Tantara tamin'ny 22 Jolay 2014
Tahotra, Fitiavana Ary Ny Fahavalon'i Iran Ankafizina ao amin'ny Aterineto (dia i Facebook)
Tamin'ny 13 Jolay, tanora Iraniana valo no voasazy an-tranomaizina maharitra noho ny zavatra nataon'izy ireo tao amin'ny Facebook. Vitsy dia vitsy ny zavatra fantatry ny mpikatroka ao anatiny sy ivelan'ny firenena mikasika ity raharaha ity.
Manahy ity Rosiana Mpanoratra Gazety ity Fa Mety Hifindra avy any Tajikistan Mankany Rosia ny “Tahotra Mpitsikilo”
Efa ho iray volana izao no nitazonan'ny manampahefana Tajik tsy ara-drariny an'i Alexander Sodiqov avy ato amin'ny Global Voices ho manao asam-pitsikilovana. Tokony hampanahy ny Rosiana koa ity "santatra Tajik" ity, araka ny fandresen-dahatra nataon'ilay mpanoratra gazety Igor Rotar.
Fijery Tokana No Atolotry ny Boky Taridalana Amin'ny Fizahantany Ho Anao. Fa Itantaran'ny Mponina Ny Fijeriny Manokana Kosa Ity Fampiharana Vaovao Ity
Ahafahanao mihaino ireo tantara manokana momba ny toerana hotsidihanao ny Voicemap. Tsy ho hitanao any amin'ny tari-dalana mahazatra amin'ny fizahan-tany izany.
India: Gazety Ao An-toerana Vokarim-Behivavy
Gazety iray nahazo ny loka BOBs, vokarina ao an-toerana ary any ambanivohitra ny Khabar Lahariya, atao amin'ny fiteny eo an-toerana, ary vehivavy 40 no mampihodina azy. Mba hahalalàna misimisy kokoa dia niresadresaka tamin'ny mpandrindra ny famoahana ao aminy, Poorvi Bhargava , izahay.