Fongorin'i Bahrain Ireo Hetsi-bahoaka, Fa Kosa Tsy Ny Fanohanana Ny ISIS

Mpanao fihetsiketsehana any Bahrain, mitazona soratra mivaky toy izao: “Tsia ho an'ny Firenena manohana ny fampihorohoroana, firenena aty amin'ny elodrano i Bahrain, izay vavolombelon'ny faha-telo taonan'ny fitroarana notarihan'ireo vahoaka Shiita maro an'isa. Sary avy tamin'i Hussain Altareef. Fizakàmanana: Demotix
Amin'ny fomba ofisialy i Bahrain dia ampahany ao anatin'ny fiaraha-miasa ara-miaramila any amin'ny faritra miady amin'ilay zanaka an-tranon'ny Al Kaida (Al Qaeda), mahery fihetsika ary mpanao hery famoretana, fantatra amin'ny anarana hoe ISIS, izay naka an-keriny faritra midadasika be any Iràka sy Syria. Kanefa ny fitondram-panjàka ao amin'ilay nosy dia toa mbola manakipy ny masony amin'ireo mpanaraka ny ISIS (fanjakana islamika), mpamatsy ara-bola ary ireo mpamafy hevitra mpampisara-bazana (sekta) ao anatin'ny fireneny. Milaza ireo mpitsikera ny governemanta fa manampy azy ireo hamorona fihenjanana ao amin'ny sekta io fihetsika io, fihetsiky ny governemanta izay zatra nampangina ireo mpikatroka mafana fo miady ho an'ny demokrasia ao Bahrain, nitarika ny hetsika ho amin'ny fanovàna hatramin'ny taona 2011.
Fanentanana iray vao haingana tao amin'ny media sosialy no mampiseho ohatra iray mazava tsara momba ny fanohanana mitombo hatrany ny ISIS ao amin'ilay fanjakàna nosy kely. Ao anatinà lahatsary iray ao amin'ny YouTube, miantso ireo Bahraini hafa ireo Bahraini efatra mpikambana ao amin'ny ISIS mba handray fitaovam-piadiana ary hanjohy ny ady hanohitra ireo “mpampihorohoro” mitondra azy ankehitriny, ny fianakaviana mpanjaka Sunnita Al Khalifa, ary ireo vahoaka Shiita maro an'isa ao amin'ny firenena. Na dia teo aza izany, tsy nisy fanadihadiana nataon'ny fanjakana momba ilay lahatsary.
Miha mivelatra ny fampielezan-kevitry ny ISIS any Bahrain, eo ambany fiahian'ny governemanta
Misy lahatsary hafa niantso ny hanohanana ny ISIS ary nikaika herisetra ifanaovan'ny sekta:
Nihantsy ireo manampahefana mihitsy ny sariben'i AbuAldergham amin'ireo lahatsary ireo, izay milaza izany rahateo ho tena anarany, ny laharan'antsony, ary ny tantarany manokana ety amin'ny Aterineto:
Izaho no Abu Dergham Al Hijri.
Mohammed Al Mahmood no tena anarako
Manana maripahaizana avy amin'ny Ivontoerana Ara-Pinoana aho
Ito ny laharan'antsoko 33784938
Tsy nisambotra ireo namorona ireny lahatsary ireny ilay sampanamiady amin'ny fampihorohoroana atao ety anaty Aterineto ao amin'ny firenena, izay mikendry isan'andro amin'ny fisamborana sy fampidirana am-ponja ireo mpitoraka bilaogy, ary ireo mpiaro ny zon'olombelona .
Mba hanomezana ohatra hafa iray, nisy fotoana i Abdulla Mubarak Albinali, rahalahin'i Turki Albinali, ilay “mufti” na olona mpiandraikitra ny fandikàna ny lalàna Silamo ho an'ny ISIS, dia namoaka ny votoaty manohana ny ISIS tety anaty Aterineto. Nanontanintanian'ireo manampahefana Bahraini vetivety monja fotsiny izy, fa tsy nosamborina. Ilay rahalahiny iray, Mohammed Mubarak Albinali, no “Abu Alfida Alsalami” ilay mpiadin'ny ISIS ao amin'ilay antso natao tamin'ny YouTube hitàna fiadiana nolazaina tery aloha. Samy nahazo dera avy amin'ny rainy, Mubarak Abdulla Albinali, izy mirahalahy, izay lazain'ny maro ho lietnà kolonely.
Manampy amin'ny fandrindràna ny tantaran'ny sekta ny ISIS
Mino ve ireo olona ireo fa tsy hiatrika ny fiantraikan'ny zavatra ataony mihitsy? Nametraka io fanontaniana io ireo Barhaini mpiaro ny zon'olombelona mandinika ny zava-miseho. Maro ireo mino fa tia manome vahana ny tantaranà sekta ny fitondràna, mba hanapotehana ireo hetsika tsy miankina itakiana fiarovana ny zon'olombelona bebe kokoa any Bahrain.
Mety ho sarotra ho an'ireo Bahraini mpitondra ny hanohitra ny ramatahoran'ireo vondrona mahery fihetsika — sady amin'izay koa, niara-niasa navitrika taminy ihany izy ireo fahiny. Voaantso ho anisan'ireo nanao hetsi-pamoretana ireo vondrona mahery fihetsika, tamin'ny fatroaram-bahoaka ny taona 2011 izay nahitàna olona an'arivony maro nidina an-dalambe nitaky fanovàna karazany maro sy fahalalahana avy amin'ny governemanta.
Nanosika ny firoboroboan'ny sekta ny fanampenam-bava, fanaovana haza lambo ireo “mpamadika”, ny fanapotehana ireo trano fivavahan'ireo Shiita sy fanadrohadroana ary fanompàna avy amin'ireo hery mpitandro filaminana. Nila ireo vondrona izay manohana ny fivakivakisana ho sekta io, ary nilaina tamin'izany ireo vondrona tena faran'izay mpandàla fisamantsamahana.
Ny tena marina, Turki Albinali, ilay “mufti” an'ny ISIS voalaza etsy ambony, dia nahazo ny lazany tamin'ny naha-mpikambana azy tao amin'ny hery mpanohitra ny revolisiônera izay nampiasaina hanohitra ireo hery nitaky fanovàna tany Bahrain. Ao anatin'ny lahatsary manaraka eto ambany, ny taona 2011, mikabary izy ho an'ny vondrona iray any Busaiteen, miantso azy ireo mba “hiaro” ny firenen'izy ireo amin'ireo “mpamadika” — ho entiny manondro ireo mpanao hetsika mitaky ny demôkrasia any Bahrain. Ao anatin'ireo vahoaka mihaino dia misy ireo olona mitazona famaky, hazo ary sabatra. Nahazo ny tso-dranon'ireo mpiasam-panjakàna ambony sasany izay nitsidika ilay famoriam-bahoaka tany Busaiteen mihitsy aza i Albinali. Na izany aza, tsy mbola niatrika fanilikilihana avy amin'ny fitondràna izy ireo, satria manaraka ny fitsipika fitantanana ny sekta nampiasaina hatramin'izay izy ireo.
Notrandrahan'i Turki Albinali ilay sehatra nomena ny mpanao an-tendrony (mahery fihetsika). Nanao toriteny fanao amin'ny andro Zomà izy, manainga mba hankahàla ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Masoivohon'i Etazonia any Bahrain ihany koa izy, nanofahofa ireo sainan'ny ISIS.
Tsy mahagaga io firoboroboan'ny sekta io — lasa pôlitika tsy ambara ampahibemaso fa tohanan'ny fanjakana io. Araka ny nambaran‘i Nicholas, ilay mpanao gazety ao amin'ny New York Times, hoe:
Herinandro vitsy lasa izay, nosamborin'ny mpitandro filaminana ao Bahrain ny mpiara-miasa amiko ao amin'ny New York Times, i Michael Slackman. Nilaza izy fa nambanan'ireo tamin'ny basim-borona, ary natahotra ny ho tifirin'izy ireo mihitsy raha iny teo am-pamoahana ny pasipaorony iny no sady nihiaka fa hoe mpanao gazety Amerikana. Avy eo, milaza izy fa niova tampoka teo ny fihetsik'ilay mpitarika ary nanatona ny filohan'ilay vondrona ka nandray ny tànan'i Mr. Slackman, nilaza taminy tsara hoe: “Aza matahotra! Tinay ny Amerikana !”
“Tsy mikendry anareo izahay. Fa mikendry ireo Shiita kosa,” hoy ny nanampian'ilay mpitandro filaminana izany. Tsaroan'i Mr. Slackman: “Sahala amin'ireny hoe nihaza voalavo ireny izy ireo.”
Tsy miditra an-tsehatra mba hanakana ilay firoboroboan'ny fitiavana an'i Turki Albinali mihitsy ny governemantan'i Bahrain, noho ny antony mitovy amin'ny tsy nanarahana ny famoretana manerana ny Golf tamin'ireo Rahalahy Silamo. Namana manan-danja izy ireo, izay afaka manampy amin'ny fanitarana ny fomba fitantanan'ny fitondràna ny sekta ho fanoherana ireo fitroaram-bahoaka. Ireo vondrona ireo no mety hany namana farany ho an'ny fitondràna ao Bahrain.
Ireo mpanaraka matanjaka ny ISIS any Bahrain
Tsy vao voalohany izao no nitondran'i Bahrain ny anjara birikiny amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana hery ireo vondrona mpihoko. Ao anatin'ny bokiny “Ireo matihanina – Politika sy Heloka bevava – Famotsiam-bola iraisam-pirenena,” manoratra i Heinz Duthel:
Taorian'ny 11 Septambra 2001, lasa olana lehibe ho an'ny fitantanan'i Bush tao Etazonia tamin'ny ady amin'ny fampihorohoroana ny famotsiam-bola, na dia milaza aza ireo tsikera fa lasa zavatra mihamihen-danja ho an'ny Trano Fotsy io. Clearstream, any Luxembourg, “bankin'ireo banky” izay manao “fifamenoana ara-bola”, ivon'ny kajy fifanalàna na fifanampiana amin'ny resa-bola ho an'ireo banky an-jatony, dia nampangaina ho mpandray anjara lohany amin'ny toekarena ambanin'ny tany, amin'ny alàlan'ny fomba fanao iray tsy famoahana ny kaonty; ny Banky Iraisam-pirenen'i Bahrain, izay an'i Osama ben Laden, dia nahazo vahana tamin'ny fanaovana ireny fampitàm-bola ireny.
Tsy zava-baovao ny fampiasàna an'i Bahrain ho toy ny seranana iray ara-bola ho an'ireo vondrona mpikatroka mahery fihetsika, saingy ny tena mampahatahotra dia ny fahafahany miroborobo be tato ho ato, tonga hatramin'ny hoe misy mpikambana amin'ny fianakaviana mpanjaka ao Bahrain nandefa bitsika fanohanana ny ISIS avy tamin'ny kaonty Twitter-ny, miaraka amin'ny sary lafika mampiseho ny sainan'ilay vondrona (naato moa ny kaontiny ankehitriny).

“Azon'ny tafika ISIS ny fitantanana ireo tanàna any Reef avaratra (ambanivohitra), taorian'ny namonoany Sahawat maro (ny mangiran-drasty vao nifoha).” ny kaontin'ilay Bahraini mpikambana ao amin'ny fianakaviana mpanjaka izay naneho fanohanana ny ISIS, efa naato ankehitriny
Mpikambana iray hafa avy amin'ny fianakaviana mpanjaka, “nanindrahindra” ny Jabhat Al Nusra (elatra iray an'ny Al Qaeda) :
“@244358: #تجهيز_مجاهدي_الأنصار_بالسلاح pic.twitter.com/U1TboHws60” @AhmedHAlkhalifa
— سلمان آل خليفه (@bo5alifaalk) August 30, 2013
Fanohanana ara-pitaovam-piadiana ireo lehilahy Al Nusra
[Mivaky toy izao ny sary:] Hetsika ho an'ny fampitaovana.
“action” Alansar: 10,000 Riyal
“action” volamena: 5,000 Riyal
“action” volafotsy: 1,000 Riyal
“action” varahina: 500 Riyal
“action” tsotra: 200 Riyal
Raha handray anjara amin'ny fanohanana, iangaviana mba hiantso ahy amin'ny iray amin'ireo kaonty etsy ambany. Azo antoka io ary tsotraFanamarihana: ny “action” resahana eto ny fiteny fampiasa eoamin'ny sehatry ny fifanakalozana sy ny tsenam-bola
Atsy ho atsy ilay resaka dia ho lasa olana ho an'i Arabia Saodita izay miady amin'ny Al Qaeda ao anatin'ny fanjakany. Bahrain moa dia mipetraka tsy lavitra ny morontsirak'i Arabia Saodita, sarahan'ny fari-dranomasina hety dia hety tsy misy afa-tsy ampolony kilaometatra monja. Mizara fiaraha-miasa akaiky ireo fanjakàna roa mifanila ireo — Nandefa tafika tany Bahrain i Arabia Saodita ny taona 2011 mba hanampy tamin'ny fanoherana ny fitroaram-bahoaka tao.
Tamin'ilay vonomoka tao Dalwa tany Al Ahsa vao haingana, tany amin'ny faritra Atsinanan'i Arabia Saodita, lehilahy telo izay nambara fa niady tany Syria ho an'ny Al Qaeda no nanokatra ny fifampitifirana tamin'ny vondrona Silamo Shiita, nahafatesana olona dimy. Afaka novolavolaina tsara tany Bahrain io fanafihana io. Tsy ela akory taorian'ilay herisetra, nanapaka hevitra ny hifanome tànana indray tamin'ny ISIS ny Al Qaeda, ary imbetsaka mihitsy tany aloha no nisamborana ireo Bahrainis tany Saodita noho ny fiketrehana fanafihana mifandray amin'ny Al Qaeda.
Mety hitranga any Bahrain mihitsy ny zavatra mitovitovy amin'izany. Avy eo, nandefa izao bitsika izao i Khalid Al Khalifa, Minisitry ny Raharaham-bahiny any Bahrain, mba ho valin'ilay famonoana:
لولا عناية رب العالمين و يقظة رجال الأمن لما استبعدنا وقوع مثل جريمة الأحساء في البحرين . شكرا وزارة الداخلية
— خالد بن احمد (@khalidalkhalifa) November 4, 2014
Raha tsy arovan'i Allah mihitsy, ary ny fahamailoan'ny rafi-piarovana, tsy tokony ho gaga isika raha misy famonoana sahala amin'ny tany Al Ahsa miseho any Bahrain. Misaotra ry Minisitry ny Atitany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...