Tantara tamin'ny 25 Avrily 2014
GV Face: Mivantana Avy Amin'ny Mondialin'ny Internet

Manana tondrozotra vaovao ho amin'ny fitantanana ny internet manerantany ve isika? Amin'ity herinandro ity ny hangout dia miainga avy ao amin'ny fihaonamben'ny Net Mundial ao São Paulo, Brezila.
Niharan'ny Fandrahonana Ny Mpanohitra Alzeriana Taorian'ny Fifidianana Filoham-pirenena
Nanome alalana an'ny filoha Abdelaziz Bouteflika, izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1999 hofidiana filoham-pirenena indray ny fanovana ny lalàmpanorenana.
Nolavin'ny Fitsarana Shinoa Ny Fitoriana Mikasika Ny Loton-drano Ao Lanzhou
Nolavin'ny fitsarana Shinoa ny fitoriana ilay orinasa mpamatsy rano ao Lanzhou izay napetrak'ireo mponina miisa dimy noho ny fisiana benzène miteraka homamiadana tafahoatra amin'ny rano amin'ny paompy.
Misaona An'i Gabriel García Márquez, ilay “Mazisianin'ny Voambolana” i Bangladesh
Tsia, tsy hitomany aho. Satria mino aho fa ho velona farafahakeliny mandritra ny zato taona eo izy miaraka amin'ireo voambolana manako fitiavana, nahoana aho no hitomany ny fahalasanany? Avelao hanjaka am-pontsika tsikelikely ny fitiavany sy ny nofinofiny.
Coasters, Combis Ary Fikorontanana : Fitateram-Bahoaka Any Lima
Ny rafitra misy ankehitriny dia ny fifangaroan'ny Metropolitano, fiara fitateram-bahoaka haingam-pandeha sy ireo fiara 'minibus' an'olon-tsotra toy ny "combis".
Firoboroboan'i Shina, Mihisatra Noho Ny Fiatrehany Fanamby Ara-toekarena
Harin-karena faobe 7.4 isan-tajo nandritry ny efatra volana voalohan'ny 2014, ny taha ambany indrindra hatramin'ny efatra volana farany ho an'ny taona 2012.