ny zava-niainan'ireo mponina ambanivohitra tamin'ny alina nanombohan'ny ady efa-taona lasa izay i Khon Ja avy ao amin'ny Tambajotram-Pandriampahalemana Kachin :

Local villagers ran in the rain overnight for survival without bringing anything for they assumed it might be temporary hiding as the way they experienced before year 1994.

Today is exactly 4 years that they could not return back… just staying at the falling camps and survive 40 cent/day/person..

Nihazakazaka tao anatin'ny orana nandritra ny alina ireo mponina ao an-toerana hanavo-tena ary tsy nitondra na inona na inona satria noheverin'izy ireo fa mety tsy maharitra tahaka ny niainan'izy ireo talohan'ny taona 1994 izany.

Efataona katroka androany tsy afaka miverina an-tanindrazana izy ireo … fa mijanona fotsiny ao amin'ny toby efa rava ary miaina amin'ny 40 cent/isan'andro/ isan'olona.

Namoaka fanambarana tohanan'ireo vondrom-piraisankina 56 ny Burma Partnership, tambajotram-pikambanana mpiaro ny mpitsoa-ponenana mba hitaky ny fampitsaharana tsy misy hatak'andro ny fifandirana rehetra sy ny idiran'ireo fikambanana mpanao asa soa tsy misy fameperana hanampiana ireo olona nafindra toerana anatin'ny firenena an'arivony monina ao amin'ny sisintany avaratra.

Nanao lahateny momba ny toe-draharaha mahazo ireo olona nafindra toerana noho ny ady i Lahpai Seng Raw avy ao amin'ny Metta Development Foundation. Hoy izy hoe :

There are about 120,000 IDPs, living in deplorable conditions in 172 camps across Kachin and northern Shan States. The anxieties and challenges the IDPs face on a day-to-day basis continue unabated. In fact for some, the situation has become much worse.

Eo amin'ny 120.000 eo ireo olona nafindra toerana miaina ao anatin'ny toe-javatra mampalahelo ao amin'ny toby 172 manerana an'i Kachin sy ny avaratry ny Fanjakana Shan. Mitohy tsy an-kiato isan'andro isan'andro ny ahiahy sy ny zava-tsarotra atrehin'ireo olona nafindra toerana. Raha ny marina, miharatsy tanteraka ny toe-draharaha ho an'ny sasany.

Nanipika ny tsy fisian'ny fampianarana hoan'ny ankizy nafindra toerana ihany koa izy:

At borderland camps, there are about 15,000 children of school-going age with limited access to schools and other education opportunities. This year they face special difficulties as UNICEF and local aid organizations are no longer able to provide them with text books and other school materials as in previous years.

Ao amin'ny faritry ny toby, ankizy tokony hianatra eo amin'ny 15.000 eo no voafetra ny fahafahany mankany an-tsekoly ary tsy mba misy endri-panabeazana hafa enti-misitraka. Miatrika olana manokana izy ireo tamin'ity taona ity satria tsy afaka manome boky fianarana sy fitaovan-tsekoly hafa tahaka ny taon-dasa intsony ny UNICEF sy ny fikambanana mpanao fanampiana ao an-toerana.

Nilaza izy fa ireo vehivavy monina ao amin'ireo faritra no tena mora iharan'ny fanararaotana :

Also, in the course of this four year war, the lives of those who remain behind are as much in danger as those who flee. Egregious rights abuses are being committed against civilians with impunity, and Kachin women in particular, have become increasingly vulnerable as targets of rape and sexual abuse.

Nandritra izay efa-taona nisian'ny ady izay, atahorana kokoa ny fiainan ‘ireo mbola mijanona ao amin'ny toby noho ny an'ireo nandositra. Manjaka tsy misy fanasaziana ny fanitsakitsahana miharihary ny zo sivily, ary ny vehivavy Kachin indrindra no lasa lasibatry ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo.

Tamin'ny antsafa nifanaovany tamin'ny Sampam-pahalalam-baovao Irrawaddy, nilaza ny fihetseham-pon'ireo monina ao amin'ny toby i Mary Tawn avy ao amin'ny fikambanana mpanao fanampiana Wunpawng Ninghtoi :

Many elderly persons and some others are suffering from mental trauma, they feel hopeless. The number of students who no longer want to continue their education has increased. Whenever I talk to them they ask me the same thing: “When will we go home?” I’m always speechless and, in fact, I have been asking myself the same question.

Olona antitra marobe sy hafa sasany no mijaly ny ratra ara-tsaina, mahatsiaro tsy manana fanantenana intsony izy ireo. Niakatra ny isan'ireo mpianatra tsy te-hanohy intsony ny fianaran'izy ireo. Isaky ny miresaka amin'izy ireo aho, fanontaniana iray foana no averimberin'izy ireo: “Rahoviana no mody any an-tanindrazana izahay?” Tsy mahita lazaina foana aho, raha ny marina, manontany tena toy izany ihany koa aho.

Miantso fanohanana bebe kokoa ny Kachin Peace Network:

With continued fighting and only 17% of basic needs being met, the situation of Myanmar's IDPs is particularly worrying, and they are in desperate need of greater funding and financial support.

Noho ny fitohizan'ny ady sy ny 17% monja amin'ny filàna fototra no azo, mampiahiahy tanteraka ny toe-javatra iainan'ireo olona nafindra toerana ao anatin'ny firenena ihany ao Myanmar, mitady fanampiana ara-bola bebe kokoa sy fanohanana ara-bola fatratra ry zareo.

Myanmar Kachin (6)

Sarin'ireo ankizy Kachin IDP mianatra ao amin'ny sekoly ao amin'ny toby. Nozarain'ny Kachin Peace Network.

Raha mbola mitohy ny ady, tsy ahitana famantarana fihatsaran-javamisy ao amin'ny toby. Nihena ny fanampiana avy amin'ny fikambanana iraisampirenena izay nitarika tsy fahakelezan-tsakafo ao amin'ireo toby maro saro-dalana.

Miharatsy hatrany ny olan'ny mpitsoaponenana ao Myanmar. Ankoatra ireo Kachin nafindra toerana ao anatin'ny firenena ihany miisa 100.000 ao akaikin'ny sisintany Shinoa, misy ihany koa ireo mpitsoaponenanana Rohingya 140.000 ao amin'ny faribohitra Sittwe ao amin'ny Fanjakana Rakhine, sy olona nafindra toerana 230.000 monina ao amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Myanmar izay mila fanampiana maha-olona araka izay haingana. Mandritra izany, mpitsoa-ponenana 120.000 monina ao amin'ny faritra andrefan'i Thailand no miandry ny fampodiana azy ireo indray ao Myanmar

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.