Tantara tamin'ny Jona, 2014
Nanakoako Tao Bahrain Ny Fisososon'ny ISIS Ao Iraka
Niditra tao amin'ny Twitter ny manampahefana ambony ao amin'ny governemantan'i Bahrain mba haneho izay nosokajiana ho fanohanana ny fisosososon'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), vondrona mpisintaka tao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Al-Qaïda ao Iraka.
Mifanditra Amin'ny Zo Handefa Mondialy Ny Fantsona Fahitalavitra Eto Afrika
Noho ny ady ara-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny tambajotram-pahitalavitra, dia mety hisy ny mpanaraka ny fiadiana ny amboara manerantany eto Afrika no hosahirana amin'ny fanarahana azy.
Mety ho Alfred Kinsey-n'i Rosia Ve i Snowden?
Edward Snowden no Alfred Kinsey amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto. Izany no nambaran'ilay mpanao gazety Rosiana Dmitri Goubine tamin'ny lahatsoratra bilaoginy tamin'ny herinandro lasa, mandinika izay mety ho fiantrakan'ny fanarahamaso faobe ataon'ny governemanta eo amin'ny fenitra ara-tsosialy hoavy.
Mivazivazy Amin'ny Fivoaran'ny Ekipam-pirenena Eo Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Ny Rosiana
Miresaka ny trangan'ny ekipa Rosiana avokoa ny rehetra, nefa ny tena mampivarahontsana dia ny fivoaran'ny ekipa izay ahitana ny mpilalaon'ny Real Madrid sy Barcelona.
Sary 9 Avy Ao Kyrgyzstan, Maneho Ny Zava-misy, Manambara Adin'ny Rano Ao Azia Afovoany
Amin'ny taona 2030, eo ho eo amin'ny antsasaky ny mponina eto an-tany no hiaina amin'ny faritra “tsy ampy rano,”
Ilay Meksikana Miguel “Piojo” Herrera, Mpanazatra Manana Ny Angesony Manokana
Lasa Olo-maherin'ny fandresen'ny ekipany i Miguel “Piojo” Herrera, mpanazatran'ny ekipam-pirenena Meksikana.
Ankilan'ny Mondialy : Hetsi-Panoherana Any Brezila, Mpanoratra Migadra Any Kamerona
Mba mila mahafantatra zavatra mihoatra noho ny Baolina kosa ianao hahatakarana bebe kokoa ny Fiadiana ny Amboara Manerantany. Ataon'i Deji Olukotun mifanindran-dalana eto ny resaka hametrahana ho zava-dehibe ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona.
Notazonin'ny Manampahefana Tajik Ilay Mpanoratry ny Global Voices
Notanan'ireo manampahefana ao Khorog, any Tajikistan ny mpamokatra lahatsoratra taloha ho an'n Global Voices ao Azia Afovoany , Alexander Sodiqov, raha nanao fikarohana ho an'ny fivoahany "doctorat" izy. Tsy mbola fantatra ankehitriny ny mombamomba ny nanjo azy.
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe ‘Indraindray Tsara Ny Fanolanana’, Mijoro Ny #MenAgainstRape Ao Pakistana
#menagainstrape : Tovolahy aman-jatony avy any Pakistana no nanatevina an-daharana ny fanentanana nataon'io tenifototra io.
Mbola Mijery Ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany Amin'ny Lalao Baolina Kitra Avy Lavitra Indray I Però…
Tia lalao baolina kitra ny Peroviana, saingy tsy maintsy manohana ekipa hafa izy ireo amin'ity taona ity. Tsy voafidy handray anjara amin'ny lalao iadiana ny Amboara Eran-tany ny ekipam-pireneny tanatin'ny 32 taona izao.