Tantara tamin'ny 29 Novambra 2014
Tsy Mety Mahita Ronono Na Entana Fototra Hafa Any Venezoelà Noho Ny Tsy fahampian-tsakafo? Afaka Manampy Anao Ity Rindrambaiko Ity

Ny Abastéceme dia mamantatra ny toerana misy ireo entana toy ny ronono, lafarinina ary mofo any Venezuolà, toerana izay sarotra ahitàna ireo entana fototra indraindray.
Nepal : Firy Ny Biby Ho Faty Amin'ny Fetiben'ny Gadhimai Amin'ity Taona Ity ?
Hampiantrano mpivahiny an'hetsiny ny fetiben'ny Gadhimai any Nepal ary mampitebiteby ireo mpiaro ny zo ao an-toerana sy any ivelany ny anjara ratsy mampihoronkoditr'ireo biby antsasaka tapitrisa.
Fongorin'i Bahrain Ireo Hetsi-bahoaka, Fa Kosa Tsy Ny Fanohanana Ny ISIS
Tsy nisambotra ireo mpandefa ireo lahatsary, sahala amin'ireo miantso fanohanana ny ISIS sy manentana ny herisetra eo amin'ny sekta, ilay sampana misahana ny heloka atao ety anaty Aterineto, tahaka ny fanaony misambotra ireo mpitoraka bilaogy sy ireo mpikatroka mitaky ny zon'olombelona